Tola
(Tòla) [Lamba Mena Antitra (Mena Midorehitra)].
1. Iray amin’ireo zanakalahin’i Isakara, ary ny anarany no voatonona voalohany. Anisan’ireo niaraka tamin’ny ankohonan’i Jakoba nankany Ejipta izy tamin’ny 1728 T.K. (Ge 46:8, 13) Maro be ny taranaky ny zanakalahin’i Tola sy ny taranaky ny zafikeliny sasany ka nanjary fianakaviambe iray nantsoina hoe Tolita, tao amin’ny fokon’i Isakara.—No 26:23; 1Ta 7:1-4.
2. Mpitsara teo amin’ny Israely sady zanakalahin’i Poha. Taranak’i Isakara i Tola, kanefa nonina tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima ary tany no nalevina tatỳ aoriana. Tsy voalaza ny zavatra nataony nandritra ireo 23 taona nitsarany.—Mpts 10:1, 2.