Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tobala

Tobala

(Tôbàla).

1. Iray amin’ireo fito lahy zanak’i Jafeta.​—Ge 10:2; 1Ta 1:5.

2. Firenena na tany miara-voatonona matetika amin’i Meseka, zanak’i Jafeta iray hafa. Nivarotra andevo sy zavatra vita amin’ny varahina tamin’i Tyro i Tobala sy Javana ary Meseka. (Ezk 27:13) Nilaza i Ezekiela ao amin’ilay hira fisaonana ho an’i Ejipta fa anisan’ireo “tsy mifora” hiara-mivalampatra amin’ny Ejipsianina any amin’ny Fasana i Tobala, noho izy nampihorohoro ny hafa. (Ezk 32:26, 27) Hiaraka amin’ny “Goga avy any amin’ny tany Magoga” hanafika ny vahoakan’i Jehovah ny mponin’i Tobala. Antsoina hoe “lehiben’ny mpiadidy ao Meseka sy Tobala” i Goga, izay “avy any amin’ny farany avaratra.” (Ezk 38:2, 3; 39:1, 2; jereo GOGA No. 2.) Naminany koa i Jehovah fa handefa iraka hanambara ny voninahiny any Tobala sy Javana ary any an-tany hafa izy.​—Is 66:19.

Tany avaratr’i Israely i Tobala, nefa tsy dia lavitra loatra matoa izy afaka nifampiraharaha ara-barotra tamin’i Tyro, tany Fenisia. Mihevitra ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa ilay firenena atao hoe Tabali ao amin’ny soratra asyrianina no Tobala. Miara-voatonona ao i Tabali sy Mosko (i Meseka angamba). (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 284) Notanisain’i Hérodote (III, 94) koa izy ireo tatỳ aoriana, saingy nataony hoe Tibareny sy Mosky. Tany avaratratsinanan’i Kilikia tany amin’ny faritra atsinanan’i Azia Minora àry no heverina fa nisy an’i Tobala (fara faharatsiny tamin’ny andron’ny Asyrianina). Manamarina ny voalazan’ny Baiboly ny fisian’ny toeram-pitrandrahana varahina any amin’io faritra io.