Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tiglato-pilesera (III)

Tiglato-pilesera (III)

(Tiglàto-pilesèra).

Mpanjaka mahery tany Asyria (soratana koa hoe Tilgato-pilnesera ny anarany). Izy no mpanjaka asyrianina voatonona voalohany ao amin’ny Baiboly. Tsy fantatra ny tena fiaviany sy ny fomba nahazoany fahefana, na dia misy mihevitra aza hoe zanaka mpanjaka izy, na koa hoe nandrombaka fahefana izy. Na izany aza, dia nalaminy ny raharaham-panjakana, ka nanjary nitatra sy nahery be indray ny Fanjakana Asyrianina tamin’ny androny. Heverina fa izy no mpanjaka asyrianina voalohany namindra an’ireo vahoaka resiny honina any an-tany hafa. Voalaza fa nisy 154 000 be izao ny olona notereny hifindra toy izany, tao anatin’ny herintaona monja. Ny hanakivy an’ireo firenena resy angamba no tanjony, mba tsy hiray hina hikomy amin’ny Asyrianina izy ireo.

Antsoina hoe “Pola” izy ao amin’ny andininy voalohany miresaka momba azy. (2Mp 15:19) Milaza ny 1 Tantara 5:26 fa ‘nampirisihin’Andriamanitra i Pola mpanjakan’i Asyria, dia i Tilgato-pilnesera mpanjakan’i Asyria, mba hanao sesitany’ an’ireo foko israelita sasany. Asehon’ny tantara fahiny fa i Pola tokoa no Tilgato-pilnesera. Hita ao amin’ilay “Lisitra A Misy ny Anaran’ireo Mpanjaka Babylonianina” mantsy ny anarana hoe “Polo”, izay mifanitsy amin’ny hoe “Tokoltiapilesharra” (Tiglato-pilesera) ao amin’ilay “Tantaran’ireo Mpanjaka Niara-belona.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 272, 273) Tsara homarihina koa fa milaza tokana, fa tsy milaza maro, ilay matoanteny hebreo nadika hoe “hanao sesitany.” Heverina àry fa “Pola” no anaran’ilay mpanjaka, fa novany hoe “Tiglato-pilesera” (anaran’ny mpanjaka asyrianina nalaza talohany) ilay izy rehefa lasa mpanjaka izy.

Toa variana nanamafy tsikelikely ny sisin-taniny tany atsimo sy atsinanana ary avaratra i Tiglato-pilesera III, raha vao nanjaka kelikely. Tsy ela anefa dia nikendry hanafika an’i Syria sy Palestina tany andrefana koa izy.

Noresahin’ny soratra asyrianina ny nanafihan’i Tiglato-pilesera III an’i Syria, ary voatonona ao imbetsaka ny anaran’i Azriao avy any Ia-o-da-a-a (Joda). (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 282, 283) Toa i Azaria mpanjakan’ny Joda, fantatra kokoa amin’ny hoe Ozia (829-778 T.K.), io Azriao io. Misy anefa tsy manaiky an’izany, satria, hono, nantsoina koa hoe Joda indraindray i Samʼal, fanjakana kely tany Syria. Tsy azo inoana anefa hoe mpanjaka mpanompo sampy dia hanana anarana misy hoe Jah (fanafohezana ny hoe Jehovah), sady hiara-belona amin’ilay mpanjakan’ny Joda mitovy anarana aminy. Tsy resahin’ny Baiboly koa anefa hoe nifandray tamin’i Azaria (Ozia) i Tiglato-pilesera III, ary efa potika be ihany ireo tantara an-tsoratra asyrianina.

Tonga hanafika an’i Palestina i Tiglato-pilesera III (Pola) tamin’ny andron’i Menahema mpanjakan’ny Israely (t. 790-781 T.K.). Nila sitraka taminy àry i Menahema ka nandoa hetra “talenta volafotsy arivo” (6 606 000 dolara) taminy. Afa-po tamin’iny aloha i Tiglato-pilesera ka lasa. (2Mp 15:19, 20) Milaza ireo soratra asyrianina fa nandoa hetra tamin’i Tiglato-pilesera i Me-ni-hi-im-me (Menahema), sy Rezona (Rezina) avy any Damaskosy, ary Hirama avy any Tyro.

Niray dina tamin’i Rezina mpanjakan’i Damaskosy i Peka mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda (761-746 T.K.), ka nanafika an’i Joda. (2Mp 16:5, 6; Is 7:1, 2) Efa nanome toky an’i Ahaza i Isaia mpaminany fa tsy ho ela dia ho rava tanteraka ireo fanjakana roa ireo. Naleon’i Ahaza anefa nitady vonjy tamin’i Tiglato-pilesera, ka nanome tsolotra azy. (2Mp 16:7, 8; Is 7:7-16; 8:9-13) Resahin’ny soratra asyrianina iray hoe ireto avy no hetra naloan’i Ia-o-ha-zi (Joahaza, na Ahaza) avy any Joda, sy ireo mpanjaka hafa teny amin’ny manodidina: “Volamena, volafotsy, firapotsy, vy, antimoanina [metaly fotsy manopy manga], akanjo rongony misy haingony mareva-doko, akanjo volonondry miloko volomparasy be (nataon’ny orinasany), ... zava-tsarobidy isan-karazany vita amin’ny zavatra avy any anaty ranomasina na avy etỳ an-tanety, ireo vokatry ny tany (tsara indrindra), ny harenan’ireo mpanjaka, soavaly, ramole (efa nozarina hitondra) zioga.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 282) Nanafika an’i Israely tokoa àry ilay mpanjaka asyrianina rehefa nahazo tsolotra tamin’i Ahaza, ka namabo tanàna maromaro tany avaratra. Resiny ny faritr’i Gileada sy Galilia ary Naftaly, ka Israelita maro no nataony sesitany. (2Mp 15:29; 1Ta 5:6, 26) Resiny koa i Damaskosy, ary novonoiny i Rezina Mpanjaka. Nitsidika an’i Tiglato-pilesera III tany Damaskosy i Ahaza mpanjakan’ny Joda, ka asa na ho fisaorana azy no nandehanany tany na ho mariky ny fanekeny azy.​—2Mp 16:9-12.

