Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tovon-tany

Tovon-tany

Tany na vato avangongo ho avoavo, na manda, natao manodidina ny toerana iray mba hiarovana azy.

Ny tovon-tany fanaovana fahirano (heb.: sôlelah) kosa dia tany (sy vato indraindray) navangongon’ny mpanafika teo am-pototry ny tanàna nimanda, ary natao nisolampy kely mba hiakaran’ny lohondry vy sy fitaovam-panafihana hafa. (2Sa 20:15) Vato nasiana rihitra be dia be ny tovon-tany nataon’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, tamin’izy nanao fahirano an’i Lakisy, araka ny hitan’ny mpikaroka. Tsy nahatsangana tovon-tany hanaovana fahirano an’i Jerosalema anefa izy.​—2Mp 19:32.

Nanorina tovon-tany hanaovana fahirano an’i Jerosalema sy Tyro i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. (Je 6:6; Ezk 21:22; 26:7, 8) Nanoritra ny sarin’i Jerosalema teo amin’ny biriky iray i Ezekiela ary nanangana tovon-tany hanaovana fahirano azy io, satria hotafihina toy izany izy io.​—Ezk 4:1, 2.

Toa ilay manda avo vita tamin’ny bolongam-bato ngezabe nanodidina an’i Tyro ilay tovon-tany (heb.: matsôhr) resahin’ny Zakaria 9:3, 4. Tena voaro mafy i Babylona, satria voahodidina manda biriky anatiny sy ivelany.​—Jereo BABYLONA No. 1.

Ny tany nesorina rehefa nandavaka hadivory nanodidina ny tanàna ihany indraindray no nanaovana tovon-tany (heb.: hehl) hiarovana azy. Nirefy 15 m teo ho eo ny haavon’ny tovon-tany niainga avy teo amin’ilay hadivory tao Hazora. Efa ho 30 m àry ny haavony raha refesina avy eo amin’ny fanambanin’ilay hadivory. Nisy manda sy tovon-tany koa niaro an’i Jerosalema.​—Sl 122:7; 48:13; jereo TOERANA VOARO MAFY.

Voaro tsara, toy ny hoe voahodidina manda sy tovon-tany, izay ampian’Andriamanitra na ‘vonjeny.’ Toa i Jerosalema ilay lazain’ny Isaia 26:1 hoe ‘ataon’i Jehovah manda sy tovon-tany fiarovana ho azy ny famonjena.’