Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tranolay

Tranolay

Fialofana tohanana amin’ny tsato-kazo, vita amin’ny lamba na hoditra, ary azo avalona. Anisan’ny fonenana tranainy indrindra nataon’olona izy io (Ge 4:20; 9:21), ary nampiasain’ny mpifindrafindra monina tany Israely sy ny firenena manodidina azy.​—Ge 9:27; Sl 83:6.

Ahafantarana momba ny bikan’ny tranolay fahiny sy ny fampiasana azy ny Baiboly sy izay fantatra momba ny tranolain’ny Arabo ankehitriny, satria toa tsy dia niova firy izy ireny. Vita tamin’ny hodi-biby ny tranolay voalohany, hoy ny manam-pahaizana maro. (Ge 3:21; Ek 26:14) Vita amin’ny volon’osy mainty ny an’ny Arabo mpifindrafindra monina ankehitriny. (Ampit. Ek 36:14; To 1:5.) Zairina hitambatra ireo lamba volon’osy, ary atao maka endrika mahitsizoro. Atao lehibe ilay tranolay raha honenan’olona maro ary manan-katao ny tompony. Tsato-kazo maromaro (mirefy 1,5 m-2 m) no atao tohana, ka somary eo afovoany ny lava indrindra. Afatotra amin’ny fantsika be fanenjanan-day ny tadin’ny tranolay, sao azeran’ny rivotra ilay izy. (Mpts 4:21) Anantonana lamba ireo lafin’ilay tranolay ka tsy hita ny ao anatiny ary tsy idiran’ny rivotra, nefa azo ampiakarina na esorina ireo lamba rehefa mila rivotra.

Toa nisy efitra roa, fara fahakeliny, ny tranolay lehibe fahiny, ka lamba nahantona no nampisaraka azy. Mety ho efitra na tranolain’i Saraha irery ilay hoe ‘tranolainy’ (Ge 24:67), satria nisy mpanankarena nanana tranolay maromaro ka nanana ny azy ny vehivavy indraindray. (Ge 13:5; 31:33) Namelarana tsihy angamba teo ambany.

Tranolay fa tsy trano tao an-tanàna no fonenan’ny mpifindrafindra monina. “Nitoetra an-tranolay”, ohatra, i Abrahama fony izy ‘niandry an’ilay tanàna manana fototra tena izy.’ (He 11:9, 10) Toa trano kosa fa tsy tranolay no nipetrahan’ny Israelita tany Ejipta. (Ek 12:7) Nitoetra an-tranolay indray anefa izy ireo rehefa niala tany (Ek 16:16), sy rehefa tany an-tany efitra 40 taona. (Le 14:8; No 16:26) Ny “tranolay masina” sy ny tranolain’i Mosesy no tena niavaka tany an-tany efitra.​—Ek 25:8, 9; 26:1; 33:7; jereo TRANOLAY FIHAONANA; TRANOLAY MASINA.

Mbola nampiasa tranolay ny mpiandry ondry na ny mpamboly teny an-tsaha, rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita. (To 1:8) Toa tranolay toy ireny no resahin’ny Zakaria 12:7, satria ireny no nila fiarovana voalohany raha notafihin’ny fahavalo ny tanànan’i Jerosalema. Nampiasa tranolay koa ny mpitari-tafika sy ny tafika rehefa nandeha lavitra.​—1Sa 17:54; 2Mp 7:7; ampit. Da 11:45.

Efa nampiasa tranolay hatry ny ela ny Israelita, ka na trano aza atao hoe ‘tranolay’ ao amin’ny tononkalo.​—Ek 12:23, 30; 1Sa 13:2; 1Mp 12:16; Sl 78:51.

Heviny an’ohatra. Fantatry ny Israelita tsara ny tranolay matoa resahin’ny Baiboly an’ohatra imbetsaka. Hoy i Hezekia rehefa ho faty: “Nongotana sy nesorina tamiko toy ny tranolain’ny mpiandry ondry ny fonenako.” (Is 38:12) Azo ravana sy esorina haingana ny tranolay rehefa ongotana ny tsato-kazo sy fantsika fanantonana azy. Toa mihelina sady mora alana amin’ny tanin’ny velona koa àry i Hezekia. Noharin’i Elifaza tamin’ny fanatsoahana tady fanenjanan-day sy fandravana tranolay ny fahafatesana.​—Jb 4:21.

Toy ny tranolay koa ny vatan’ny Kristianina voahosotra, hoy i Paoly. Mora simba sady tsy mateza ny tranolay, tsy hoatran’ny trano. Vatana ara-nofo mety maty koa ny vatan’izy ireo raha mbola eto an-tany. Nomena ny fanahy izay antoka ny amin’ny fiainana any an-danitra anefa izy ireo, ka manantena hahazo “trano avy amin’Andriamanitra” na vatana tsy mety lo maharitra mandrakizay any an-danitra.​—1Ko 15:50-53; 2Ko 5:1-5; ampit. 2Pe 1:13, 14.

Niresaka momba ny handringanana ny Jiosy i Jeremia. Toy ny vehivavy rava tranolay ilay firenena, hoy izy, ary notapahina ny tady fanenjanana an’ilay tranolay. Natao sesitany anefa ny zanak’ilay vehivavy ka tsy nisy tavela mba hanampy azy hanangana sy hanenjana an’ilay izy. (Je 4:20; 10:20) Nampiharan’Andriamanitra ny fahatezerany i Jerosalema, izay nantsoina hoe “tranolain’ny zanakavavin’i Ziona” (noho izy nisy fonenana maro), rehefa noravan’ny Babylonianina.​—Ft 2:4.

Manana heviny an’ohatra hafa koa ny hoe “tranolay.” Afaka naka aina tao an-tranolainy ny olona iray, ary tsy azon’ny hainandro sy orana. (Ge 18:1) Tia nandray vahiny koa ny olona fahiny, ka nanantena ny mpitsidika nampiantranoina tao an-tranolay fa horaisina tsara sy hohajaina izy. Ho voaro sy tsy hanana ahiahy (Sl 61:3, 4) àry ny vahoaka be rehefa “hamelatra ny tranolainy eo ambonin’izy ireo” Andriamanitra. (Ap 7:15) Niomana handray an’ireo zaza haterany i Ziona na ny vadin’Andriamanitra, ka nasaina ‘hanalalaka ny tranolainy’ (Is 54:2), izany hoe hanalalaka ny toerana hiarovana ny zanany.

Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka hoy izy: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo [na hiray tranolay amin’izy ireo].” (Ap 21:1-3) Teo afovoan’ny Israely tany an-tany efitra ny tranolay masina. Ho eo amin’ny olombelona koa Andriamanitra, saingy tsy amin’ny heviny ara-bakiteny akory, fa amin’ny heviny hoe hifandray amin’izy ireo izy amin’ny alalan’ny “Zanak’ondrin’Andriamanitra” izay Mpisoronabe koa.​—Ek 25:8; 33:20; Jn 1:29; He 4:14.