Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toby

Toby

Avy amin’ny matoanteny fototeny hoe hanah (“mitoby; manangana toby”) ny teny hebreo hoe mahaneh nadika hoe “toby.” (Mpts 15:9; Ek 14:2; Ge 33:18) Ireo teny hebreo ireo no ilazana ny toerana nilasian’ny mpifindrafindra monina (Ge 32:21; 33:18), na izay nilasian’ny Israelita tany an-tany efitra ka nijanonany vetivety (No 2:17), na ny toby fiarovana ny tafika (2Mp 25:1). Parembôle ny teny grika ilazana ny hoe “toby.”​—Jereo TAFIKA.

Tobin’ny Israely. Tsy nikorontana ny Israely niala tany Ejipta, fa “nilahatra” nilamina tsara “toy ny tafika”, satria “tafik’i Jehovah.” (Ek 13:18; 12:41; 6:26) Mety ho toy ny tafika iray nizara dimy izy ireo, ka nisy ny loha laharana, ny teo afovoany, ny vodilaharana, ary ny sisiny roa. Mbola teo ambany fahefan’ny loham-pianakaviana ny Israelita tamin’izay, ka arakaraka ny foko sy fianakaviambe ny filaharany rehefa nifindra. Anisan’ny ankohonana ny mpanompo sy mpiasa ary olon-kafa niaraka tamin’ny fianakaviana. Azo inoana àry fa nampiarahina tamin’ny foko sy fianakaviana samihafa ireo “olona maro hafa firenena” niala tany Ejipta.​—Ek 12:38; No 11:4; De 29:11.

Nalamina araka ny toromarik’Andriamanitra ny toby, rehefa naorina ny tranolay masina teo am-piandohan’ny taona faharoa nialana tany Ejipta. Niavaka ilay tranolay satria nanatrika tao i Jehovah. Teo afovoan’ny toby izy io, ary nasiana tokotany. Nitodika niantsinanana tandrifin’izay nitobian’i Mosesy sy Arona ary ny mpisorona ny fidirana. (No 3:38) Toy izao kosa ny toeran’ny Levita hafa (22 000 ny lahy rehetra iray volana no ho miakatra): Teo atsimo ny Kehatita, teo andrefana ny Gersonita, ary teo avaratra ny Merarita. (No 3:23, 29, 35, 39) Tao an-tobin’ny Gersonita sy Merarita ny sarety sy biby nitondrana ny tranolay masina sy ny fitaovan’izy io. Teo akaikin’ny tranolay masina sy nanodidina azy io àry ireo voatendry hanompo tao ka niaro azy io tsy hidiran’ny olona tsy Levita, “mba tsy hisy fahatezerana hihatra amin’ny vahoaka.”​—No 1:53; 7:3-9.

Teo avaratra, atsinanana, atsimo, ary andrefan’ny tranolain’ny Levita no nitobian’ny foko 12. Toa lavitra ny tranolay masina no nisy azy ireo. Misy mpivaofy teny milaza hoe tany amin’ny 900 m tany ho any, satria tokony ho ‘roa arivo hakiho teo ho eo’ ny elanelan’ny vahoaka sy ny Vata misy ny fifanekena rehefa niampita an’i Jordana. (Js 3:4) Nozaraina efatra ny foko 12, ka nitondra ny anaran’ny foko teo afovoany ny fizarana tsirairay nisy foko telo. Joda, ohatra, no anaran’ilay fizarana teo atsinanan’ny tranolay masina, satria i Joda no teo afovoany, ary teo amin’ny andaniny roa i Isakara sy Zebolona. (No 2:3-8) Nisy 186 400 ny vatan-dehilahy 20 taona no ho miakatra tao amin’io fizarana io, tamin’ny 1512 T.K. (No 1:1-3; 2:9) Teo atsimo i Robena, ary teo anilany i Simeona sy Gada. Nisy 151 450 ny lehilahy mpiadin’izy ireo. (No 2:10-16) Taranak’i Jakoba sy Lea ary Zilpa mpanompovavin’i Lea ireo fizarana roa teo atsinanana sy atsimo ireo ary ny Levita. (Ge 35:23, 26) Samy teo atsimon’ny tranolay masina i Robena sy ny Kehatita, ka tsy mahagaga raha niara-nikomy tamin’i Kora Kehatita i Datana sy Abirama taranak’i Robena. (No 16:1) Teo andrefana kosa i Efraima, ary teo anilany ny fokon’i Manase sy Benjamina taranak’i Rahely. Nisy 108 100 ny miaramilan’izy ireo. (No 2:18-24) Teo avaratra i Dana niaraka tamin’i Asera sy Naftaly, ary 157 600 ny lehilahy mpiadin’izy ireo. (No 2:25-31) Taranak’i Bilaha mpanompovavin’i Rahely ny fokon’i Dana sy Naftaly, fa taranak’i Zilpa mpanompovavin’i Lea kosa ny fokon’i Asera.​—Ge 35:25, 26.

