FANAZAVANA MAHALIANA
Topy Maso Amin’ny Fiainan’i Jakoba
TIAN’ANDRIAMANITRA i Jakoba satria fatra-panaja zava-masina. (He 12:16, 17) Nomen’i Jehovah toky izy fa ny taranany no handova an’ilay tany nampanantenaina an’i Abrahama. Hoy koa i Jehovah: ‘Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao.’—Ge 28:4, 10-15.
Marina fa nanan-karem-be sy niteraka 12 lahy i Jakoba, kanefa tsy nandeha ho azy foana ny fiainany. Na izany aza, dia tsy nihena mihitsy ny finoany an’i Jehovah sy ny teniny. Hita tamin’izay nolazainy tamin’izy efa ho faty fa mbola nino an’ilay fampanantenana momba ny Mesia foana izy. (Ge 49:10) Anisan’ny taranak’i Jakoba i Jesosy Kristy, ilay hampiasain’Andriamanitra mba hitahiana ny olombelona mandrakizay.