Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Titosy, Taratasy ho An’i

Titosy, Taratasy ho An’i

Taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Titosy mpiara-miasa taminy. Navelan’i Paoly tany Kreta izy mba ‘hanitsy ireo zavatra tsy nety sy hanendry anti-panahy’ teo anivon’ireo fiangonana. (Tit 1:1, 4, 5) Anisan’ny Baiboly io taratasy io. Ahitana azy io daholo mantsy ny lisitra malaza fahiny misy ny boky ekena ho anisan’ny Soratra Grika Kristianina, toy ilay Ampahana Kôdeksa Hitan’i Muratori natao tamin’ny taonjato faharoa.

Fotoana sy toerana nanoratana azy. Tsy nitory tao amin’ny nosy Kreta i Paoly talohan’ny nigadrany voalohany tany Roma. Taorian’ny nanafahana azy sy talohan’ny nigadrany farany izy no niaraka tamin’i Titosy tao. Mety ho teo anelanelan’ny taona 61 tany ho any sy 64 àry izy no nanoratra ilay taratasy, tany Makedonia. Toa tany koa izy tamin’izay no nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty.​—1Ti 1:3.

Zava-kendreny. Nanome tari-dalana ho an’i Titosy ilay taratasy, sady porofo fa nanohana azy i Paoly tamin’izy niantsoroka an’ireo andraikiny teo anivon’ireo fiangonana tany Kreta. Tsy mora ny asa nanendrena azy. Hoy i Paoly: “Maro mantsy no tsy manaiky hofehezina, mpanao resaka tsy misy fotony ary mpamitaka, indrindra fa ireo mifikitra amin’ny famorana. Mila tampenam-bava ireny olona ireny, satria ireny indrindra no manimba ny finoan’ny ankohonana manontolo, noho izy mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina, mba hahazoany tombony amin’ny tsy marina.” (Tit 1:10, 11) Kretanina maro no mpandainga, tendan-kanina ary kamo. Toa lasa hoatran’izany koa ny Kristianina sasany. Nananatra mafy azy ireo àry i Titosy, ary nilaza momba izay tokony hataon’ny Kristianina tanora na zokiolona, lahy na vavy, mpanompo na tsia. Tokony ho modely amin’ny asa tsara sy hanome fampianarana madio koa izy.​—1:12–3:2.

[Efajoro, pejy 1045]

HEVITRA MISONGADINA: TITOSY

Torohevitra ho an’ny anti-panahy iray namaha olana lehibe teo anivon’ny fiangonana

Nosoratan’ny apostoly Paoly taorian’ny nigadrany voalohany tany Roma

Fanendrena mpiandraikitra sy famahana olana lehibe

Nasaina nanitsy izay tsy nety sy nanendry mpiandraikitra isan-tanàna tany Kreta i Titosy (1:5)

Mpiandraikitra: Tokony ho tsy misy hokianina, tia mandray vahiny, mahay mandanjalanja, mahay mifehy tena, ary modely izy sy ny fianakaviany; tokony hampianatra ny marina, ka hahay handrisika sy hananatra an’ireo manohitra (1:6-9)

Tsy maintsy nampanginina ireo tsy nanaiky hofehezina, indrindra fa ireo nifikitra tamin’ny famorana sy nanimba ny finoan’ny ankohonana manontolo; nanarina mafy ireny mba hatanjaka amin’ny finoana ny rehetra (1:10-16)

Ialao ny fanontaniana adaladala, ny tetirazana, ary ny adihevitra momba ny Lalàna; halaviro ny olona namorona sekta rehefa avy nanarina indroa (3:9-11)

Torohevitra mahasoa ho an’ny Kristianina rehetra

Ho modely ny lehilahy zokiolona ka hahay handanjalanja, ho mato-tsaina, hisaina tsara, hanana finoana sy fitiavana ary faharetana (2:1, 2)

Ho modely koa ny vehivavy zokiolona; hampianatra zavatra tsara mba hanampiany ny vehivavy tanora ho vady sy reny miantsoroka tsara ny andraikiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra (2:3-5)

Tokony hisaina tsara ny lehilahy tanora (2:6-8)

Tokony hanaiky tsara ny tompony ny mpanompo mba handravahana ny fampianaran’Andriamanitra (2:9, 10)

Anehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ny Kristianina, ka handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, hisaina tsara eto amin’ity tontolo ity, ary hiandry amim-paharetana ny fisehoana be voninahitr’Andriamanitra sy Kristy (2:11-15)

Ekeo ny mpitondra, aza tia ady, ary aoka hahay handanjalanja sy halemy fanahy (3:1, 2)

Nanao ratsy i Paoly sy ny Kristianina hafa taloha, nefa nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ka manantena hiaina mandrakizay; antitrantero foana izany mba hampirisihana ny mpino hampifantoka ny sainy amin’ny asa tsara (3:3-8)