Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toerana Voaro Mafy

Toerana Voaro Mafy

Midika hoe toerana sarotra idirana na tsy mora itsofohana ny teny hebreo nadika hoe “toerana voaro mafy” na “tanàna misy manda.” Sarotra ny nanamafy tanàna satria nilana vola be sy miaramila ampy tsara izany, ka tsy ny tanàna rehetra no nohamafisina. Ny tanàna lehibe kokoa matetika no nasiana manda, fa tsy ireo tanàna kely kokoa niankina taminy tao amin’ilay faritra. (Js 15:45, 47; 17:11) Nandositra tao amin’ilay tanàna nisy manda àry ny mponina ka nialokaloka tao rehefa notafihin’ny fahavalo. Nohamafisina koa ny tanàna iray, raha tsara toerana mba hiarovana lalambe, loharano, lalana fivezivezen’ny mpamatsy toby miaramila, ary lalana mampifandray tanàna na firenena.

Voaro mafy ny tanàna maro tao amin’ny Tany Nampanantenaina ary avo be ny mandany. Nilaza àry ireo mpitsikilo nirahin’i Mosesy hoe “tena lehibe ireo tanàna voaro mafy” sady “misy manda manakatra ny lanitra.” Tsy ampy finoana anefa izy ireo ka nihevitra hoe tsy ho resy mihitsy ireny tanàna ireny.​—No 13:28; De 1:28.

Hektara vitsivitsy, amin’ny ankapobeny, ny velaran’ny tanàna fahiny resahin’ny Baiboly. Tena lehibe kosa ny sasany, toy ny renivohitr’i Ejipta, Asyria, Babylonia, Persa, ary Roma. Anisan’ny tanàna voaro mafy indrindra i Babylona fahiny. Natevina be ny mandany. Teo amoron’ny renirano koa ilay tanàna ka nanana rano foana, ary toy ny hadivory niaro azy ilay renirano. Nihevitra i Babylona hoe azony tazonina mandrakizay ny babo tao aminy. (Is 14:16, 17) Resy tao anatin’ny indray alina monja anefa izy io satria navilin’i Kyrosy Persianina ny ranon’i Eofrata. Niditra teo amin’ny vavahady nanamorona an’ilay renirano àry ny miaramilany ary tafiditra tao an-tanàna.​—Da 5:30.

Zavatra telo no nilain’ny tanàna voaro mafy: 1) Manda nisakana ny fahavalo, 2) fitaovam-piadiana hamaliana ny fanafihana, ary 3) rano ampy tsara. Azo natao ny nanangona sakafo rehefa nilamina ny tany, kanefa tena nilaina ny rano teny akaiky rehefa naharitra ela ny fahirano.

Hadivory sy tovon-tany. Voahodidina hadivory feno rano avy tamin’ny renirano na farihy teo akaiky ny tanàna sasany, toa an’i Babylona teo amoron’i Eofrata, sy No-amona (Thèbes) teo amoron’ny lakandranon’i Neily. (Na 3:8) Hadivory tsy nisy rano kosa no natao rehefa tsy nisy rano teny akaiky. Nasiana hadivory i Jerosalema rehefa naorina indray.​—Da 9:25.

Ny tany nesorina rehefa nandavaka hadivory no nanaovana “tovon-tany” teo akaikin’ilay hadivory. (2Sa 20:15) Norakofana rarivato ilay tovon-tany indraindray, izay nisolampy niakatra nankeo amin’ny manda naorina teo an-tampon’ilay tovon-tany. Nirefy 80 m ny sakan’ny tampon’ny hadivory hitan’ny mpikaroka teo andrefan’ny tanànan’i Hazora, 40 m ny sakan’ny fanambaniny, ary 15 m teo ho eo ny halaliny. Nirefy 15 m kosa ny tovon-tany niainga avy teo amin’ilay hadivory, ka efa ho 30 m ny haavony raha refesina avy eo amin’ny fanambanin’ilay hadivory. Teo an-tampon’ilay tovon-tany ny mandan’ilay tanàna.​—Ampit. Sl 122:7.

