Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tifsa

Tifsa

(Tifsà).

1. Toerana avaratra indrindra tamin’ny fanjakan’i Solomona. (1Mp 4:24) Misy mihevitra azy io ho i Dibseh, eo amoron’ny Reniranon’i Eofrata, tokotokony ho 90 km any atsinanana atsimoatsinanan’i Alep, ary 90 km eo ho eo koa avy eo amin’ny fihaonan’ny reniranon’i Eofrata sy Balikh.

2. Toerana iray, toa tany akaikin’i Tirza, ary noresen’i Menahema mpanjakan’ny Israely (t. 790-781 T.K.). (2Mp 15:16) Tsy fantatra ny tena toerana nisy azy io. Ahitana ny anaran’i Tifsa ao amin’ny hoe Kirbet Tafsa, tanàna tokotokony ho 10 km any andrefana atsimoandrefan’ilay Sekema fahiny. Sarotra inoana hoe i Tifsa anefa izy io, satria toa lavitra loatra an’ilay toerana voalaza fa nisy an’i Tirza.