Naminany i Isaia fa hampiasain’i Jehovah toy ny “hareza nohofana” ny mpanjakan’i Asyria mba “hanaratana” ny fanjakan’ny Joda. (Is 7:17, 20) Tsy fantatra raha i Tiglato-pilesera III, izay nomen’i Ahaza tsolotra, ilay “hareza nohofana”, na tsia. Voalaza anefa fa tena nampahory an’i Ahaza mpanjakan’ny Joda i Tiglato-pilesera. “Tsy nahavonjy” an’i Ahaza akory ilay tsolotra nomeny. (2Ta 28:20, 21) Tamin’izay angamba no voalohany ‘nanafotra’ an’i Joda ny tafik’i Asyria. Nitohy ilay fanafihana ka ‘nisondrotra hatreny am-bozona’, tamin’ny andron’i Hezekia.​—Is 8:5-8; 2Mp 18:13, 14.

Nanoratra toy izao i Tiglato-pilesera III momba ny fanjakan’ny Israely tany avaratra: “Naongan’izy ireo i Peka (Pa-ka-ha) mpanjakany, ka i Hosea (A-o-si-ʼ) indray no nataoko mpanjakany. Talenta volamena 10 [3 853 500 dolara] sy talenta volafotsy 1000 (?) [6 606 000 dolara] no hetra naloan’izy ireo tamiko, ka nentiko tatỳ Asyria.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 284) Te hilaza àry ilay mpanjaka asyrianina fa izy no nanendry an’i Hosea ho mpanjakan’ny Israely, rehefa avy novonoin’i Hosea i Peka, mpanjaka talohany (t. 758 T.K.).​—2Mp 15:30.

Resahin’ny tantara asyrianina fahiny fa nanjaka 18 taona i Tiglato-pilesera III. Toa mihoatra noho izany anefa no nanjakany raha jerena ny Baiboly, izay miresaka momba azy nanomboka tamin’ny andron’i Menahema ka hatramin’ny andron’i Hosea. Na izany aza, dia tsy tena afaka milaza isika hoe diso ny tantara asyrianina, satria tsy mitantara ny tsipiriany rehetra ny Soratra Hebreo. Ireto avy no anton’izany: Voalohany, sarotra ihany ny mamantatra hoe taiza ho aiza teo amin’ny tantara no nitondran’ireo mpanjaka israelita. Faharoa, tsy miresaka firy momba ny fe-potoana talohan’ny nanjakan’i Tiglato-pilesera ny tantara asyrianina fahiny, ary tena nihena be ny herin’ny Fanjakana Asyrianina tamin’izany. Hoy àry ilay manam-pahaizana frantsay atao hoe Georges Roux: “Tsy nanan-kery i Asyria ... nandritra ny enina amby telopolo taona.” (Irak Fahiny) Hoy ihany izy momba an’i Asoro-nirari Faha-5, izay heverina fa mpanjaka nodimbiasan’i Tiglato-pilesera III: “Tsy sahy nivoaboaka ny lapany mihitsy izy, ary angamba maty novonoin’ireo mpanao tolom-bahoaka tao Kalho. I Tiglato-pilesera III zandriny lahy [?] indray no voatendry ho mpanjaka.” (1964, p. 251) Mety ho nanjaka mihoatra noho ny 18 taona tokoa àry i Tiglato-pilesera, ary angamba aza niara-nitondra tamin’ilay mpanjaka talohany.

Resahin’ny 2 Tantara 28:16 fa nandefa iraka “nankany amin’ireo mpanjakan’i Asyria i Ahaza Mpanjaka, mba hangataka azy ireo hanampy azy.” Amin’ny endriny milaza tokana ilay hoe “mpanjaka” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny sora-tanana tranainy hafa. Amin’ny endriny milaza maro anefa izy io ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta, sy ao amin’ny Baiboly maoderina sasany. (Kat., TV) Misy manam-pahaizana mihevitra fa teny fanajana sy fanomezam-boninahitra fotsiny an’ilay mpanjaka (Tiglato-pilesera III) nantsoina hoe “mpanjakan’ireo mpanjaka” ilay endriny milaza maro. Tsara homarihina koa anefa fa nirehareha toy izao izy io: “Tsy mpanjaka koa angaha ireo andrianako?” (Is 10:8) Mety ho nantsoina hoe “Pola mpanjakan’i Asyria” (2Mp 15:19) koa àry izy, noho izy nitondra faritany iray tany Asyria, talohan’ny naha mpanjaka azy.

Rehefa maty i Tiglato-pilesera III, dia i Salmanesera Faha-5 no nandimby azy. Mety ho nahafanta-javatra bebe kokoa momba an’i Tiglato-pilesera isika raha tsy nopotehin’i Esara-hadona, mpanjaka tatỳ aoriana, ireo teny nosoratany. Tena fanaovana tsinontsinona izany, ary tsy fahita firy teo amin’ny tantaran’i Asyria.