Toerana Avo
Matetika no misy ifandraisany amin’ny fivavahana ny teny hebreo nadika hoe “toerana avo” (bamôht). Mety hidika fotsiny koa anefa izy io hoe ambony, havoana, tendrombohitra (2Sa 1:19, 25 [ampit. 1Sa 31:8]; Am 4:13; Mi 1:3), “onjan-dranomasina avo be” (a.b.t.: toerana avon’ny ranomasina) (Jb 9:8), ary “toerana avo eny amin’ny rahona” (Is 14:14).
Mandresy tany iray no dikan’ilay hoe ‘mandeha eny amin’ireo toerana avo’ sy hoe ‘manitsaka toerana avo.’ Lasa tompon’ilay tany mantsy izay mifehy ny toerana avo rehetra ao, na havoana izany na tendrombohitra.—De 32:13; 33:29.
Foiben’ny fivavahan-diso. Tsy teny amin’ny havoana sy tendrombohitra ihany ireo toerana avo nanaovana fanompoan-tsampy, fa teny amin’ny lohasaha, renirano, tanàna, ary teny ambanin’ny hazo koa. (De 12:2; 1Mp 14:23; 2Mp 17:29; Ezk 6:3) Nisy alitara fanaovana sorona, fandoroana emboka manitra, tsato-kazo sy tsangambato masina, ary sary sokitra teny. (Le 26:30; No 33:52; De 12:2, 3; Ezk 6:6) Nahitana lehilahy sy vehivavy mpivaro-tena koa ny ankamaroan’ny toerana avo. (1Mp 14:23, 24; Ho 4:13, 14) Nanaram-po tamin’ny firaisana ny mpivavaka teny, nanao firaisana tamin’ireo mpivaro-tena ary nanao sorona ankizy.—Is 57:5; Je 7:31; 19:5.
Nisy trano na toerana masina nanompoan’ny mpisorona sy nitehirizana ny sarin’ireo andriamanitra koa teny amin’ny toerana avo. (1Mp 12:31; 13:32; 2Mp 17:29, 32; 23:19, 20; Is 16:12) Mety ho ilay toerana masina mihitsy koa anefa indraindray no natao hoe “toerana avo.” Mety ho izany no tian’i Ezekiela holazaina amin’ilay hoe toerana avo samihafa loko (Ezk 16:16), izay toy ny tranolay angamba.
Nasaina nopotehin’ny Israelita ny toerana avo masina, sy izay rehetra nisy ifandraisany tamin’ny fivavahan-diso tao amin’ilay Tany Nampanantenaina hidiran’izy ireo. (No 33:51, 52) Tsy nopotehiny anefa izany, ka niely nanerana an’ilay tany ny fivadiham-pinoana rehefa maty i Josoa sy ireo niara-belona taminy.—Mpts 2:2, 8-13; Sl 78:58.
Toerana avo neken’Andriamanitra. Nilaza ny lalàna fa teny amin’ny toerana natoron’i Jehovah ihany no tokony hanaovana fanatitra. Niaiky ny Israelita tamin’ny andron’i Josoa fa nikomy tamin’i Jehovah ny olona nanorina alitara hanolorana fanatitra dorana, raha tsy nahazo alalana. (De 12:1-14; Js 22:29) Neken’Andriamanitra anefa tatỳ aoriana ny fanolorana fanatitra tany an-toeran-kafa ankoatra ny tao amin’ny tranolay fihaonana, rehefa tsy tao intsony ny Vata masina. (1Sa 4:10, 11; 6:1, 10-14; 7:1, 2) Nisy nanao fanatitra foana tany amin’ireny toerana ireny, fa tsy hoe rehefa nisy toe-javatra naningana ihany. (1Sa 7:7-9; 10:8; 11:14, 15; 16:4, 5; 1Mp 3:3; 1Ta 21:26-30) Nisy trano azo nihinanana sorona iombonana, ohatra, teny amin’ny toerana avo tao amin’ny tanàna iray tany Zofa. Antonona lehilahy 30 teo ho eo, na mihoatra, ny efitra fisakafoana tao. Na ny ankizivavy tao an-tanàna aza nahalala fa nisy sorona natolotra tao. (1Sa 9:5, 11-13, 22-25) Mety ho fanaon’ny fianakaviana koa ny nanolotra sorona isan-taona tao an-tanànany, fa tsy tao amin’ny tranolay masina.—1Sa 20:6, 29.
Neken’i Jehovah ny fanolorana sorona teny amin’ny toerana avo, satria mbola tsy nisy trano naorina ho an’ny anarany. Teny amin’ilay toerana avo nisy ny tranolay masina tao Gibeona àry i Solomona no nanao sorona.—1Mp 3:2-4; 1Ta 16:37-40, 43; 21:29; 2Ta 1:3, 13; jereo ALITARA; FANATITRA.
