Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tilikambo

Tilikambo

Ilay ilany avo be miraikitra amin’ny trano na vavahady na manda. Mety hoe naorina mitokana koa anefa izy io. Matetika izy io no avo kokoa noho ny savaivony na ny sakany, ary avo kokoa noho ny manodidina azy. Efa misy fitantarana momba ny nanorenana tilikambo, taoriana kelin’ny Safodrano. Hoy ny olona teo amin’ny Lemak’i Sinara tamin’izay: “Andao isika hanorina tanàna sy hanangana tilikambo izay mahatakatra ny lanitra ny tampony.” (Ge 11:2-4) Heverina fa mitovitovy bika amin’ireo tempoly miendrika piramida hita any amin’iny faritra iny ihany io tilikambo io.​—Jereo BABELA; ARKEOLOJIA (Babylonia).

Nisy tilikambo tsotsotra naorina teny an-tanimboaloboka, mba hahafahan’ny mpiambina miaro ny voaloboka amin’ny mpangalatra sy ny biby.​—Is 5:1, 2; Mt 21:33; Mr 12:1.

Nasiana tilikambo teny amin’ny manda mba hahafahan’ny miaramila miaro ny tanàna, ka matetika no natao miavaka na lehibe kokoa ny teny amin’ny zoron’ny manda sy teo amin’ny andaniny roa teo amin’ny vavahady. (2Ta 26:9; 32:5; Ezk 26:4, 9; Ze 1:16; 3:6) Mba hiarovana ny sisin-tany, dia nasiana tilikambo maromaro nifanelanelana koa teny indraindray. Nasiana tilikambo koa teny amin’ny toerana mitokana mba hialofan’ny mpiandry ondry na olon-kafa.​—2Ta 26:10; 27:4; jereo TILIKAMBO FIAMBENANA; TOERANA VOARO MAFY.

Nisy tilikambo koa tao anaty tanàna, ka matetika izy ireny no natao ho fialofana raha misy loza, anisan’ireny ny tilikambo tao Sekema, Tebeza, ary Penoela. (Mpts 8:9, 17; 9:46-54) Nahitana tilikambo toy ireo koa tany Jeriko, Beti-sana, Lakisy, Megido, Mizpa, ary Samaria, saingy efa rava izy ireny.

Migdal no teny hebreo midika hoe “tilikambo.” (Ezk 29:10; 30:6) Ahitana azy io ao amin’ny anaran-toerana sasany, toa an’i Migdala-gada (“Tilikambon’ny Tsara Vintana”) sy Migdala-ela (“Tilikambon’Andriamanitra”).​—Js 15:37; 19:38.

Nanorina “tilikambo fanaovana fahirano” ny miaramila fahavalo indraindray rehefa hanafika tanàna voaro mafy. Amin’izay dia ambony toerana tsara ireo mpandefa zana-tsipìka sy mpitoraka vatobe. Nisy lohondry vy fandravana manda ny tilikambo sasany toy ireny, sady afaka niaro an’ireo nampiasa an’ireny fitaovana ireny.​—Is 23:13.

Tilikambon’i Jerosalema. Ny Tilikambon’ny Lafaoro izay teo avaratrandrefan’ny tanàna, teo akaikin’ny Vavahady An-jorony na teo mihitsy. (Ne 3:11; 12:38) Tsy fantatra ny tena antony niantsoana azy io toy izany, angamba nisy mpanao mofo teny akaiky teny. Angamba izy io anisan’ireo tilikambo naorin’i Ozia (mpanjaka tao Jerosalema 829 T.K.-778 T.K.). (2Ta 26:9) Nisy tilikambo roa lehibe teo amin’ny ila-manda avaratra: Ny Tilikambon’i Hananela, izay namboarina sy nohamasinina tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 3:1; 12:39; Je 31:38; Za 14:10) Teo atsinanana kelin’izy io no nisy ny Tilikambon’i Mea, teo akaikin’ny Vavahadin’ondry. Tsy fantatra hoe nahoana izy io no nantsoina hoe Mea, izay midika hoe “zato.”​—Ne 3:1; 12:39.

