Trakonitisy
(Trakônitìsy) [avy amin’ny fototeny gr. midika hoe “mikitoantoana”, mety hidika hoe faritra mikitoantoana].
Faritra niandraiketan’i Filipo, lehibem-paritra romanina, tamin’ny fotoana nanaovan’i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy ny fanompoany. I Filipo koa no niandraikitra ny faritr’i Itoria. (Lk 3:1) Ny sisin-tany avaratr’i Trakonitisy dia tokotokony ho 40 km tany atsimoatsinanan’i Damaskosy, tany amin’ny ilany avaratratsinanan’i Basana. Toy ny poara ny bikan’i Trakonitisy ary 900 km2 teo ho eo ny velarany.
Feno ranoka volkano efa mivaingana, izay misy triatra sy lavaka ny afovoan-tany, ka kely sisa ny faritra azo ambolena, sady voaloboka ihany no mba azo volena any. Faritra ngazana sy tsy mahate honina ilay izy, ary antsoin’ny Arabo hoe el Leja (midika hoe “Fiafenana”), satria any no fiafenan’ireo olon-dratsy enjehin’ny lalàna.
Toa betsaka kokoa noho ny ankehitriny ny mponin’i Trakonitisy fahiny, rehefa jerena ireo tanàna rava any. Tsy nahitana rafitra hazo mihitsy tao amin’ireo tanàna rava ireo, ka midika izany fa tsy nisy hazo naniry tany taloha, toy ny ankehitriny ihany. Azo natao tsara anefa ny niompy ondry aman’osy tany, satria ampy tsara ny rotsakorana sady maromaro ny loharano.
Indray mandeha ihany i Trakonitisy no resahin’ny Baiboly. I Strabon sy Josèphe kosa niresaka azy io imbetsaka. Avy amin’ny asa soratr’izy ireo no ahalalana fa nomen’i Aogosto mpanjaka romanina ho anisan’ny faritra nentin’i Heroda Lehibe i Trakonitisy. Rehefa maty i Heroda, dia i Filipo zanany indray no nahazo azy io ho anisan’ny faritra nentiny mandra-pahafatiny.