Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tobia

Tobia

(Tobìa) [Tsara i Jah].

1. Anisan’ny Levita nirahin’i Josafata hampianatra ny lalàn’i Jehovah tany amin’ireo tanànan’i Joda (934 T.K.).​—2Ta 17:7-9.

2. Anisan’ny Jiosy avy tany an-tsesitany. Nakana volamena sy volafotsy izy ireo, mba hanaovana satroboninahitra ho an’i Jesoa Mpisoronabe.​—Za 6:10, 11, 14.

3. Razamben’ny Jiosy sasany nody avy tany an-tsesitany izay tsy afaka nanamarina ny razambe niaviany.​—Ezr 2:1, 59, 60; Ne 7:61, 62.

4. Fahavalon’i Nehemia. “Mpanompo” na angamba manam-pahefana nofehezin’ny mpanjakan’i Persa i Tobia. (Ne 2:19) Nanambady vehivavy jiosy izy sy Johanana zanany. Havan’i Eliasiba Mpisoronabe koa i Tobia. Afaka nampihena ny fahefan’i Nehemia àry izy, satria Jiosy maro no nanaja sy nandoka azy.​—Ne 6:17-19; 13:4.

Tsy faly i Tobia sy ny namany rehefa tonga tany Jerosalema i Nehemia mba hitady izay hahasoa ny Israely. (Ne 2:9, 10) Nanamavo sy naneso an’ireo Jiosy fotsiny aloha izy ireo (Ne 2:19; 4:3), nefa lasa tezitra be rehefa nandroso ny fanorenana ny manda. Nitetika ny handripaka ny Jiosy izy ireo (Ne 4:7-9, 11, 14, 15), ary nitady hitaona an’i Nehemia hanazimbazimba ny tempoly. (Ne 6:1, 10-13) Tsy nahomby anefa izy ireo. Mbola nifandefa taratasy maro i Tobia sy ny mpomba azy tao Jerosalema mba hampahatahotra an’i Nehemia, na rehefa vita aza ny manda. (Ne 6:16-19) Nangataka tamin’i Jehovah àry izy io mba hahatsiaro ireo zava-dratsy nataon-dry Tobia. (Ne 6:14) Rehefa tonga fanindroany avy tany Babylona i Nehemia, dia hitany fa nisy efitra fisakafoana natokana ho an’i Tobia tao an-tokotanin’ny tempoly. Natsipiny avy hatrany tany ivelan’ilay efitra àry ny fanak’izy io.​—Ne 13:4-9.