Tokotany Vato
Toerana vita rarivato tao Jerosalema nisy ny seza fitsarana nipetrahan’i Pontio Pilato governora romanina, tamin’izy nitsara an’i Jesosy Kristy. (Jn 19:13) “Gabata” ilay izy amin’ny teny hebreo. Tsy fantatra ny niavian’io teny io, fa mety hidika hoe “havoana”, “avo”, na “toerana malalaka” izy io. Litôstrôtôn (Tokotany Vato) kosa ilay izy amin’ny teny grika, ary angamba ilazana tokotany vita amin’ny vato samihafa loko.
Toa teo akaikin’ny “lapan’ny governora” ilay “Tokotany Vato” nitsaran’i Pilato an’i Jesosy. (Mr 15:16; Jn 19:1-13) Mety ho toerana malalaka teo anoloan’ny lapan’i Heroda Lehibe izy io. Misy koa manam-pahaizana milaza hoe toerana teo akaikin’ny Tilikambon’i Antonia (teo avaratrandrefan’ny tempoly) na tokotany afovoany tao izy io. Tsy tena fantatra anefa izay nisy azy io.—Jereo ANTONIA, TILIKAMBON’I; LAPAN’NY GOVERNORA.