Tirasa
(Tiràsa).
Iray amin’ireo fito lahy zanak’i Jafeta. (Ge 10:2; 1Ta 1:5) ‘Niely tany amin’ny taniny avy, araka ny fiteniny avy’ ireo firenena taranak’ireo zanak’i Jafeta, tatỳ aoriana.—Ge 10:5.
Mihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa ilay Tyrsenôi (na koa Tyrrenôi) noresahin’ny mpanoratra grika fahiny no Tirasa. Tantsambo nonina tany amin’ireo nosy sy morontsiraky ny Ranomasina Égée ny Tyrsenôi.