Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tongotra

Tongotra

Rantsambatana ampiasain’ny olona sy ny biby mba hijoroana sy handehanana. Teny hebreo roa (regel sy shôhk) ary teny grika roa (pos sy skelôs) no nadika hoe “tongotra.” Samy ampiasaina ara-bakiteny sy an’ohatra ireo teny ireo.

Nandeha an-tongotra foana ny olona fahiny, toy ny mbola fanao any amin’ny faritra maro ankehitriny. Tsy nanao kapa ny olona tsotsotra sasany. Fiarovana ny faladia fotsiny ny kapa fanaon’ny olona tamin’izany. (Jereo KAPA.) Nanala kapa ny olona raha vao niditra ny trano. Fomba fanao sady adidy ny nanasa ny tongotry ny vahiny, ka ny tompon-trano na ny mpanompo no nanao izany. Na koa, fara faharatsiny, nomena rano hanasany tongotra ny vahiny.​—Ge 18:4; 24:32; 1Sa 25:41; Lk 7:37, 38, 44.

Nesorina ny kapa rehefa nijoro teo amin’ny tany masina. Azo antoka àry fa tsy nanao kapa ireo mpisorona rehefa nanompo tao amin’ny tranolay masina na ny tempoly. (Ek 3:5; Js 5:15) Tsy voaresaka mihitsy ny kapa, tao amin’ilay toromarika momba ny fitafian’ny mpisorona.​—Ek toko 28; jereo FIHETSIKA SY FANAO.

Nanasa ny tongotry ny mpianatra. Nampianatra ny mpianany hanetry tena sy hifanompo i Jesosy Kristy ka nanasa ny tongotr’izy ireo, na dia izy aza no Tompo. (Jn 13:5-14; ampit. 1Ti 5:9, 10.) Hoy izy tamin’izay: “Izay efa avy nandro dia tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo.” Azo inoana fa te hilaza izy hoe mila sasana matetika ny tongotry ny olona iray na dia efa nandro aza izy, satria mety hisy vovoka ny tongony raha nandeha an-tongotra izy na dia tsy nandeha lavitra aza. Rehefa avy nandro tamin’ny maraina ny mpisorona sy ny Levita niambina tao amin’ny tempoly, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia tsy nila nandro intsony izy ireo nandritra ny andro, fa ny tanany sy ny tongony ihany sisa no tokony hosasany. (Jereo koa Ek 30:19-21.) Hoy koa i Jesosy: “Efa madio ianareo, saingy tsy ianareo rehetra [i Jodasy no tao an-tsainy tamin’izay].” (Jn 13:10, 11) Toa tsy ny vatana madio ihany àry no tiany holazaina. Voalaza mantsy fa manadio ny fiangonana kristianina “amin’ny rano fandroana, amin’ny alalan’ny teny” i Jesosy, ka ny tenin’ny fahamarinana no tiana holazaina amin’izany. (Ef 5:25, 26) Noho izany, dia tokony hanetry tena koa ny mpianatr’i Jesosy, ary hikarakara izay ilain’ny rahalahin’izy ireo, indrindra fa izay ilainy ara-panahy. Hifanampy àry izy rehetra mba hadio hatrany isan’andro ka tsy ho resin’ny fakam-panahy sy ireo fandrika izay mety handoto azy eto amin’ity tontolo ity.​—He 10:22; Ga 6:1; He 12:13; jereo FANASANA TONGOTRA.

“Mandeha.” Matetika ny hoe “tongotra” no ampiasaina hilazana fomba fiainan’ny olona iray na ny toetrany, na tsara ilay izy na ratsy. (Sl 119:59, 101; Oh 1:16; 4:26; 5:5; Ro 3:15) Toy izany koa ilay teny hoe ‘mandeha.’ Voalaza, ohatra, fa ‘niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Noa’, izany hoe nanao ny sitrapon’Andriamanitra sy nankatò ny didiny foana izy. (Ge 6:9; ampit. Ef 2:1, 2.) Mitari-dalana ny tongotr’ireo mpanompony tsy mivadika Andriamanitra, ka toy ny hoe asehony azy ireo ny lalana tokony halehany mba tsy hahatonga azy ireo ho tafintohina ka ho lavo eo amin’ny lafiny ara-panahy, na ho voafandrika hanao ratsy. Arovany mihitsy aza izy ireo indraindray mba tsy ho azon’ny fahavalo. (1Sa 2:9; Sl 25:15; 119:105; 121:3; Lk 1:78, 79) Hataony mangozohozo kosa ny tongotry ny ratsy fanahy ka hivembena izy ireo ary hianjera satria ho resy. (De 32:35; Sl 9:15) Mampitandrina ny olona i Jehovah mba tsy hanana naman-dratsy na handeha amin’ny lalan-dratsy. (Oh 1:10, 15; 4:27) Milaza koa izy hoe mila mitondra tena tsara (a.b.t.: mitandrina ny tongotra) ny olona mankao an-tranon’Andriamanitra. Tokony haniry amim-pahatsorana handre sy hianatra mantsy ny olona manatona an’Andriamanitra.​—Mpto 5:1.

Heviny hafa an’ohatra. Ampiasaina an’ohatra hilazana hery sy fahakingana koa ny tongotra. Voalaza, ohatra, fa “tsy ny tanjaky ny soavaly no mahafinaritra azy [an’i Jehovah], ary tsy ny hafainganan-tongotry ny olona no ankasitrahany.” (Sl 147:10) Ilay hoe tongotra malemy ao amin’ny Ohabolana 26:7 dia ampiasaina hilazana hoe tsy afaka manao zavatra na tsy mahavita na inona na inona.

