Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toerana Masina

Toerana Masina

Toerana natokana hivavahana amin’Andriamanitra na amin’ny sampy; fonenan’Andriamanitra. (1Ta 22:19; Is 16:12; Ezk 28:18; Am 7:9, 13) Tsy voatery ho trano manokana izy io. Mety ho ilay toerana nanorenan’i Abrahama alitara fotsiny, ohatra, ilay ‘toerana masina’ tao Sekema. (Js 24:25, 26; Ge 12:6, 7) Teny miverimberina ao amin’ny Baiboly ny hoe “toerana masina”, ary ilazana: 1) Ny tobin’ny Israely, Jerosalema, na ireo toerana masina tao; 2) ny tranolay fihaonana sy ny tempoly; 3) ny Masina Indrindra (ny efitra anatiny indrindra tao amin’ny tranolay masina sy tao amin’ny tempoly); ary 4) ny efitra voalohany tao amin’ny tranolay masina (fa tsy ilay Masina Indrindra). Ny teny manodidina no ahafantarana hoe inona ilay “toerana masina” tiana horesahina.

1. Ny tobin’ny Israely (De 23:14), ny tanin’ny Israely ary indrindra fa ny tanànan’i Jerosalema. (Ampitahao Mt 24:15 sy Lk 21:20; mariho ilay hoe “tanàna masina” ao amin’ny Mt 27:53.) Tao ny toerana masin’Andriamanitra sy nametrahany ny anarany, ary masina ny olony. (Ezk 21:2) Tokony ho masina foana ilay toby manontolo sy ilay tany nomen’Andriamanitra ny olony. Nandoto an’ilay toerana masina àry izay nanao sorona ho an’ny andriamani-diso na naloto fitondran-tena.​—Le 20:3; ampit. Le 18:21, 30; 19:30; No 5:2, 3; Je 32:34; Ezk 5:11; 23:38.

2. Ny tranolay fihaonana sy ny tempoly. Toerana masina ny tranolay masina (tranolay fihaonana) (Ek 25:8, 9; 38:24) sy ny tempoly manontolo (1Ta 28:10; 2Ta 29:5; 36:17; Ezk 24:21), anisan’izany ireo tokotaniny (As 21:28) mbamin’ireo fanaka sy fitaovana tao (No 10:21; ampit. No 3:30, 31). Teo an-tokotany ny alitara fanaovana sorona sy ny koveta varahina. Zava-masina ireo. Ny olona madio araka izay notakin’ny Lalàna ihany no nahazo nankeo amin’ny tokotanin’ny tranolay masina sy ny an’ny tempoly, tamin’ny fotoana rehetra. Tsy nahazo nikasika zava-masina na nankao amin’ny toerana masina, ohatra, ny vehivavy naloto. (Le 12:2-4) Nandoto ny tranolay masina izay Israelita naloto. (Le 15:31) Hatreo am-bavahadin’ny tokotany ihany ny boka sitrana no nahazo nitondra fanatitra rehefa nidio. (Le 14:11) Novonoina ho faty izay olona naloto nefa nihinana tamin’ny sorona iombonana tao amin’ny tranolay masina na tempoly.​—Le 7:20, 21.

Tokony hadio foana ny toerana masin’Andriamanitra. (No 19:20; Ezk 5:11) Toy ny hoe nonina tao amin’io toerana manokana io Andriamanitra, ka tokony ‘hanaja’ azy io ny Israelita. (Le 19:30; 26:2) Tsy nanana toerana masina intsony izy ireo rehefa nesorina tao amin’ny Tany Nampanantenaina ka natao sesitany. Nampanantena anefa i Jehovah fa Izy no ho “toerana masina” ho azy ireo any.​—Ezk 11:16.

Ny teny grika hoe naôs no ilazana ny tempoly sy ny trano rehetra niaraka taminy (Jn 2:20), na ny tempoly fotsiny izay nisy ny Masina sy ny Masina Indrindra nosarahin’ny ridao. (Mt 27:51) Niditra tao amin’ny Masina, ohatra, i Zakaria rehefa nankao amin’ny ‘toerana masina’ mba hanolotra emboka manitra, satria tao ny alitaran’ny emboka manitra.​—Lk 1:9-11.

