Toby Miaramila
Azo ilazana andia-miaramila mijanona maharitra ao amin’ny toby iray ny teny hebreo hoe netsiv sy ilay teny iray tarika aminy hoe mats·tsav (toby mpitily).—1Sa 14:1, 4, 6, 11, 12, 15; 2Sa 23:14.
Nisy toby miaramilan’ny Filistinina tany Israely, tamin’ny andron’i Saoly sy Davida Mpanjaka. (1Sa 10:5; 13:3, 4; 1Ta 11:16) Rehefa resin’i Davida i Syria sy Edoma, dia nasiany toby miaramila tany, mba tsy hisy ho sahy hikomy taminy. (2Sa 8:6, 14; 1Ta 18:13) Nasian’i Josafata toby koa tany Joda sy tao amin’ireo tanànan’i Efraima nobaboin’i Asa, mba hitandroana filaminana. (2Ta 17:1, 2) Tena niantoka ny fandriampahalemana sy niaro ny tombontsoan’ny mpanjaka ireny toby ireny tany amin’ireo faritra natahorana hikomy.
Nisy toby miaramilan’ny Romanina tao amin’ny Tilikambon’i Antonia teo akaikin’ny tempoly tao Jerosalema, tamin’ny taonjato voalohany. Afaka nidina haingana namonjy an’i Paoly àry ireo miaramila tao, rehefa notaritaritin’ny Jiosy tany ivelan’ny tempoly izy mba hovonoina ho faty. (As 21:31, 32) Nampiana miaramila tao amin’ilay toby, nandritra ny fetin’ny Jiosy.—Jereo ANTONIA, TILIKAMBON’I.