Tena lehibe ny tobin’ny Israely. Nisy 603 550 ny lehilahy mpiady rehetra, ankoatra ny zaza amam-behivavy, ny be taona, ny kilemaina, ny Levita 22 000, ary ireo “olona maro hafa firenena.” Mety ho 3 000 000 na mahery àry izy rehetra. (Ek 12:38, 44; No 3:21-34, 39) Tsy tena fantatra ny haben’ny toerana nisy an’ilay toby, fa samy manana ny filazany ny olona. “Nanomboka tany Beti-jesimota ka hatrany Abela-sitima” no nitobian’ny Israely tandrifin’i Jeriko, teo amin’ny Lemak’i Moaba.​—No 33:49.

Mahitsizoro na efamira ilay toby, araka ny hita matetika amin’ny sary, ka mora nalamina sy narovana. Voafaritra tsara ny sisin’ilay toby matoa voalaza hoe nisy nivoaka sy niditra tao. (Le 13:46; 16:26, 28; 17:3) Nisy “vavahady” na fidirana koa ilay izy. (Ek 32:26, 27) Nasiana lalana tao an-toby, hoy i Josèphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, III, 289 [xii, 5]) Nila nahay nandamina sy nanorina àry ny Israelita, raha te hanangana toby tao anatin’ny fotoana fohy nefa tsy nanezaka be.

Ny ‘famantarana ny fianakaviambe avy tamin’ireo ray’ teo amin’ny toby tsirairay no nahafahan’ny olona nahita hoe aiza ny toerany. (No 2:2) Midika koa hoe “saina mikopakopaka” (To 2:4) ny teny hebreo hoe degel (“fizarana misy foko telo”). Mety ho famantarana foko sy fanevam-pianakaviana àry ireo famantarana. Tsy resahin’ny Baiboly anefa ny isany sy ny paoziny.

Nahay nitondra ireo voatendry ho lehiben’ny 10, 50, 100, ary 1000 tao an-toby satria nanaiky ny fahefan’i Jehovah, sady “lehilahy mahay, matahotra an’Andriamanitra, azo itokisana, ary tsy tia tombony azo amin’ny tsy rariny.” (Ek 18:21; De 1:15) Nahay nitantana sy nandamina izy ireo, ary nitsara ara-drariny. Vetivety koa dia voampitan’izy ireo tany amin’ny vahoaka ny hafatra. Trompetra roa no notsofina rehefa hovorina teo anoloan’ny tranolay fihaonana ny fiangonana manontolo, fa trompetra iray ihany rehefa hovorina ireo mpifehy ny arivo solontenan’ny foko.​—No 1:16; 10:2-4, 7, 8.

Nisy lalàna sy fitsipika nifehy ny fiainana tao an-toby, ary nitandro ny fahasalamana sy fahadiovana izy ireny. Navoaka tany ivelan’ny toby, ohatra, izay boka, na nisy areti-mifindra, na nisy tsiranoka nivoaka tamin’ny taovam-pananahany, na nikasika faty, mandra-pilaza hoe madio izy ireo. (No 5:2, 3) Nalevina tany koa ny faty (Le 10:4, 5), ary nariana tany ny lavenon’ny biby natao sorona dorana sy ny fatin’ny biby sasany natao sorona. (Le 4:11, 12; 6:11; 8:17) Novonoina tany ivelany koa ny mpanao heloka bevava (Le 24:14; No 15:35, 36), ary nijanona tany ny babo an’ady sy ny miaramila avy niady, mandra-pahadiony.​—No 31:19.

