Tirza
(Tirzà) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mahita fahafinaretana; mankasitraka”].
1. Iray amin’ireo dimy vavy zanak’i Zelofada Manasita, velona tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa.—No 26:29, 33; 27:1-7; 36:11, 12; Js 17:3, 4.
2. Tanàna tany Samaria. Porofoin’ireo zavatra hitan’ny mpikaroka fa izy io ihany no Tell el-Farʽah, tokotokony ho 10 km any avaratra avaratratsinanan’i Sekema.
Resin’ireo Israelita notarihin’i Josoa ny mpanjakan’i Tirza. (Js 12:7, 24) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nandeha nifindra tany Tirza i Jeroboama, mpanjaka voalohany teo amin’ny fanjakana tany avaratra. (Ampit. 1Mp 12:25; 14:17.) Toa mbola i Tirza foana no renivohitry ny fanjakana tany avaratra tamin’ny andro nanjakan’i Nadaba zanakalahin’i Jeroboama (1Mp 15:25-28) sy ireo mpanjaka nandimby azy: I Basa sy Elaha ary Zimry. (1Mp 15:33; 16:5, 6, 8, 15) Namono tena tao Tirza i Zimry, ilay mpanjaka farany tamin’ireo, rehefa babon’i Omry ilay tanàna. (1Mp 16:17-20) Nanjaka enin-taona tao Tirza aloha i Omry vao nanorina an’i Samaria, ary io indray no nataony renivohitry ny fanjakany. (1Mp 16:23, 24, 29) I Menahema (lehilahy nonina tao Tirza) no lasa mpanjaka tao Samaria, 150 taona mahery tatỳ aoriana, rehefa novonoiny i Saloma.—2Mp 15:14, 17.