Sarotra niakarana ny tovon-tany toy izany, indrindra raha nitondra lohondry vy ny fahavalo. Nanorina “tovon-tany fanaovana fahirano” àry izy ireo hiakaran’ny lohondry vy. (2Sa 20:15; jereo LOHONDRY VY.) Lehibe ny hadivory ka tsy lasa lavitra ny zana-tsipìka nalefan’ny mpanafika, indrindra raha teo amin’ny fanambanin’ilay hadivory izy ireo. Variraraka koa ny zana-tsipìka, vato, ary indraindray hazo mirehitra nalefan’ny miaramila teny ambony manda tamin’ireo fahavalo nanao tovon-tany niakaran’ny lohondry vy. Tsy ny tanàna rehetra anefa no nisy hadivory na tovon-tany, fa manda fotsiny no niaro azy.

Manda. Niaro ny tanàna koa ny manda, ankoatra ny hadivory sy tovon-tany. Nisy toerana ho an’ny miaramila sy efitra fitoeran’entana ary tohatra hatreny an-tampony ny manda sy tilikambo sasany. Vatobe sy biriky ary tany no nanaovana ny manda, ary ngezabe ny vato sasany. Tsy nasiana rihitra ny vato nanaovana ny ankamaroan’ny manda voalohandohany, fa tatỳ aoriana vao nasiana ny teny anelanelan’ny vato. Tanimanga nohitsakitsahina sy nasiana rano no natao rihitra, toy ny rehefa manao biriky, mba tsy ho triatra sy ho mora rava ny manda.​—Ampit. Ezk 13:9-16; Na 3:14.

Matetika no roa sosona ny manda ka avo kokoa noho ilay ivelany ilay anatiny, ary indraindray nasiana hadivory tsy nisy rano teo anelanelany. Nisy ampahany natao mandroso kely ilay manda ivelany. Boribory na efamira ireo ampahany ireo, ary misy hoatran’ny kinifinifiny ny tampony. Afaka nitifitra avy eo àry ny mpandefa zana-tsipìka, sady afaka niafina koa mba tsy ho voan’ny zana-tsipìka sy ny vaton’ny fahavalo. Teo koa izy ireo no afaka nitazana ny teo alohany sy nitifitra an’izay fahavalo nianika na nandavaka ny manda teo ankavanana sy teo ankavia.

Natevina sy navesatra kokoa ny manda anatiny. Natao mafy sy matevina kokoa ny manda mba tsy ho mora potiky ny lohondry vy mavesatra nataon’ny firenena sasany, indrindra fa ny Asyrianina. Nirefy 4 m teo ho eo, ohatra, ny hatevin’ny manda vato tao Tell en-Nasbeh (Mizpa?), ary tombanana ho 12 m ny haavony. Nisy hoatran’ny kinifinifiny ny tampon’ilay manda, toy ny an’ny ankamaroan’ny mandan’ny tanàna ihany.

Tilikambo sy vavahady. Nasiana tilikambo koa ny manda anatiny (ankoatra ny ampahany nandroso kely sy ny tilikambo teo amin’ny manda ivelany). Avo kokoa noho ny manda ny tilikambo, ary nivohitra 3 m teo ho eo avy teo amin’ny manda indraindray. Nisy hoatran’ny kinifinifiny ny tampony, ary mety ho nisy lavaka azo nitifirana zana-tsipìka sy nanjerana vato teo ambanin’ireo kinifinifiny. Nivohitra nankany ivelany ireo tilikambo ary tsy dia nifanalavitra (mety ho takatry ny zana-tsipìka ny elanelany), ka afaka niaro ny manda manontolo ny miaramila teny amboniny. Nisy lavaka koa ny fanambanin’ny tampon’ny tilikambo, ka teo ny mpandefa zana-tsipìka no nitifitra an’ireo mpanafika terỳ ambany. Teo koa ny vato sy hazo mirehitra no nalatsaka. Miresaka imbetsaka momba ny tilikambo ny Soratra Masina. (Ne 3:1; Je 31:38; Za 14:10) Teny amin’ny tilikambo ny mpitily no nijoro ka nahatazana an’izay fahavalo nanatona.​—Is 21:8, 9.

Teo amin’ny toerana avo indrindra tao an-tanàna no nanorenana ny toerana voaro mafy, izay nisy tilikambo sy manda, saingy tsy lehibe hoatran’ny manda nanodidina ny tanàna. Tao no toerana farany azo nialokalofana sy nanoherana ny fahavalo. Rehefa nisy fahavalo tafiditra tao amin’ny tanàna nimanda, dia tsy maintsy niady tamin’izay nanohitra azy teny an-dalana izy ireo vao tonga teo amin’ilay tilikambo. Notafihin’i Abimeleka, ohatra, ny tilikambo toy izany tao Tebeza, rehefa resiny ilay tanàna. Nanjeran’ny vehivavy iray vato fikosoham-bary anefa ny lohany ka vaky ny karandohany.​—Mpts 9:50-54.

