Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tompo

Tompo

Ireto avy no antsoina hoe “tompo” ao amin’ny Soratra Hebreo sy Grika: Jehovah Andriamanitra (Ezk 3:11), Jesosy Kristy (Mt 7:21), iray amin’ireo anti-panahy hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana (Ap 7:13, 14), anjely (Ge 19:1, 2; Da 12:8), olona (1Sa 25:24; As 16:16, 19, 30), ary andriamani-diso (1Ko 8:5). Izay manana zavatra na mpanompo, na manana fahefana amin’olona na zavatra no antsoina matetika hoe ‘tompo.’ (Ge 24:9; 42:30; 45:8, 9; 1Mp 16:24; Lk 19:33; As 25:26; Ef 6:5) Nantsoin’i Saraha tamin’io anaram-boninahitra io, ohatra, ny vadiny. (Ge 18:12) Nampiasa azy io koa ny zanaka niresaka tamin-drainy (Ge 31:35; Mt 21:28, 29), sy ny zandry niresaka tamin-jokiny (Ge 32:5, 6). Toa anaram-boninahitra fanajana olona ambony, manam-pahefana, mpaminany, na mpanjaka, koa izy io. (Ge 23:6; 42:10; No 11:28; 2Sa 1:10; 2Mp 8:10-12; Mt 27:63) Nantsoina hoe ‘tompo’ kosa ny olon-tsy fantatra, ho mariky ny fahalalam-pomba.​—Jn 12:21; 20:15; As 16:30.

Jehovah Andriamanitra. “Tompon’ny lanitra sy ny tany” i Jehovah Andriamanitra, izany hoe Mpanjakan’izao Rehetra Izao, satria izy no Mpamorona. (Mt 11:25; Ap 4:11) Miantso azy hoe ‘Tompo’ ny zavaboary any an-danitra. “Nisy feo mafy tany an-danitra, nanao hoe: ‘Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny.’” (Ap 11:15) Niantso azy hoe “Tompo Fara Tampony” koa ny mpanompony tsy nivadika tetỳ an-tany, ary in-300 mahery io anaram-boninahitra io no hita ao amin’ny Baiboly. (Ge 15:2; Ap 6:10) Mety koa ny iantsoana azy hoe “ilay tena Tompo.” (Is 1:24) Izy no “Tompon’ny vokatra”, satria izy no mitarika ny asa fijinjana na fanangonana an’ireo hahazo ny fiainana. Izy àry no tokony hangatahana mpiasa maro kokoa hijinja ny vokatra.​—Mt 9:37, 38; jereo Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1859-1861.

Jesosy Kristy. Nilaza ny tenany ho “Tompon’ny sabata” i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany. (Mt 12:8) Tsy mahagaga àry raha mbola nanao ny asa nampanaovin’ilay Rainy any an-danitra ihany izy rehefa Sabata. Anisan’izany ny asa fanasitranana. (Ampit. Mt 8:16, 17.) Fantatr’i Jesosy fa “aloky ny zavatra tsara ho avy” ny Lalàn’i Mosesy, izay nitaky ny hitandremana ny Sabata. (He 10:1) Anisan’ireny “zavatra tsara ho avy” ireny koa ny Sabata iray hafa, ary i Jesosy no Tompon’izy io.​—Jereo SABATA, ANDRO (“Tompon’ny sabata”).

Nisy olon-kafa ankoatra ny mpianatr’i Jesosy niantso azy hoe “Tompo”, ho fanajana azy na ho mariky ny fahalalam-pomba. (Mt 8:2; Jn 4:11) Tsy izany fotsiny anefa no antony iantsoan’ny apostoliny azy hoe “Tompo.” Hoy mantsy i Jesosy: “Ianareo miantso ahy hoe ‘Mpampianatra’ sy ‘Tompo’, ary marina ny anareo satria izany tokoa aho.” (Jn 13:13) Mpianany ireo apostoly ireo, ka izany no maha Tompon’izy ireo azy.