Tena nilamina koa ilay toby rehefa nifindra lasy (in-40 teo ho eo araka ny tenin’i Mosesy ao amin’ny Nomery 33). Tsy niainga ilay toby raha tsy rehefa niakatra ilay rahona teo ambonin’ny tranolay masina. “Araka ny baikon’i Jehovah no nitobian’izy ireo, ary araka ny baikon’i Jehovah koa no niaingany.” (No 9:15-23) Trompetra volafotsy roa notefena tamin’ny marotoa no notsofina rehefa nampitaina tamin’ny rehetra ireo baikon’i Jehovah ireo (No 10:2, 5, 6), ka notsofina hamoaka feo miovaova rehefa hiainga ny toby. “Tamin’ny andro faharoapolon’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa [1512 T.K.]” no voalohany nitsofana trompetra toy izany. Ny Vata misy ny fifanekena no teo aloha indrindra. Toy izao kosa ny filaharan’ireo tao aoriana: Ny fizarana voalohany notarihin’i Joda, ary narahin’i Isakara, avy eo i Zebolona; ny Gersonita sy Merarita nitondra ny tranolay masina sy fitaovana isan-karazany; ny fizarana notarihin’i Robena, narahin’i Simeona sy Gada; ny Kehatita nitondra ny Vata masina sy ireo fitaovana tao amin’ny Masina; ny fizarana nisy an’i Efraima, narahin’i Manase sy Benjamina; farany, ny fizarana notarihin’i Dana, narahin’i Asera sy Naftaly. Ireo fizarana roa be lehilahy mpiady indrindra àry no loha laharana sy vodilaharana.​—No 10:11-28.

“Koa niala teo amin’ny tendrombohitr’i Jehovah izy ireo ka nandeha lalana telo andro. ... Ary teo ambonin’izy ireo ilay rahon’i Jehovah.” (No 10:33, 34) Nandeha telo andro ry zareo teo, ka mety ho tsy nanangana toby na tranolay masina, fa nilasy vetivety fotsiny rehefa nihinana sy rehefa natory tamin’ny alina. Tsy voalaza kosa ny halavan’ny laharan’ireo Israelita nandeha an-tongotra notarihin’ny rahona, na ny hafainganam-pandehany na ny halaviran-dalana vitany tao anatin’ny iray andro. Mety ho nandeha mora izy ireo satria niaraka tamin’ny ankizy sy biby fiompy.

Toby miaramila. Ilazana ny Etamazaoro na toby fiaingan’ireo miaramila hiantafika, toy ilay tao Gilgala sy Silo (Js 4:19; 5:10; 9:6; 10:6, 15, 43; 18:9; Mpts 21:12), na ny tafika indraindray (fa tsy ny toerana nilasiany tamin’ny alina) (Js 10:5; 11:4, 5) ny hoe “toby” raha amin’ny resaka ady. Lazaina hoe “nitoby hamely” na “nitoby hanafika” ireo miaramila nanafika tanàna. Niomana hiady kosa izy ireo rehefa hoe “nanangana toby.”​—Mpts 9:50; 1Sa 11:1; 28:4; 2Mp 25:1.

Zavatra maromaro no nojerena rehefa nifidy toerana hilasian’ny tafika, anisan’izany ny hoe aiza ny toerana avo saro-dalana, fa tsy toerana malalaka mora notafihina izay nila nambenana be. (1Sa 26:3) Nojerena koa hoe aiza no nisy rano. (2Mp 3:9) Nitoby teo amoron’ny ranon’i Meroma ireo mpanjaka nivondrona resin’i Josoa. (Js 11:5) Nitoby teo amin’ny loharanon’i Haroda ny miaramilan’i Gideona (Mpts 7:1), ary teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Besora ny ampahatelon’ny tafik’i Davida niandry an’ireo namany avy nandresy.​—1Sa 30:9, 10.

Ireto avy no mety ho natao fefy nanodidina ny toby: Entana sy sarety ary biby (toy ny nataon’ny tafik’i Saoly) (1Sa 26:5, 7), kalesy (raha nanana kalesy ilay tafika), ary lavaka sy dongon-tany indraindray (raha nijanona elaela ilay tafika). Tsy nisy ady tao an-toby, raha tsy hoe nisy nanafika tampoka angaha. (Js 11:7) Tsy natao lehibe àry ireo lavaka ary tsy natao mafy be ny fefin’ny toby.

Miresaka momba ny toby miaramilan’ny mpanompo sampy fahiny ny tantara. Ampinga, ohatra, no natao fefy nanodidina ny tobin’i Ramsès II mpanjakan’i Ejipta. Boribory ny toby voaro mafin’ny Asyrianina, ary voahodidina manda sy tilikambo. Nitodika niantsinanana daholo ny tranolay tao an-tobin’ny Persianina, ary lavaka sy fefiloha no niaro azy io. Boribory koa ny tobin’ny tafika grika, ary teo afovoany ny tranolain’ny mpitari-tafika. Rehefa nanangana toby kosa ny tafika romanina, dia nasiany lavaka lalina nanodidina azy io.