Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tibny

Tibny

(Tibnỳ).

Anisan’ireo niady mba ho lasa mpanjaka teo amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely, taorian’ireo fito andro nitondran’i Zimry, ilay mpanjaka fahadimy teo amin’ny Israely (t. 951 T.K.). Nizara roa ny vahoaka: I Tibny sa i Omry no tokony ho mpanjaka? Voalamina ihany ilay raharaha taorian’ny ady an-trano naharitra efa-taona. Resin’ireo mpanohana an’i Omry i Tibny ka novonoina ho faty. Zanakalahin’i Ginata i Tibny.​—1Mp 16:15, 21-23.