Nanjary nanana heviny lehibe ilay anaram-boninahitr’i Jesosy hoe Tompo, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. Novidiny mantsy ny mpanara-dia azy rehefa maty ho sorona izy, ka lasa Tompon’izy ireo izy. (Jn 15:13, 14; 1Ko 7:23; 2Pe 2:1; Jd 4; Ap 5:9, 10) Izy koa no Mpanjaka sy Mpampakatra azy ireo, ka eken’izy ireo ho Tompony. (As 17:7; Ef 5:22-27; ampit. Jn 3:28, 29; 2Ko 11:2; Ap 21:9-14.) Tsy nivadika i Jesosy fa nanaiky hovonoina tamin’ny fomba mahamenatra teo amin’ny tsato-kazo. Namaly soa azy àry i Jehovah, ka izany no ‘nanandratany azy ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.’ (Fi 2:9-11) Tsy an-tendro-molotra fotsiny no tokony haneken’ny olona an’i Jesosy Kristy ho “Tompo.” Tsy maintsy manaiky ny toerana tanany koa izy, ary mankatò azy. (Ampit. Jn 14:21.) Hoy mantsy i Jesosy: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.”​—Mt 7:21.

Nataon’i Jehovah Andriamanitra tsy mety maty koa ilay Zanany tsy nivadika. I Jesosy Kristy, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” irery àry no Mpanjaka tsy mety maty, tsy toa an’ireo mpanjaka na tompo hatramin’izay.​—1Ti 6:14-16; Ap 19:16.

Manana ny lakilen’ny fahafatesana sy ny Fasana i Jesosy (Ap 1:17, 18), ka ho afaka hanafaka an’izay rehetra ao am-pasana (Jn 5:28, 29), ary hamonjy ny olona amin’ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama. (Ro 5:12, 18) “Tompon’ny maty” koa àry izy, ary anisan’izy ireny i Davida Mpanjaka razambeny.​—As 2:34-36; Ro 14:9.

Ho fanajana. ‘Iray ny Tompon’ny’ Kristianina, dia i Jesosy Kristy. (Ef 4:5) Tsy midika anefa izany hoe tsy mahazo miantso olon-kafa hoe “tompo” izy ireo, ho fanajana an’ilay olona sy ny fahefana ananany, na ho mariky ny fahalalam-pomba. Nilaza, ohatra, ny apostoly Petera fa modely ho an’ny vehivavy kristianina manambady i Saraha, noho izy nankatò an’i Abrahama “ka niantso azy hoe ‘tompo.’” (1Pe 3:1-6) Tsy fombafomba fotsiny akory izany. Tena vokatry ny fon’i Saraha ny fanekeny ny fahefan’ny vadiny, matoa izy niantso azy “anakampo” hoe “tompo.” (Ge 18:12) Tsy mety kosa ny iantsoana Kristianina iray hoe “Mpitarika” na “Tompo” (amin’ny heviny hoe mpitondra fivavahana), satria mpirahalahy avokoa ny Kristianina.​—Mt 23:8-10; jereo ANDRIANA MPIRAY DINA; JEHOVAH; JESOSY KRISTY.

Ny teny grika “Kyriôs.” Mpamari-toetra izy io, ary midika hoe manana hery (kyrôs) na fahefana. Ampiasaina ho toy ny anarana koa izy io. Ahitana azy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina manontolo, afa-tsy ao amin’ny taratasy ho an’i Titosy sy ny taratasin’i Jaona. ʼAdôhn izy io amin’ny teny hebreo. Zanaka noforonin’Andriamanitra sady Mpanompony i Jesosy Kristy, ka niantso an’ilay Rainy sy Andriamaniny (Jn 20:17) hoe “Tompo” (ʼAdônai na Kyriôs), izany hoe ilay manana hery sy fahefana ambony noho ny azy. Nanaiky an’Andriamanitra ho Lohany koa izy. (Mt 11:25; 1Ko 11:3) Nasandratra ho eo ankavanan-dRainy i Jesosy ka lasa “Tompon’ny tompo.” Mazava ho azy fa tsy anisan’ireny tompo ireny ny Rainy, ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.​—Ap 17:14; 19:15, 16; ampit. 1Ko 15:27, 28.

