Tomboka Amin’ny Vy Mahamay
Ny andevon’ny firenena mpanompo sampy sasany no notombohina kisarisary samihafa tamin’ny vy mahamay. ‘Tomboka amin’ny vy mahamay [heb.: ki] no ho solon’ny hatsaran-tarehin’ny’ vehivavy niavonavona tao Joda, hoy i Jehovah, rehefa baboin’ny fahavalo sy lasa andevony izy ireo.—Is 3:24.
Notombohin’ny mpanompo teo amin’ny vatany ny anarana na sary na marika famantarana ny sampiny, ho porofon’ny fandavan-tenany ho azy io. Noraran’ny Lalàna ny manimbanimba ny vatana. (Le 19:28) Ny hany azo natao dia ny nitevika ny sofin’ny mpanompo naniry an-tsitrapo hanompo ny tompony “mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—De 15:16, 17.