An’ohatra koa ny hevitry ny hoe “tongotra” ao amin’ireto: ‘Toerana hasiana ny tongotra’, izany hoe toeram-ponenana na trano sy tany fananan’ny olona iray (Ge 8:9; De 28:65); tany “eram-paladia”, na tany mitovy refy amin’ny sakan’ny tongotra, izany hoe sombin-tany kely indrindra mety hananan’ny olona (As 7:5; De 2:5; ampit. Js 1:3); ‘manainga tongotra’, na manombo-javatra (Ge 41:44, f.a.p.); “aza mandeha matetika mankany (a.b.t.: ataovy mahalana ny tongotrao vao mankany) an-tranon’ny namanao”, na aza hararaotina ny fahatsorany noho izy tia mandray vahiny (Oh 25:17); ‘tsy manao kapa’, na tsy asiana kapa ny tongotra mba hampisehoana hoe afa-baraka na misaona (matetika no tsy nanao kapa ireo nentina ho babo) (Is 20:2); ‘mametraka zavatra eo an-tongotr’olona’ ho fanomezana na ho fanatitra (As 5:1, 2); ‘miankohoka eo an-tongotr’olona’ ho fanajana azy (Mr 5:22); ‘atao eo ambany tongotra’, izany hoe asaina manaiky (1Ko 15:27; He 2:8); ‘manitsakitsaka na manorotoro eo ambany tongotra’, izany hoe mandresy (Ml 4:3; Ro 16:20); ‘mametraka tongotra eo amin’ny hatok’olona’ ho marika fa nandresy azy (Js 10:24); ‘manasa tongotra amin’ny ra’ na mandringana fahavalo (Sl 68:22, 23). Midika ara-bakiteny hoe “manafina tongotra” na ‘manarona tongotra’ ny hoe “mivoaka.” (Mpts 3:24; 1Sa 24:3) Faminaniana ny hoe “hanatsoboka ny tongony ao amin’ny menaka” ny fokon’i Asera. Midika izany fa hahazo ny matavy, na ny faritra lonaka be, izy eo amin’ireo foko hafan’ny Israely. (De 33:24) Nesorin’i Rota ny lamba nandrakotra ny tongotr’i Boaza, ary natory teo izy mba hiangaviana an’i Boaza hitondra loloha azy araka ny lalàna.​—Rt 3:4, 7, 8.

Tongotra “tsara tarehy.” “Tsara tarehy” no fahitan’i Jehovah ny tongotr’ireo mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Is 52:7; Ro 10:15) Nilazana ny Kristianina hoe: “Kiraroy fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotrareo.” (Ef 6:15) Ho afaka hitondra an’ilay vaovao tsara izy amin’izay. Nasain’i Jesosy nahintsan’ny mpianany ny vovoka tamin’ny tongotr’izy ireo, rehefa niala tao amin’ny trano na tanàna tsy nandray na tsy nihaino azy izy ireo. Midika izany fa navelan’izy ireo hizaka ny vokatry ny safidiny ny olona tao amin’ireo trano na tanàna ireo rehefa tonga ny fotoana amalian’Andriamanitra.​—Mt 10:14.

‘Tapaho ny tongotrao.’ Hoy i Jesosy: “Raha mahatonga anao hanota àry ny tananao na ny tongotrao, dia tapaho ka ario lavitra anao.” Tsy hoe ‘hotapahina’ ara-bakiteny akory ny tongotra. Te hilaza izy hoe aza avela hitarika anao hanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka ny rantsambatanao, ohatra hoe tanana na tongotra. Tokony hovonoina tanteraka kosa ny fironan-dratsy ao amin’ilay rantsambatana, toy ny hoe hotapahina hiala amin’ny vatana ilay rantsambatana.​—Mt 18:8; Mr 9:45; ampit. Kl 3:5.

Anisan’ny “vatana” an’ohatra. Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny vatan’olombelona ny fiangonana kristianina, ary nasongadiny fa mifampiankina ny Kristianina tsirairay eo anivony. Hoy izy: “Raha hoy ny tongotra hoe: ‘Tsy anisan’ny vatana aho satria tsy tanana’, dia tsy izany akory no tsy maha anisan’ny vatana azy.”​—1Ko 12:15.

Fitoeran-tongotr’Andriamanitra. Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra i Jehovah Mpanjaka, ary ny tany no fitoeran-tongony. (Is 66:1) Nilaza tamin’i Ziona izy fa hataony lasa tsara tarehy ny toerany masina, ary ‘homeny voninahitra ny fitoeran-tongony.’​—Is 60:13, 14; jereo RANTSANTONGOTRA; VODITONGOTRA.

Fanapahana tongotra. Toa fanaon’ny Romanina ny nanapaka ny tongotr’ireo olon-dratsy voaheloka ho faty teo amin’ny hazo fijaliana mba tsy hijaly ela loatra ireo olona ireo. Nangataka àry ny Jiosy mba hotapahin’ny miaramila ny ranjon’ireo lehilahy nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana teo anilan’i Jesosy Kristy. Tsy notapahin’izy ireo kosa ny ranjon’i Jesosy, satria hitany fa efa maty izy. Tanteraka tamin’izany ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 34:20.​—Jn 19:31-36; ampit. Ek 12:46; No 9:12.