Nosoloana hoe Tompo ny anaran’Andriamanitra. Novan’ny mpanora-dalàna hoe Kyriôs (Tompo) sy Teôs (Andriamanitra) ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika), nandritra ny taonjato faharoa sy fahatelo. Nanao toy izany koa ireo mpandika ny Vulgate latinina sy ny Dikan-tenin’i Douay (mifototra amin’ny Vulgate) sy ny DIEM, ary ny maro hafa tatỳ aoriana. Nosoloana hoe “Andriamanitra” sy “Tompo” amin’ny sora-baventy ny anaran’Andriamanitra na ireo Litera Efatra.

Tsy nanao toy izany kosa ny komity nandika ny Dikan-teny Amerikanina Mahazatra tamin’ny 1901. Hoy izy io: “Nandinika tsara ireo nanavao an’ity Baiboly ity, ka niombon-kevitra fa tsy tokony harahina intsony ilay finoanoam-poana jiosy hoe masina loatra ny Anaran’Andriamanitra ka tsy azo tononina, rehefa adika amin’ny teny anglisy na amin’ny teny hafa ny Testamenta Taloha. Soa ihany fa tsy nanaraka an’io finoanoam-poana io intsony ireo Baiboly maoderina maro navoakan’ny misionera. ... Efa naverina amin’ny toerana tokony hisy azy ao amin’ny soratra masina ny anaran’Andriamanitra [Jehovah], sy ireo fomba maro samy hafa nampiasana azy.”​—AS, sasin-teny, p. 4.

Nandika an’ireo Litera Efatra tamin’ny hoe “Iaveh” na ny mitovitovy amin’izany, ny Baiboly hafa tatỳ aoriana (An, Jé, Kat., sy ny maro hafa).

Nampiasaina tao amin’ny Soratra Grika Kristianina tany am-boalohany manomboka amin’ny Matio ka hatramin’ny Apokalypsy ny hoe Jehovah, araka ny hita ao amin’ilay lahatsoratra hoe JEHOVAH (Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina). Naverin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (izay ampiasaina ato amin’ity boky ity) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina àry ny anaran’Andriamanitra. Miverina im-237 izy io ao. Nisy mpandika Baiboly hafa koa nanao toy izany, indrindra ireo nandika ny Soratra Grika ho amin’ny teny hebreo.

Hoy ny Komitin’ny Fandikana ny Baibolin’ny Tontolo Vaovao eo ambanin’ilay hoe “Famerenana An’ilay Anarana”: ‘Mba hamantarana hoe taiza avy ny anaran’Andriamanitra no nosoloana tamin’ilay teny grika hoe Κύριος sy Θεός, dia nojerenay aloha raha nampiasa teny na andinin-teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo ilay mpanoratra Baiboly. Avy eo dia nohamarininay tao amin’ny soratra hebreo raha niseho tao ilay anaran’Andriamanitra, na tsia. Izany no nahalalanay hoe iza no tiana holazaina amin’ny hoe Kyriôs sy Teôs.’ Hoy koa ilay Komity: “Tsy tianay ny hampiditra zavatra tsy tao amin’ny soratra tao am-boalohany ao amin’ny fandikan-teninay. Noho izany, dia nitandrina mafy izahay rehefa nampiasa ny anaran’Andriamanitra, ka nodinihinay tsara foana aloha ny Soratra Hebreo. Nandinika dikan-teny hebreo maro koa izahay, mba hanamarinana ny zavatra nataonay.” Voamarina ao amin’ireo dikan-teny hebreo ireo fa miverina im-237 tokoa ny anaran’Andriamanitra. Mety àry ny nataon’ilay Komity.​—Fanazavana Fanampiny (TV), p. 1857-1859.

Ny teny hebreo “Adhôn” sy “Adhônai.” Miverina in-334 ao amin’ny Soratra Hebreo ny teny hoe ʼadôhn. Midika hoe tompo na filoha izy io, ary iantsoana an’Andriamanitra na olona. Ilazana “tompo” maromaro ilay endriny milaza maro hoe ʼadônim indraindray. (Sl 136:3; Is 26:13) Ilazana fahatsarana na fahamboniana koa anefa izy io rehefa iantsoana an’Andriamanitra na olona (Sl 8:1; Ge 39:2), ka amin’ny endriny milaza tokana ny mpisolo tena na mpamari-toetra miaraka aminy. (Sl 45:11; 147:5) Samy amin’ny endriny milaza maro ny hoe “Tompo” indraindray mba hilazana an’i Jehovah sy ireo tompo maro hafa, saingy ilazana fahatsarana ny an’i Jehovah mba hanavahana azy amin’ireo tompo ireo.​—De 10:17; Sl 136:3; ampit. 1Ko 8:5, 6.