Nisy “tilikambo mivohitra avy eo amin’ny manda” teo amin’ny ila-manda atsinanana, teo atsimon’ny faritra nisy ny tempoly. Nisy tilikambo hafa iray teo atsimo kokoa, teo akaikin’ny lapan’i Davida. Nifanila tamin’ny Tranon’ny Mpanjaka, teo akaikin’ny Tokotanin’ny Mpiambina, io tilikambo io. (Ne 3:25-27) Misy milaza fa io ihany ilay “tilikambon’i Davida, izay vita rarivato sady ihantonan’ny ampinga arivo, dia ireo ampinga boribory rehetra fampiasan’ny lehilahy mahery.” (To 4:4) Hafa mihitsy io, ka tsy tokony hafangaro amin’ilay antsoina ankehitriny hoe Tilikambon’i Davida, izay mikambana amin’ny tilikambon’i Fazaela. Iray amin’ireo tilikambo telo naorin’i Heroda Lehibe io tilikambon’i Fazaela io. Naoriny izy io mba hiarovana ny lapany vaovao teo akaikin’ny toerana nisy ny Vavahady An-jorony teo andrefan-tanàna.

Toa teo akaikin’ny Dobon’i Siloama no nisy ny Tilikambo tao Siloama, teo amin’ny ilany atsimoatsinanan’i Jerosalema. Nilaza i Jesosy fa nianjera io tilikambo io, ka olona 18 no maty. Azo inoana fa mbola nahatsiaro an’io zava-nitranga io ireo nihaino azy.​—Lk 13:4; jereo koa ANTONIA, TILIKAMBON’I.

Tilikambo tao amin’ny tempolin’i Solomona. Ny Masina sy ny Masina Indrindra no tena nantsoina hoe tempoly, nefa nisy tilikambo fidirana (heb.: ʼehlam) lehibe koa teo anoloan’ny Masina (nanandrify ny atsinanana): 20 hakiho (8,9 m) ny lavany (nanaraka ny sakan’ny tempoly), 10 hakiho (4,5 m) ny sakany (1Mp 6:3), ary 120 hakiho (53,4 m) ny haavony. Miresaka ny refin’ny zavatra hafa anisan’ny tempoly ny andinin-teny manodidina ny 2 Tantara 3:4, izay milaza ny haavon’ilay tilikambo. Eken’ny rehetra ireo refy ireo sady mifanaraka amin’ny voalazan’ny Mpanjaka Voalohany. (Ampitahao 2Ta 3:3, 4 sy 1Mp 6:2, 3, 17, 20.) Toa efajoro àry ilay tilikambo, ary avo be raha oharina amin’ilay tempoly. Nisy andry varahina ngezabe roa (Jakina sy Boaza) teo anoloany (1Mp 7:15-22; 2Ta 3:15-17), ary nisy varavarana fidirana koa (nohidin’i Ahaza Mpanjaka izy ireo taloha, fa nosokafan’i Hezekia zanany kosa sady namboariny). (2Ta 28:24; 29:3, 7) Nahavariana ny fahitana an’ilay tilikambo avo be, indrindra rehefa notarafin’ny masoandro niposaka avy any atsinanana.

Tilikambo an’ohatra. Hoy i Davida: “Ianao [Jehovah] no fialofako, sy tilikambo mafy ho ahy, eo anoloan’ny fahavaloko.” (Sl 61:3) Tena ho voaro àry ireo mino sy mankatò an’i Jehovah. Voalaza fa “ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.” Midika izany fa tsy misy atahoran’ireo manaiky ny dikan’ny anarana hoe Jehovah, sy matoky izany, ary mitondra an’io anarana io ka tsy mivadika.​—Oh 18:10; ampit. 1Sa 17:45-47.