3. Ny Masina Indrindra, na ilay efitra anatiny indrindra. (Le 16:16, 17, 20, 33) Antsoina koa izy io hoe “ny toerana masina [heb.: hakkôdesh, “masina”], izany hoe ao ambadiky ny ridao.” (Le 16:2) Toa izy io no tao an-tsain’i Paoly tamin’izy nilaza hoe niditra tany an-danitra i Jesosy, fa tsy tao amin’ny “toerana masina [gr.: hagia, “ireo masina”] nataon-tanana.” (He 9:24) Niresaka momba “ny toerana masina” (TV), “ny Toera-masina indrindra” (DIEM) (a.b.t.: ireo masina, na ireo toerana masina; mr., ilazana fahatsarana) i Paoly ao amin’ny Hebreo 10:19.

Ny Vata volamena misy ny fifanekena ihany no tao amin’ny Masina Indrindran’ny tranolay masina. Nisy kerobima volamena roa nanana elatra nivelatra teo ambonin’ilay Vata. (Ek 25:10-22; 26:33) Nisy kerobima lehibe roa vita tamin’ny hazo mitera-menaka ary nopetahana takela-bolamena koa tao amin’ny tempolin’i Solomona. (1Mp 6:23-28) Tsy tao amin’ny Masina Indrindra intsony anefa ilay Vata masina, taorian’ny sesitany tany Babylona.

Voaravaka kerobima natao peta-kofehy ireo lamba sy ridao tao amin’ny Masina Indrindran’ny tranolay masina. (Ek 26:1, 31, 33) Hazo sedera nopetahana takela-bolamena kosa ny rindrina sy valindrihana, tao amin’ny tempolin’i Solomona. Nasiana sary sokitra kerobima sy hazo palmie sy voatango ary felam-boninkazo ny rindrina.​—1Mp 6:16-18, 29; 2Ta 3:7, 8.

4. Ny efitra voalohany lehibe kokoa, na ny Toerana Masina, na ny Masina, fa tsy ny efitra anatiny indrindra na ny Masina Indrindra. (Ek 26:33) Roa ampahatelon’ny lavan’ny tempoly ny lavan’io efitra io. (1Mp 6:16, 17; 2Ta 3:3, 8) Ireto avy no tao amin’ny Toerana Masin’ny tranolay masina: Teo amin’ny lafiny atsimo ny fitoeran-jiro volamena (Ek 25:31-40; 40:24, 25); teo andrefana, teo anoloan’ny ridao nanoloana ny Masina Indrindra ny alitara volamena fandoroana emboka manitra (Ek 30:1-6; 40:26, 27); ary teo avaratra ny latabatry ny mofo aseho (Ek 25:23-30; 40:22, 23; He 9:2, 3). Nisy fitaovana volamena koa niaraka tamin’ireo: Vilia baolina, fihazonana lahin-jiro, sns. Ireto kosa no tao amin’ny Toerana Masin’ny tempoly: Alitara volamena, latabatra folo nasiana ny mofo aseho, ary fitoeran-jiro folo. Teo ankavanana ny fitoeran-jiro sy latabatra dimy, ary teo ankavia ny dimy.​—1Mp 7:48-50; 2Ta 4:7, 8, 19, 20.

Afaka nahita ny lamba misy sarina kerobima miloko natao peta-kofehy, teo anelanelan’ny rafitry ny tranolay masina sy teo ambony, ny mpisorona rehefa tao amin’ny Toerana Masina. (Ek 26:1, 15) Nahantona teo amin’ny andry volamena efatra ny ridao nanoloana ny Masina Indrindra, ary nisy sarina kerobima natao peta-kofehy koa. (Ek 26:31-33) Kofehy miloko isan-karazany no nanaovana ny lamba fanakonana ho an’ny fidirana amin’ny tranolay masina. (Ek 26:36) Ny rindrin’ny Toerana Masin’ny tempoly kosa nasiana sary sokitra kerobima, hazo palmie, voatango, ary felam-boninkazo natohitohy, sady nopetahana takela-bolamena.​—1Mp 6:17, 18, 22, 29.

Heviny an’ohatra. Toerana masina ny fonenan’Andriamanitra any an-danitra. Tazan’ny apostoly Jaona tao amin’io toerana masina io, tao amin’ny fahitana, ny Vata misy ny fifanekena rehefa avy notsofina ny ‘trompetra fahafito.’ (Ap 11:15, 19) Nahita anjely nivoaka avy tao koa izy, ary nahare “feo mafy” avy tao nandidy ny handrarahana ny ao anatin’ny “vilia fiton’ny” fahatezeran’Andriamanitra.​—Ap 14:15, 17; 15:5, 6, 8; 16:1, 17.

