Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tombo-kase

Tombo-kase

Fitomboka natao tamin’ny taratasy fifanekena, na natao ho fanamarinana hoe iza no tompon’ny zavatra iray na hoe tsy sandoka ilay izy. Tanimanga na savoka no nasiana ilay fitomboka. Zavatra mafy (vato, ivoara, na hazo) nisy soratra na sary sokitra mivadika ny tombo-kase fahiny. Nisy matsoko loha, efamira, miendrika varingarina na voangory na loham-biby. (Miresaka peratra fanombohan-kase ny hoe PERATRA.) Nirefy 2 ka hatramin’ny 4 sm teo ho eo ny lavan’ireo miendrika varingarina. Namela marika mitohitohy mivohitra ny tombo-kase varingarina nisy sokitra nilentika, rehefa nakodiadia teo amin’ny tanimanga lena. Azo nanatsofohana tady sy nahantona ny tombo-kase varingarina sasany noloahana teo afovoany nanaraka ny lavany.

Tombo-kase varingarina fahiny sy tanimanga nasiana fitomboka ahitana mpivavaka eo anilan’ny hazo sy vorondrano eo ambany

Nisy marika fampiasan’ny fivavahana, na sarina zavamaniry, biby, na sary tsotra ny tombo-kase tany Ejipta sy Mezopotamia. Sarina hazo misy lehilahy sy vehivavy mipetraka eo amin’ny andaniny roa ary bibilava mitsangana ao andamosin’ilay vehivavy, no eo amin’ny Tombo-kase “Fakam-panahy” babylonianina (Tranombakoka Britanika). Matetika ny tombo-kase no nisy ny anaran’ny tompony sy ny toerana notanany. Ahitana hoe “An’i Sema, mpanompon’i Jeroboama” ny tombo-kase hita tany Palestina.​—Toerana Voalazan’ny Baiboly, nataon’i C. Pfeiffer, 1966, p. 515.

Ny tombo-kase no namantarana hoe iza no tompon’ny taratasy na kitapo, na varavarana, na fasana nasiana fitomboka, sy hoe tena izy ilay izy ka tsy azo novana. (Jb 14:17; Da 6:17; Mt 27:66) Nanao taratasy fifanekena roa i Jeremia mpaminany rehefa nividy saha, ka ny iray nosoniavin’ny vavolombelona ary nasiana tombo-kase, fa ny iray kosa navela hisokatra. Angamba navalona ilay taratasy, nofatorana, ary nopetahana savoka na zavatra malemy hafa teo amin’ny tady. Teo amin’ilay savoka no nasiana tombo-kase. Azo naseho ilay taratasy nasiana tombo-kase teo anatrehan’ny vavolombelona, raha nisy niteny hoe sandoka ilay navela hisokatra. (Je 32:10-14, 44) Afaka namoaka didy ny olona nomena ny tombo-kasen’ny mpanjaka, ka ilay fitomboka no porofo fa ofisialy ilay didy. (1Mp 21:8; Es 3:10, 12; 8:2, 8, 10) Nanaiky an’izay voasoratra ny olona iray raha nanisy tombo-kase teo amin’ilay soratra. (Ne 9:38; 10:1) Misy tombo-kase ny tahon-tsiny maromaro tranainy, ka nisy nahafantarana ny tompon’ireo siny sy ny tao anatiny, ary nisy nahafantarana ny habetsahan’ny tao anatiny na ny hatsarany.

Heviny an’ohatra. Miresaka tombo-kase an’ohatra maro ny Baiboly. Voalaza, ohatra, fa ‘hasian’ny [Mesia] tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana.’ Nanatanteraka faminaniana mantsy izy ka toy ny voatomboka hoe marina sy avy amin’Andriamanitra izy ireny. (Da 9:24; ampit. Jn 3:33.) “Tombo-kasen’ny” fahamarinan’i Abrahama ny famorana, izany hoe nanaporofo fa olo-marina izy. (Ro 4:11) Nanampy Korintianina maro ho lasa mpino ny apostoly Paoly, ka izy ireny no tombo-kase nanamarina fa tena apostoly izy. (1Ko 9:1, 2) Ny fanahy masina, izay antoka mialoha ny amin’ny lova any an-danitra, no “nanisiana tombo-kase” ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (Ef 1:13, 14; 4:30) Fananan’Andriamanitra àry izy ireo (2Ko 1:21, 22), ary tena mendrika ny hiaina any an-danitra. Misy 144 000 ireo voaisy tombo-kase rehetra.​—Ap 7:2-4; 9:4.

Resahin’ny Baiboly ho toy ny voaisy tombo-kase ny zavatra nohidiana, na natao tsy hita, na natao tsiambaratelo. “Nasiana tokom-base” koa ny faminaniana raha mbola tsy nohazavaina. (Da 12:4, 9; Ap 5:1; 22:10; ampit. Is 8:16; 29:11.) ‘Nasian’i [Jehovah] tombo-kase manodidina ny kintana’, izany hoe nataony tsy hita fa notakonany rahona.​—Jb 9:7.