Nisy tilikambo (heb.: migdal; mr.: migdalim) naorina koa tany amin’ny toerana mitokana, mba hanaraha-maso sy hiarovana lavadrano sy loharano, lalambe, sisin-tany, lalana mampifandray tanàna na firenena, na lalana fivezivezen’ny mpamatsy toby miaramila. Nampahalaza an’i Ozia mpanjakan’ny Joda ny tilikambo naoriny tao Jerosalema sy tany an-tany efitra, izay toa nokendreny hiarovana ny lavaka nanangonany rano ho an’ny biby fiompiny. (2Ta 26:9, 10) Nahitana tilikambo maromaro toy izany tany Negeba.

Ny vavahadin’ny tanàna no mora nidirana indrindra, ka tsy maintsy narovana faran’izay mafy. Izay vavahady nilain’ny mponina mba hivoahana sy hidirana tao an-tanàna rehefa tsy nisy ady ihany àry no natao. Hazo ny vavahady, na hazo sy metaly, na mety ho norakofana metaly mba tsy ho mora may. Matetika no nisy may ny vavahady nofongarin’ny mpikaroka, satria efa nisy nandoro.​—Jereo VAVAHADY.

Anisan’ny mpanjakan’ny Joda nanorina toerana voaro mafy i Solomona, izay nanorina “tanàna voaro mafy misy manda sy vavahady misy bara hidiny”, Asa izay nanorina tanàna nisy “manda manodidina sy tilikambo ary vavahady kopa-droa misy bara hidiny”, ary Ozia izay nanorina “tilikambo tany an-tany efitra” sy nanamboatra “fitaovam-piadiana” tao Jerosalema.​—2Ta 8:3-5; 14:2, 6, 7; 26:9-15.

Fefy nataon’ny tafika nanao fahirano. Nisy tafika nanisy fefy manodidina ny tobiny, sao nanafika tampoka ireo natao fahirano na ny naman’izy ireo tany ivelany. Mety ho nasiana manda boribory na boribory lavalava koa nanodidina ny toby, ary matetika no nisy hoatran’ny kinifinifiny ilay manda sy ny tilikambony. Hazo teny amin’ny manodidina an’ilay tanàna natao fahirano no nokapaina sy nanaovana fefin’ny toby. Tsy navelan’i Jehovah hanapaka hazo fihinam-boa mba hanaovana fefy toy izany anefa ny Israelita.​—De 20:19, 20.

Hazo maranitra natao fefy manodidina. Hanangana “fefy hazo maranitra manodidina” an’i Jerosalema ny fahavalo handrava azy io, hoy i Jesosy Kristy. (Lk 19:43) Noporofoin’i Josèphe mpahay tantara fa tanteraka io faminaniana io. I Titus, hoy izy, no nanome soso-kevitra hoe hasiana fefy manodidina an’ilay tanàna, mba tsy ho afaka hivoaka tao ny Jiosy ka hilavo levona, na mba ho tratran’ny mosary izy ireo ka ho mora resy. Nekena ilay soso-kevitra ka nalamina ny tafika mba hanatanteraka ilay tetikasa. Nifaninana hamita an’ilay izy ny andian-tafika sy ny antoko-miaramila kely kokoa. Te hampifaly ny lehibeny koa ny miaramila tsirairay. Naripak’izy ireo àry ireo hazo nanodidina an’i Jerosalema, hatrany amin’ny 16 km teo ho eo. Vita tao anatin’ny telo andro monja ilay fefy nirefy 7 km mahery, hoy i Josèphe, nefa tokony ho amam-bolana vao vita! Nasiana toby miaramila 13 koa teny ivelan’ilay fefy, ka 2 km teo ho eo ny refin’ny manodidina azy ireo raha atambatra.​—Ny Adin’ny Jiosy, V, 491-511, 523 (xii, 1, 2, 4).

