Titosy
(Titòsy).
Kristianina grika niara-niasa mafy tamin’ny apostoly Paoly. Toa niaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy nankany Jerosalema izy, rehefa nipoitra tany Antiokia ilay adihevitra momba ny famorana (taona t. 49). (As 15:1, 2; Ga 2:1-3) Nanompo teo anivon’ny fiangonan’i Korinto izy (taona t. 55), satria nirahin’i Paoly hamory ny fanomezana ho an’ireo rahalahy sahirana tany Jodia. Angamba koa izy nasainy nijery ny fihetsik’ilay fiangonana tamin’izy io naharay ny taratasiny voalohany. (2Ko 2:13; 8:1-6; 12:17, 18) Nihaona tany Makedonia izy sy Paoly tatỳ aoriana. Afaka nanao tatitra tsara momba ny Kristianina tany Korinto àry izy, ka faly sy nahazo fampiononana i Paoly. Lasa niraiki-po tamin’ireo Kristianina ireo i Titosy noho izy ireo nankatò. Nampahery sy nahafaly azy koa ny toe-tsaina tsaran’ireo.—2Ko 7:6, 7, 13-15.
I Titosy no nanomboka ilay famoriana, ka tian’i Paoly hamita izany izy. “Namako izy sady mpiara-miasa amiko hahasoa anareo”, hoy i Paoly tamin’ny fiangonan’i Korinto. Ny hahasoa an’ilay fiangonana no nimasoan’i Titosy, ka vonona ny ho any Korinto izy rehefa nampirisihin’i Paoly.—2Ko 8:6, 16, 17, 23.
Nafahana i Paoly taorian’ny nigadrany voalohany tao Roma, ary toa niara-nanompo taminy avy eo i Titosy sy Timoty. Navelany tao Kreta i Titosy (toa teo anelanelan’ny taona 61 sy 64), mba ‘hanitsy ireo zavatra tsy nety sy hanendry anti-panahy isan-tanàna.’ (Tit 1:4, 5) Toa tsy naharitra anefa izany, satria nasain’i Paoly nanao izay rehetra azony natao izy mba hankanesana tany aminy tany Nikopolia.—Tit 3:12.
Nankany Dalmatia i Titosy, angamba satria nasain’i Paoly nankany na nahazo alalana taminy, fony izy io nigadra fanindroany tao Roma (taona t. 65).—2Ti 4:10; jereo DALMATIA.