Miverina in-25 ny anaram-boninahitra hoe ʼAdôhn sy ʼAdônim ao amin’ny Baiboly, ary ilazana an’i Jehovah. Misy mpanoritra voafaritra ha (ilay) eo alohan’ilay hoe ʼAdôhn, ao amin’ny andininy sivy, ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, ka ilazana an’i Jehovah irery. (Ek 23:17; 34:23; Is 1:24; 3:1; 10:16, 33; 19:4; Mi 4:13; Ml 3:1) Tsy misy mpanoritra kosa izy io ao amin’ny andininy enina hafa. Mbola i Jehovah ihany anefa no resahina ao, satria lazaina hoe Tompon’ny tany manontolo izy. (Js 3:11, 13; Sl 97:5; 114:7; Za 4:14; 6:5) Azo antoka fa i Jehovah koa ilay ʼAdônim ao amin’ireo andininy folo ambiny, rehefa jerena ny teny manodidina.​—De 10:17; Ne 8:10; 10:29; Sl 8:1, 9; 135:5; 136:3; 147:5; Is 51:22; Ho 12:14.

Amin’ny endriny milaza maro ny teny hebreo hoe ʼadôhn rehefa misy tovana hoe ai, ary ilazana fahatsarana. Ilazana an’i Jehovah irery ny hoe ʼAdônai rehefa tsy misy tovana hafa, ary midika hoe Tompo Fara Tampony. Milaza Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (1986, Boky Faha-3, p. 157) fa “manasongadina ny hery sy ny fahefana fara tampon’i Iaveh ‘Tompo’ io teny io.” Nanaiky an’izany fahefany izany ireo olona niantso azy tamin’io anaram-boninahitra io.​—Ge 15:2, 8; De 3:24; Js 7:7.

Nihevitra ny raby jiosy tany am-piandohan’ny taonjato voalohany fa masina loatra ny anaran’Andriamanitra YHWH, ka tsy tokony hotononina. Nosoloany hoe ʼAdônai (na ʼElôhim indraindray) àry izy io, rehefa namaky mafy ny Soratra Masina izy ireo. Novan’ny Soferima, na ny mpanora-dalàna, mihitsy aza ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly, ka in-134 izy io no nosoloany hoe ʼAdônai (in-133 ao amin’ny Biblia Hebraica Stuttgartensia). Nitandrina be kosa ny Masoreta rehefa nanao dika mitovy ny Baiboly, nanomboka tamin’ny taonjato fahadimy ka hatramin’ny fahasivy. Nomarihiny teo amin’ireo Masora (fanamarihana an-tsisim-pejy) ny fanovana nataon’ny Soferima. Fantatra àry fa nisy 134 ireny fanovana ireny. (Jereo Fanazavana Fanampiny [TV], p. 1854.) Efa tao amin’ireo sora-tanana tany am-boalohany kosa ireo ʼAdônai in-306 ao amin’ny andininy hafa.

Ireo mpaminany, indrindra fa i Ezekiela, no tena nampiasa ny anaram-boninahitra hoe ʼAdônai. Nampiarahin’i Ezekiela tamin’ny anaran’Andriamanitra izy io matetika, ka lasa hoe ʼAdônai Yehvih na “Jehovah Tompo Fara Tampony.” Indraindray koa izy io nampiarahina tamin’ny anaram-boninahitra hafa, ka lasa hoe ʼAdônai Yehvih tsevaʼôht na ‘Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.’ Miverina in-16 izy io ao amin’ny Baiboly, ary ao amin’ny bokin’i Isaia sy Jeremia izy rehetra afa-tsy ny anankiroa. (Sl 69:6; Am 9:5) Hita amin’io anaram-boninahitra io fa tapa-kevitra ny hamaly an’ireo mampahory ny vahoakany i Jehovah, nefa koa tapa-kevitra ny hanasazy an’ireo mpanompony mivadika aminy. Manan-kery hanaovana izany koa izy.