Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Timna

Timna

(Timnà).

1. Vadikelin’i Elifaza zanakalahin’i Esao izy sady renin’i Amaleka. (Ge 36:10-12) Mitanisa ny anaran’ireo dimy lahy zanak’i Elifaza zanak’i Esao aloha ny 1 Tantara 1:36 vao manampy hoe “Timna ary Amaleka.” Hoy i C. Keil, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Toa te hamintina hevitra fotsiny ilay mpanoratra rehefa nanampy an’ireo anarana roa hoe Timna sy Amaleka ao amin’ny bokin’ny Tantara, ary mety ho fanahy iniany izany satria efa fantatry ny mpamaky ny taranak’i Esao voalazan’ny Genesisy. Miseho amin’ny endriny (milaza vavy) koa ny anarana hoe Timna ka tsy mahatonga ny olona hihevitra azy ho zanakalahin’i Elifaza, toy ny ataon’ny mpamakafaka hevi-teny ankehitriny.” (Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky III, Tantara Voalohany, p. 53) Izy enina mirahalahy zanak’i Elifaza àry no tanisaina eo, fa i Amaleka fotsiny no marihiny hoe zanak’i Timna vadikelin’i Elifaza. Tsara hotadidina fa lasa firenena nankahala ny vahoakan’Andriamanitra i Amaleka, ka hoy i Jehovah: “Hiady amin’ny Amalekita hatramin’ny taranany fara mandimby i Jehovah.” (Ek 17:8-16) Samy miresaka momba ny renin’i Amaleka àry ny Genesisy sy ny bokin’ny Tantara. Mety ho ity Timna ity ihany ilay No. 2.

2. Zanakavavin’i Seira Horita, izany hoe anabavin’i Lotana sy ireo rahalahiny hafa zanak’i Seira. (Ge 36:20-22; 1Ta 1:39) Mety ho ity Timna ity ihany ilay No. 1.

3. Iray amin’ireo “lehibem-poko” 11 “avy tamin’i Esao” na Edoma izy, ary ny anarany no voatonona voalohany. (Ge 36:40-43; 1Ta 1:51-54) Maro ny mpandika teny mihevitra fa anaran’olona ny hoe Timna sy ireo anarana voatanisa ao amin’ireo andininy ireo. (TV, Prot., Kat., DIEM, JM) Eken’ny ankamaroan’ny olona anefa fa mety ho anarana foko na toerana koa ireny, satria milaza ilay andininy hoe “araka ny fianakaviany avy sy ny toerana nisy azy ary ny anarany.” Naleon’ny mpandika teny sasany àry nampiasa ny hoe “ny lehiben’ny tao Timna.” (JP, AT) Ahitana anaram-behivavy atao hoe Oholibama ao amin’ny Genesisy 36:41, izay anisan’io fitanisana anarana io ihany. Mety ho anaram-behivavy àry ny hoe Timna. Nisy toerana natao hoe “Tamna” tany Edoma tamin’ny andron’i Eusèbe sy Jérôme. Nilaza izy ireo fa io ilay Timna. (Onomasticon, 96, 24-27) Tsy fantatra anefa ankehitriny ny toerana nisy azy io.

4. Toerana iray teo amin’ny sisin-tanin’i Joda sy Dana. (Js 15:1, 10; 19:40-43) Misy milaza hoe tsy iza i Timna fa ilay toerana mitovitovy anarana aminy atao hoe Kirbet Tibna, any amin’ny 6 km andrefan’i Beti-semesy. Hita avy amin’ireo sisan-javatra nofongarina tao anefa fa tsy nisy na inona na inona tao talohan’ny andron’ny Romanina. Maro kosa no milaza fa tsy iza i Timna fa i Tell el-Batashi (Tel Batash), 7 km eo ho eo any andrefana avaratrandrefan’i Beti-semesy, eo amin’ny sisiny atsimon’ny lohasaha falehan-driakan’i Soreka.

Naka vady filistinina avy tao Timna i Samsona satria “nitady hirika hamelezana” an’ireo Filistinina izay nitondra ny Israely tamin’izany. Namono liona tao amin’ny tanimboaloboka tao Timna i Samsona teny an-dalana, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. (Mpts 14:1-6) Nobaboin’ny Filistinina i Timna sy ireo tanàna niankina taminy, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka.​—2Ta 28:16-19.

5. Tanàna any amin’ny faritra be tendrombohitra any Joda. Lazain’ny manam-pahaizana fa tsy iza ity Timna ity fa i Kirbet et-Tabbana (Horvat Tibnah), 3 km eo ho eo any avaratrandrefan’i Gibea (El Jabʽa). (Js 15:20, 48, 57) Toa tsy lavitra an’io Timna io i Joda no nikasa hanety ny ondriny, ary nanao firaisana tamin’i Tamara izy tany Enaima (izay eo amin’ny lalana mankany Timna), satria nihevitra azy ho mpivaro-tena.​—Ge 38:12-18.