Nandritra ny fanjakan’i Solomona sy ny fanjakan’ny foko folo. Nanorina toerana avo ho an’ireo andriamani-diso nivavahan’ny vadiny hafa firenena i Solomona, tamin’ireo taona faramparany nanjakany. Niala tamin’i Jehovah ny Israelita vokatr’izany ary nanompo andriamani-diso. Nirahin’i Jehovah àry i Ahia haminany fa hesorina tsy ho eo an-tanan’ny zanak’i Solomona ny foko folo, ary i Jeroboama no ho mpanjakan’izy ireo.—1Mp 11:7, 8, 30-35.
Nanome toky an’i Jeroboama i Jehovah fa haharitra ny fanjakany, raha tsy mivadika aminy izy. Nanao zanak’omby hivavahana tany Dana sy Betela anefa izy raha vao lasa mpanjaka ary nanorina toerana avo tany, satria natahotra sao hikomy ny Israelita raha niakatra tsy tapaka tany Jerosalema mba hivavaka. (1Mp 11:38; 12:26-33) Nanompo sampy teny amin’ny toerana avo foana ny vahoakan’ny fanjakan’ny foko folo. “Nanao zavatra tsy tsara teo imason’i Jehovah Andriamaniny ny zanak’Israely, sady nanorina toerana avo tany amin’ny tanànany rehetra, nanomboka teo amin’ny tilikambon’ny mpitily ka hatrany amin’ny tanàna voaro mafy.”—2Mp 17:9.
Naminany i Amosa fa ho aolo ireo “toerana avon’i Isaka.” Tsy inona izany fa ireo toerana avo masina nampiasain’ny Israelita nivadi-pinoana taranak’i Isaka avy tamin’i Jakoba (Israely) tao amin’ny fanjakan’ny foko folo. Ireo “toerana avon’i Isaka” ireo ihany ilay antsoina hoe “toerana masin’Israely.”—Am 7:9; jereo koa Ho 10:2-10.
Mbola nisy ihany ny toerana avo na dia efa nataon’ny mpanjakan’i Asyria sesitany aza ny mponin’ny fanjakan’ny foko folo. Nivavaka teny koa mantsy ireo firenen-kafa nafindran’ilay mpanjaka nankany Samaria. (2Mp 17:24, 29-32) Narodan’i Josia mpanjakan’ny Joda tsy nivadika ny alitara sy ny toerana avo tao Betela, 100 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nandoro taolam-paty teo ambonin’ilay alitara koa izy mba handotoana azy io. Nesoriny ny trano rehetra teny amin’ny toerana avo tany amin’ireo tanànan’i Samaria, ary nataony sorona (novonoiny) ny mpisorona rehetra teny. Nandoro taolam-paty teo ambonin’ireo alitara koa izy. (2Mp 23:15-20) Tanteraka àry ny faminaniana nambaran’ilay “lehilahin’Andriamanitra” tsy voalaza anarana, 300 taona mahery talohan’izay.—1Mp 13:1, 2.
Tao amin’ny fanjakan’ny Joda. Nivadi-pinoana toa an’i Solomona rainy i Rehoboama Mpanjaka, ka mbola nanorina toerana avo ihany ny vahoaka sady nanaram-po tamin’ny firaisana. (1Mp 14:21-24) “Nandeha tamin’ny fahotana rehetra efa nataon-drainy” koa i Abiama zanak’i Rehoboama nandimby azy.—1Mp 15:1-3.
Tsy nivadika tamin’i Jehovah kosa i Asa mpanjaka nandimby an’i Abiama, ka niezaka mafy nanafoana an’izay rehetra nisy ifandraisany tamin’ny fivavahan-diso. (1Mp 15:11-13) “Nesoriny tao amin’ny tanàna rehetran’ny Joda ny toerana avo sy ny fandoroana emboka manitra.” (2Ta 14:2-5) Toa mbola nisy toerana avo tavela ihany anefa. (1Mp 15:14; 2Ta 15:17) Ireo toerana avo nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso ihany angamba no nesorin’i Asa, fa tsy ireo nanompoana an’i Jehovah. Na koa nisy nanorina toerana avo indray tamin’ireo taona faramparany nanjakany, ka ireny no narodan’i Josafata mpandimby azy. Tsy foana tanteraka anefa ireny na dia tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka aza. (1Mp 22:42, 43; 2Ta 17:5, 6; 20:31-33) Tsy nahafoana an’ireo toerana avo ny fanavaozana nataon’i Asa sy Josafata, satria efa nahazo vahana tany Joda ny fivavahana teny.