Zavatra hitan’ny mpikaroka. Nahavita asa fanorenana be dia be i Solomona Mpanjaka, toy ny nataon’i Davida rainy. Nanorina an’ilay tempoly tsara tarehy tao Jerosalema, ohatra, izy, ary nohamafisiny ny mandan’i Jerosalema sy ny tanànan’i Hazora, Megido, ary Gazera. Hoy ny 1 Mpanjaka 9:15: “Ary nampanantsoin’i Solomona Mpanjaka ireo voantso hanao fanompoana, mba hanao ny tranon’i Jehovah sy ny tranony ary ny Dongon-tany sy ny mandan’i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera.” Nanampy an’ireo mpikaroka io andininy io rehefa nofongariny ireo tanàna telo farany ireo. Hitan’izy ireo fa nanaraka planina iray ny fomba nanaovana ny vavahadin’ireo: 17 m avy ny sakany, nisy tilikambo efamira ny andaniny roa tamin’ny fidirana, ary avy eo nisy lalantsara 20 m ny lavany ka samy nisy efitra telo ny andaniny roa. Nitovitovy tamin’ny vavahadin’ny tempoly hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana izy ireo.​—Ezk 40:5-16.

Teo ambonin’ny manda naorin’i Solomona tany Megido sy Hazora no nanorenana manda hafa (angamba naorin’i Ahaba), izay natao matevina kokoa, satria navesatra ny lohondry vy nampiasain’ny Asyrianina tamin’izany fotoana izany.

Naorina teo ambony dongon-tany i Megido, ary nisy lava-bato teo am-pototr’ilay dongon-tany teo amin’ny ilany andrefana. Nisy lavadrano tao anatin’io lava-bato io. Nanao lavaka 30 m (tao anaty vatolampy ny 22 m) nidina hatreo amin’ny toerana nitovy haavo tamin’ilay lavadrano ny mponina. Avy teo indray izy ireo no nandavaka tionelina nirefy 67 m mandra-pahatonga teo amin’ilay lavadrano. Somary nisolampy ilay tionelina avy teo amin’ilay lavadrano hatreo amin’ny fanambanin’ilay lavaka. Nikoriana teo àry ny rano nampiasain’ny tao an-tanàna. Nofefena rindrina matevina ilay lavadrano mba tsy hisy ho tafiditra.

Mbola nahay kokoa noho ny tao Megido ireo nasain’i Hezekia nanampina ny lalan’ny rano avy tao Gihona, sy nandavaka tionelina 533 m teo ho eo hikorianan’ny rano nankao Jerosalema. Nanana rano foana àry ilay tanàna na dia natao fahirano naharitra ela aza.​—2Ta 32:30.

Matetika no nasiana lavaka fanangonan-drano ho an’ny besinimaro sy ny isan-tokantrano tao an-tanàna, mba hisy rano foana mandritra ny fahirano. Toy izao no soratra eo amin’ny tsangambato (ao amin’ny Tranombakoka Louvre any Paris izao) naorin’i Mesa, mpanjaka moabita, tao Dibona tany Moaba: “Nataoko koa ny vavahadiny sy ny tilikambony ary ny tranon’ny mpanjaka. Nanao fitehirizan-drano roa tao an-tanàna koa aho. Tsy nisy lavaka fanangonan-drano [anefa] tao an-tanàna sy teny amin’ny toerana voaro mafy, ka hoy aho tamin’ny vahoaka: ‘Samia manao lavaka fanangonan-drano ao an-tranony.’”

Heviny an’ohatra. Ny tilikambo no toeram-piarovana azo antoka indrindra tany an-tany efitra. Hoy àry ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.” Hoy koa ny Salamo faha-48: “Fantatra ho tendrombohitra fandosirana Andriamanitra, ao amin’ireo tilikambo fonenana any Ziona. Mandehana ianareo mihodidina an’i Ziona, ka isao ny tilikambony. Diniho tsara ny tovon-tany miaro azy. Ary jereo tsara ny tilikambo fonenana eo aminy, mba hotantarainareo amin’ny taranaka ho avy.” (Ampit. He 12:22.) Nazoto nanao izany ny Jiosy satria hitany hoe tanàna nisy manda fiarovana mafy i Jerosalema, sady avo toerana kokoa noho ny ankamaroan’ny renivohitra nisy hatramin’izay. Nilaza ny tenany ho “manda afo manodidina” an’i Jerosalema koa i Jehovah, hoy i Zakaria mpaminany. Antoka ho an’ny vahoakany izany hoe i Jehovah no tena miaro ny mpanompony, fa ny manda vato kosa mety ho rava.​—Sl 48:3, 11-13; Za 2:4, 5.