Timnata-sera
(Timnàta-sèra).
Tanàna nomena ho lovan’i Josoa tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Nangatahiny mantsy i Timnata-sera, ka nomen’ny zanak’Israely azy “araka ny baikon’i Jehovah.” I Josoa no nanorina an’ilay tanàna, ary nalevina tao izy tatỳ aoriana. (Js 19:49, 50; 24:30) “Timnata-heresa” fa tsy “Timnata-sera”, no voalazan’ny Mpitsara 2:9 ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta sy ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tsy fantatra ny anton’io tsy fitoviana io.
Misy milaza an’i Timnata-sera ho i Kirbet Tibna, tokotokony ho 30 km any atsimoandrefan’i Sekema. Eo amin’ny sisiny andrefana amin’ilay faritra be tendrombohitra no misy an’i Kirbet Tibna, ka ahatazanana tsara ny lemaka amoron-tsiraka. Teo atsimon’i Timnata-sera (Timnata-heresa) no nisy ny Tendrombohitra Gasa, na dia tsy fantatra aza ny tena toerana nisy azy io.—Js 24:30; Mpts 2:9.