Tsy nanahaka an’i Josafata rainy i Jorama Mpanjaka, fa nanao toerana avo teny amin’ny tendrombohitr’i Joda. (2Ta 21:1, 11) Nanjaka tany Joda ny fivavahan-diso tamin’ny andron’i Ahazia Mpanjaka sy Atalia, mpandrombaka fahefana sady zanakavavin’i Ahaba sy Jezebela. (2Mp 8:25-27; 2Ta 22:2-4, 10) Niezaka namerina ny fivavahana marina i Joasy raha vao lasa mpanjaka. Nivadi-pinoana indray anefa ny mponin’i Joda rehefa maty i Joiada mpisoronabe, ka tsy nesorina ny toerana avo. (2Mp 12:2, 3; 2Ta 24:17, 18) Mbola foiben’ny fivavahan-diso foana izy ireny tamin’ny andron’i Amazia sy Azaria (Ozia) ary Jotama Mpanjaka. (2Mp 14:1-4; 15:1-4, 32-35) I Ahaza, mpanjaka nandimby an’i Jotama, indray tsy vitan’ny hoe nanao sorona sy nanolotra setroka ho sorona teny amin’ny toerana avo fotsiny, fa nandoro ny zanany tao anaty afo mihitsy. (2Mp 16:2-4) Nanorina “toerana avo” hafa koa izy, “mba hanolorana setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa.”—2Ta 28:25.
Niezaka nanaisotra an’ireo toerana avo nanerana an’i Joda kosa i Hezekia Mpanjaka. (2Mp 18:1-4, 22; 2Ta 32:12) Taorian’ilay Paska lehibe tamin’ny androny, dia nandeha nanerana an’ireo tanànan’i Joda sy Benjamina sy Efraima ary Manase ny Israelita mba hanapotika an’ireo tsangambato masina, sy hikapa an’ireo tsato-kazo masina, ary handrava an’ireo toerana avo sy alitara.—2Ta 30:21, 23; 31:1.
Vetivety anefa dia nahazo vahana indray ny fivavahan-diso. Naorin’i Manase zanak’i Hezekia indray mantsy ireo toerana avo noravan-drainy. (2Mp 21:1-3; 2Ta 33:1-3) Notaominy hanao ratsy mihoatra noho izay nataon’ireo Kananita mpanompo sampy naringan’i Jehovah mihitsy aza ny vahoaka. Nanapa-kevitra ny hahatonga loza tamin’i Joda sy Jerosalema àry ilay Mahery Indrindra. (2Mp 21:9-12) Nibebaka anefa i Manase rehefa nataon’ny mpanjakan’i Asyria sesitany tany Babylona. Niezaka nanafoana an’izay rehetra nisy ifandraisany tamin’ny fivavahan-diso izy, rehefa tafaverina tany Jerosalema. Mbola nanao sorona teny amin’ny toerana avo ihany anefa ny vahoaka, saingy ho an’i Jehovah fa tsy ho an’ireo andriamani-diso. (2Ta 33:10-17) Tsy notohizin’i Amona ny fanavaozana natombok’i Manase rainy, fa vao mainka izy nampitombo heloka.—2Ta 33:21-24.
Niavaka kosa i Josia mpandimby an’i Amona, satria nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah izy sady nankatò ny lalàn’i Mosesy. Nesoriny tamin’ny asany ireo mpisoron’ny andriamani-kafa, izay nanolotra setroka ho sorona teny amin’ny toerana avo. Noravany ireo toerana avo nanerana an’i Joda sy tany amin’ireo tanànan’i Samaria. Nolotoiny koa ireo toerana nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso nampahatezitra an’i Jehovah.—2Mp 23:4-20; 2Ta 34:1-7.
Nozimbazimbain’i Josia ireo toerana avo naorin’i Solomona, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Midika izany fa na dia niezaka nandrava an’ireo toerana avo aza ny mpanjaka talohan’i Josia, dia nampiasaina indray izy ireny tatỳ aoriana. Azo inoana fa anisan’ny mpanjaka tsy nivadika nandrava an’ireny toerana nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso ireny i Asa sy Josafata.
Tsy miresaka momba ny toerana avo intsony ireo bokin’ny Mpanjaka sy Tantara, taorian’ny nanafoanan’i Josia ny fivavahan-diso. Mbola nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ihany anefa ireo mpanjaka efatra farany tany Joda, dia i Joahaza, Joiakima, Joiakina, ary Zedekia. (2Mp 23:31, 32, 36, 37; 24:8, 9, 18, 19) Nivadi-pinoana indray ny Israelita ka nampiasa an’ireo toerana avo. Naniraka an’i Ezekiela mpaminany àry i Jehovah hampitandrina azy ireo hoe: “Ho avy aho ka hamely anareo amin’ny sabatra, ary horavako tokoa ny toerana avo eo aminareo. Horavana ireo alitaranareo, ary hopotehina ny fandoroanareo emboka manitra. Hataoko miampatrampatra eo anoloan’ny sampinareo maharikoriko ny fatinareo.”—Ezk 6:3, 4.
Tsy misy firesahana intsony momba ny fivavahana teny amin’ny toerana avo, taorian’ny sesitany Ezk 6:9, 10.
tany Babylona. Nandray lesona tamin’izay nitranga mantsy ny Jiosy sisa tsy nivadika ary nanjary nahafantatra an’i Jehovah, araka ny efa voalaza mialoha.—