Antsoina hoe “tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana” ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba handrakofam-pahotana amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy Kristy. “Niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina” ao amin’io tempoly ara-panahy lehibe io i Kristy, “ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika.” (He 9:11, 12) Ilay mifanitsy amin’ny Masina Indrindra (ny efitra anatiny indrindra tao amin’ny tranolay masina) no nidirany, rehefa niseho teo anatrehan’i Jehovah tany an-danitra izy. (He 9:24, 25) “Tandindona fotsiny sady aloky ny zavatra any an-danitra” àry ny tranolay masina sy ny fanompoana natao tao.​—He 8:5.

Etỳ an-tany ny tokotanin’ilay tempoly ara-panahy lehibe. Nilazana toy izao i Jaona momba azy io: “Mitsangàna ka refeso ny toerana masin’ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary izay mivavaka ao. Fa ny tokotany eo ivelan’ny toerana masin’ny tempoly kosa dia avelao tanteraka ka aza refesina, satria nomena an’ireo hafa firenena izany. Ary hohitsahin’ireo hafa firenena mandritra ny roa amby efapolo volana ny tanàna masina.” (Ap 11:1, 2) Tsy ny tempolin’i Jerosalema ilay resahina eo, satria efa ho 30 taona talohan’izay izy io no rava. Etỳ an-tany koa ireo hafa firenena, ka tsy maintsy ho etỳ an-tany ilay tokotany “nomena” azy. Ny tombontsoa manokana ananan’ny Kristianina voahosotra etỳ an-tany àry ilay “tokotany.” Efa olo-marina eo imason’Andriamanitra mantsy izy ireo. Tsy ho vitan’ny hafa firenena mihitsy koa ny hanitsakitsaka toerana any an-danitra. Azony alam-baraka kosa ireo nateraky ny fanahy ho zanak’Andriamanitra, izay manantena hahazo an’ilay lova any an-danitra miaraka amin’i Kristy. (Ap 3:12) Izay nanjo an’ireo mpisorona lefitra ao amin’ny tempoly ara-panahy lehibe koa no tian’i Daniela horesahina, rehefa naminany izy fa harodana ‘ilay toerana masina efa natao mafy orina’ (Da 8:11) ary hozimbazimbaina (Da 11:31).

Mpisorona lefitr’i Kristy. Oharina amin’ny toerana masina, na tempolin’Andriamanitra, koa ny fiangonana kristianina. (1Ko 3:17; Ef 2:21, 22) “Aorina ho trano ara-panahy” ny Kristianina voahosotra raha mbola eto an-tany, “mba ho mpisorona masina” sady ho “mpisorona no mpanjaka.” (1Pe 2:5, 9; jereo TEMPOLY [Tempoly ara-panahy ny Kristianina voahosotra].) Nanompo teo an-tokotanin’ny tranolay masina sy tao amin’ny Toerana Masina ny mpisorona lefitra fahiny. Manompo eo anoloan’ilay alitara an’ohatra sy ao amin’ilay Toerana Masina an’ohatra koa ireo Kristianina mpisoron’Andriamanitra. Tsy maintsy nadio ireo mpisoron’ny Israely, ka nisasa tamin’ilay rano tao anatin’ny koveta varahina teo an-tokotany izy ireo, rehefa hanompo tao amin’ny Toerana Masina. (Ek 40:30-32) “Voasasa madio tsara” koa ny Kristianina nambara fa marina. (1Ko 6:11) Voahodidina sarina kerobima (teo amin’ny ridao) ny mpisorona israelita nanompo tao amin’ny tranolay masina. ‘Niara-napetrak’Andriamanitra teo amin’ny toerana tanan’izy ireo any amin’ny faritry ny lanitra’ koa ireo nambara fa marina, raha mbola eto an-tany, ‘noho izy ireo tafaray amin’i Kristy Jesosy.’ (Ef 2:4-6) Izao avy no ataon’izy ireo rehefa manompo: Manolotra sorona fiderana (He 13:15) sy vavaka (oharina amin’ny emboka manitra; Ap 8:4), mihinana ny sakafo ara-panahy omen’Andriamanitra (toy ireo mofo aseho nomeny ny mpisorona; Mr 2:26), ary mahazo ny fahazavan’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra (toy ny fahazavan’ny fitoeran-jiro; Sl 119:105). Manantena ny hiditra ao amin’ny tena “Masina Indrindra”, dia ny lanitra izy ireo, noho ny soron’i Jesosy Kristy.​—He 6:19, 20; 9:24; 1Pe 1:3, 4; jereo FANOMEZANA MASINA; MASINA INDRINDRA.