Tombokavatsa
Marika na sary tsy azo kosehina atao amin’ny hoditra: Didididiana ny hoditra mba hisy holatra na asiana loko any anaty hoditra. Tsy navelan’i Jehovah nanao izany fanaon’ny firenena fahiny sasany izany ny Israelita. (Le 19:28) Nataon’ny Ejipsianina tombokavatsa teo amin’ny tratrany na sandriny indraindray ny anarana na famantarana ny andriamaniny. Tsy toy ny firenen-kafa anefa ny Israelita satria tsy nosimbany ny vatany. (De 14:1, 2) Takany koa fa tokony hohajaina izy io satria noforonin’Andriamanitra ka tokony hanomezam-boninahitra Azy.—Sl 100:3; 139:13-16; Ro 12:1.