Tidala
(Tidàla).
Mpanjakan’i Goima, ary mpiray dina tamin’i Kedorlaomera mpanjakan’i Elama. Nandresy mpanjaka dimy i Tidala sy Kedorlaomera ary mpanjaka roa hafa, teo akaikin’ny Ranomasina Maty. Nikomy tamin’i Kedorlaomera mantsy ireo mpanjaka dimy ireo, rehefa voazanaka 12 taona. Nanafika niankandrefana i Tidala sy Kedorlaomera ary ireo mpanjaka hafa mba hampitsahatra ilay fikomiana. Nandroba sy nambabo izy ireo, ka lasa babo koa i Lota zana-drahalahin’i Abrahama. Nanenjika an’ireo mpanafika ireo i Abrahama, ka azony ihany ireo babo sy ny zavatra nobaboina. Tsy voalaza kosa raha voasambotra na novonoina i Tidala sy ireo mpanjaka niaraka taminy.—Ge 14:1-17.