Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torimaso

Torimaso

Lazaina hoe matory ny olona rehefa miala sasatra ka manakimpy ny masony ary tsy mahatsiaro tena. Tena mila matory ny olona mba ho velona sy ho salama foana. Nasain’i Jesosy Kristy niala sasatra kely ny mpianany, satria fantany fa zava-dehibe izany. (Mr 6:31) Mila matory sy miala sasatra na dia ny olona lavorary toa an’i Jesosy aza.​—Ampit. Mr 4:38.

Anisan’ny mahatonga ny olona hatory tsara sy ho velombelona ny hoe avy niasa mafy izy (Mpto 5:12), tsy manenjika azy ny eritreriny (ampit. Sl 32:3-5), ary tsy manahy tafahoatra izy fa matoky an’i Jehovah (Sl 3:5; 4:8; Oh 3:24-26). Mianina amin’izay tena ilainy (ampit. 1Ti 6:8) ny mpanompon’Andriamanitra, fa tsy toy ny olona sasany izay miasa mafy mandritra ny ora maro ka voatery miari-tory nefa tsy hitany akory izay tena vokany.​—Ampit. Sl 127:1, 2.

Mety tsy hahita tory ny mpanompon’Andriamanitra indraindray. Marary, ohatra, izy na mandia fotoan-tsarotra na fitsapana. Mety hoe manahy momba an’ireo mpiray finoana koa izy na mitady hevitra hampandrosoana ny fivavahana marina. (2Ko 6:3-5; 11:23, 27; ampit. Sl 132:3-5, izay ahitana teny hoe ‘matory’ saingy tsy ara-bakiteny fa midika hoe tsy manao na inona na inona.) Tsy ny fanahiana noho ny fananana anefa no tokony tsy hampahita tory azy. (Mpto 5:12; ampit. Mt 6:25-34.) Ny ratsy fanahy kosa tsy afa-po raha tsy avy manao ratsy. “Tsy matory ireny raha tsy manao ratsy, ary tsy mahita tory raha tsy manafintohina olona.”​—Oh 4:16.

Marina fa tena ilaina ny matory, nefa tsy tokony ho tia torimaso ny olona. (Oh 20:13) “Ny hakamoana mahatonga torimaso lalina”, satria rehefa kamo ny olona dia ilaozany mipetrapetra-potsiny nefa izy manan-javatra tokony hatao. (Oh 19:15) Tsy maintsy hahantra ny olona toy izany amin’ny farany.​—Oh 6:9-11; 10:5; 24:33, 34.

Tsy mba rendremana na mila matory toy ny olombelona i Jehovah Andriamanitra. Mahazo matoky àry ny mpanompony fa afaka manampy azy ireo amin’ny fotoana rehetra izy. (Sl 121:3, 4) Indraindray anefa izy dia toa mitaredretra na toa mijery fotsiny, ohatra hoe rehefa misy olona milaza ho mpanompony nefa mivadika aminy. Lazaina hoe toy ny olona matory izy amin’izay, ary amin’izay ihany. Misy antony anefa matoa izy toa mitaredretra.​—Sl 44:23; 78:65.

Torimaso ara-panahy. Nampirisika ny Kristianina tany Roma ny apostoly Paoly mba tsy hatory na hipetrapetra-potsiny na tsy hiraharaha ny andraikitr’izy ireo. Hoy izy: “Efa tonga izao ny ora tokony hifohazanareo amin’ny torimaso. Fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny fotoana nahatongavantsika ho mpino. Efa ho lasa ny alina, ka efa manakaiky ny andro. Aoka àry isika hanaisotra ny asan’ny haizina, ka hitafy ny fitaovam-piadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, ka hifady ny lanonana feno filibana sy ny fibobohan-toaka, ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna sy ny fitondran-tena baranahiny, ary ny fifamaliana sy ny fialonana.” (Ro 13:11-13; ampit. Ef 5:6-14; 1Te 5:6-8; Ap 16:15.) Izay zatra manao zava-dratsy na manely fampianaran-diso, dia azo lazaina hoe matory satria tsy manao izay mahitsy. Mila mifoha izy ireo raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra.

Ampitovina amin’ny torimaso ny fahafatesana. Voaporofo fa mizarazara ny torimaso: Rendremana aloha ny olona ary avy eo renoka be. Miverina amin’ny torimaso maivana indray izy ary lasa renoka be indray, ary mifandimbindimby toy izany foana. Tena sarotra fohazina ny olona rehefa renoka be. Tsy mahalala izay mitranga manodidina azy izy, ary tsy mahatsiaro tena mihitsy. Mitovy amin’izany ny olona maty: “Tsy mahalala na inona na inona” izy ireo. (Mpto 9:5, 10; Sl 146:4) Toy ny torimaso àry ny fahafatesan’ny olona na ny biby. (Sl 13:3; Jn 11:11-14; As 7:60 f.a.p.; 1Ko 7:39 f.a.p.; 15:51 f.a.p.; 1Te 4:13 f.a.p.) Hoy ny mpanao salamo: “Renoky ny torimaso ny mpitondra kalesy sy ny soavaly, satria noteneninao mafy, ry Andriamanitr’i Jakoba ô!” (Sl 76:6; ampit. Is 43:17.) Raha tsy teo ny fikasan’Andriamanitra hamoha ny olona matory ao amin’ny torimasom-pahafatesana, dia tsy hisy maty hatsangana mihitsy.​—Ampit. Jb 14:10-15; Je 51:39, 57; jereo FITSANGANANA AMIN’NY MATY.

Maty ny ankizivavy iray, nefa hoy i Kristy Jesosy: “Tsy maty razazavavy fa matory.” (Mt 9:24; Mr 5:39; Lk 8:52) Hanangana azy amin’ny maty mantsy i Jesosy, ka angamba izy te hilaza hoe marina fa niverina ho amin’ny tsy misy razazavavy, nefa tsy hoe ho mandrakizay, fa toy ny hoe matory izy ka hofohazina. Mbola tsy nalevina koa izy, sady mbola tsy nanomboka nihalò toy ny vatan’i Lazarosy ny vatany. (Jn 11:39, 43, 44) Afaka nilaza i Jesosy hoe matory fotsiny ilay zazavavy, satria nomen’ny Rainy fahefana hanangana ny maty i Jesosy, ary ny Rainy rahateo “mamelona ny maty ary miantso ny zavatra tsy misy ho toy ny misy.”​—Ro 4:17; ampit. Mt 22:32.

Tsara homarihina fa ampiharin’ny Soratra Masina amin’ireo maty vokatry ny fahafatesana nolovana avy tamin’i Adama ny hoe “matory.” Tsy lazaina hoe matory kosa ireo iharan’ny “fahafatesana faharoa”, fa asehon’ny Soratra Masina hoe ho ringana tanteraka, tsy hisy intsony, toy ny hoe ho kilan’ny afo tsy mety maty.​—Ap 20:14, 15; ampit. He 10:26-31, izay miresaka momba ny fahafatesana nampiharina tamin’ireo nandika ny Lalàn’i Mosesy sy ny sazy mafy kokoa ampiharina amin’izay Kristianina minia manota sy zatra manota; He 6:4-8.