Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tilikambo Fiambenana

Tilikambo Fiambenana

Toeram-pitiliana naorina teny ambony mandan’ny tanàna matetika (jereo TILIKAMBO), na tany an-tany efitra, na teny amin’ny sisin-tany, ary nasiana miaramila mba hiaro tanàna na sisin-tany. Toerana fandosiran’ny mpiandry ondry sy tantsaha tany amin’ny faritra nitokana koa izy ireny. Teny ny mpitily no nahatazana an’ireo nitady handroba ny biby fiompy sy ny vokatra efa masaka, ka afaka nampitandrina an’ireo tao an-tanàna.​—2Ta 20:24; Is 21:8; 32:14.

Maro ny tanàna nantsoina hoe Mizpe (heb.: mitspeh, “Tilikambo Fiambenana”) satria avo toerana angamba, na niavaka ny tilikambony. Resahin’ny Baiboly àry indraindray ny faritra nisy azy ireny mba hanavahana azy, toy ny hoe “Mizpe any Gileada” (Mpts 11:29) sy “Mizpe any Moaba.”​—1Sa 22:3.

Nantsoina hoe “Galeda” (“Antontam-bato Vavolombelona”) sy hoe “Ny Tilikambo Fiambenana” ilay antontam-bato nataon’i Jakoba. Hoy àry i Labana: “Aoka i Jehovah hanara-maso ahy sy ianao foana rehefa tsy mifankahita isika.” (Ge 31:45-49) Ilay antontam-bato no porofo fa nijery i Jehovah raha nohajain’izy mirahalahy ilay fifanekem-pihavanana nifanaovan’izy ireo.