Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Timoty

Timoty

(Timòty) [Ilay Manome Voninahitra An’Andriamanitra].

Zanakalahin’ny vehivavy jiosy atao hoe Eonika. Grika ny rainy (tsy lazain’ny Soratra Masina ny anarany). Tamin’izy mbola kely dia efa nampianatra azy “ny Soratra Masina” ny reniny, ary angamba koa ny renibeny. (As 16:1; 2Ti 1:5; 3:15) Tsy fantatra hoe oviana marina i Timoty no lasa Kristianina. Efa “tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma” anefa izy, tamin’ny apostoly Paoly tonga tao Lystra (toa ny tanàna niavian’i Timoty) tamin’ny dia misionera faharoa nataony. Toa tamin’ny faramparan’ny taona 49 na voalohandohan’ny taona 50 izany no nitranga, ary 20 taona teo ho eo angamba i Timoty tamin’izay.​—As 16:2.

Mety ho tamin’izay fotoana izay ny fanahin’Andriamanitra no nampahafantatra faminaniana momba ny hoavin’i Timoty. Nametra-tanana taminy àry ny apostoly Paoly sy ny anti-panahin’ny fiangonana, ka nanokana azy hanao asa manokana ho an’ny fiangonana kristianina. (1Ti 1:18; 4:14; 2Ti 1:6; ampit. As 13:3.) Nalain’i Paoly hiaraka aminy i Timoty, ary noforany mba tsy hanafintohina ny Jiosy.​—As 16:3.

Niaraka tamin’i Paoly. Niaraka tamin’i Paoly nanao asa kristianina tany Filipy sy Tesalonika ary Beria i Timoty. (As 16:11–17:10) Tsy maintsy niala tao Beria i Paoly noho ny fanoheran’ireo Jiosy nafana fo, ka navelany tao i Silasy sy Timoty mba hikarakara an’ireo olona vao tonga mpino. (As 17:13-15) Mety ho taorian’izay i Paoly no nampilaza an’i Timoty tany Beria, mba hitsidika an’ireo rahalahy tany Tesalonika, ka handrisika azy ireo tsy hivadika na eo aza ny fahoriana. (1Te 3:1-3; jereo ATENA [Fanompoan’i Paoly tao Atena].) Toa nankany amin’i Paoly tany Korinto i Timoty, ary nitondra vaovao tsara momba ny fitiavana sy ny tsy fivadihan’ny Kristianina tany Tesalonika. (As 18:5; 1Te 3:6) Nanoratra taratasy ho an’ny Tesalonianina àry i Paoly, ka nanonona ny anaran’i Silvano (Silasy) sy Timoty tao amin’ny teny fiarahabana. Toy izany koa no nataony tao amin’ilay taratasy faharoa ho azy ireo.​—1Te 1:1; 2Te 1:1.

Niaraka tamin’i Paoly indray i Timoty tamin’ny dia misionera fahatelo nataon’ilay apostoly (taona 52-56 t.). (Ampit. As 20:4.) Tamin’i Paoly tany Efesosy (1Ko 16:8), dia hoy izy tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina: “Izany no ... anirahako an’i Timoty any aminareo, satria zanako malalako sy mendri-pitokisana ao amin’ny Tompo izy. Ary izy hampahatsiahy anareo ny fomba fiasako ao amin’i Kristy Jesosy, toy ny fomba fampianatro hatraiza hatraiza any amin’ny fiangonana rehetra.” (1Ko 4:17) Mety tsy ho tonga any Korinto anefa i Timoty matoa i Paoly nilaza tao amin’ny faran’ny taratasiny hoe: “Raha tonga any ... i Timoty, dia tandremo mba tsy hatahotra izy eo aminareo, fa manao ny asan’i Jehovah izy, tahaka ahy koa.” (1Ko 16:10) Raha nankany Korinto tokoa i Timoty, dia tsy maintsy ho talohan’ny nialan’izy sy Erasto tao Efesosy mba ho any Makedonia izany. Niaraka tamin’i Paoly tany Makedonia mantsy i Timoty tamin’i Paoly nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina (ho valin’ny tatitra nentin’i Titosy, fa tsy nentin’i Timoty). (As 19:22; 2Ko 1:1; 2:13; 7:5-7) Tsy tonga tany Korinto angamba i Timoty matoa i Paoly tsy niresaka momba izany tao amin’ny taratasiny faharoa. Tamin’izy niaraka tamin’i Paoly ihany no tany Korinto. (2Ko 1:19) Niaraka tamin’i Paoly i Timoty, tatỳ aoriana, rehefa nanoratra ny taratasiny ho an’ny Romanina i Paoly, angamba tany Korinto (tao an-tranon’i Gaio).​—Ampit. Ro 16:21, 23; 1Ko 1:14.

Anisan’ireo notononin’i Paoly tao amin’ny teny fiarahabany ny anaran’i Timoty, tamin’izy nanoratra ho an’ny Filipianina (1:1), Kolosianina (1:1), ary Filemona (and. 1). Nigadra voalohany tany Roma izy tamin’izay. Toa nigadra tany Roma koa i Timoty teo anelanelan’ny fotoana nanoratana ny taratasy ho an’ny Filipianina sy ilay ho an’ny Hebreo.​—Fi 2:19; He 13:23.

Nitana andraikitra sady nanana an’ireo toetra nilaina. Niara-niasa tamin’i Paoly indray i Timoty rehefa nivoaka ny fonja i Paoly. Nijanona tany Efesosy izy noho ny toromarik’i Paoly. (1Ti 1:1-3) Mety ho efa 30 taona teo ho eo izy tamin’izay (taona 61-64 t.), ary nanana fahefana hanendry mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana. (1Ti 5:22) Tena afaka nitana an’io andraikitra mavesatra io izy satria efa niara-niasa mafy tamin’i Paoly nandritra ny 11 taona na mahery. Hoy àry i Paoly momba azy: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo. ... Fantatrareo ... fa efa nanaporofo izy hoe mendrika ny tenany. Tahaka ny anompoan’ny zanaka ny rainy mantsy no nanompoany ahy teo amin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara.” (Fi 2:20-22) Hoy izy tamin’i Timoty: ‘Tsy mitsahatra mihitsy aho mahatsiaro anao rehefa mitalaho amim-bavaka andro aman’alina. Ary rehefa mahatsiaro ny ranomasonao aho dia maniry mafy ny hahita anao, mba hahafeno fifaliana ahy. Tsaroako mantsy ny finoana tsy mihatsaravelatsihy anananao.’​—2Ti 1:3-5.

Tia nanampy olona foana i Timoty na dia narary matetika noho ny aretim-bavony aza. (1Ti 5:23) Tena tsara toetra izy ka tsy foin’ny apostoly Paoly, izay naniry mafy ny haha teo azy talohan’ny hahafatesany. (2Ti 4:6-9) Mbola tanora ihany i Timoty, ka mety tsy ho sahiny ny nampiseho fa nanana fahefana izy. (Ampit. 1Ti 4:11-14; 2Ti 1:6, 7; 2:1.) Tsy nirehareha àry i Timoty, fa niaiky hoe voafetra ihany ny mety ho vitany.