Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tranolay Fihaonana

Tranolay Fihaonana

Ny tranolain’i Mosesy (Ek 33:7) sy ny tranolay masina naorina tany an-tany efitra. (Ek 39:32, 40; 40:2, 6, 7, 22, 24, 26, 29, 30, 32, 34, 35) Ny tranolain’i Mosesy no natao toerana masina vonjimaika mandra-pahavitan’ny tranolay masina. Nijanona “teo” anoloan’ny fidirana amin’ny tranolain’i Mosesy mantsy ilay rahona izay porofo hoe nanatrika teo i Jehovah, isaky ny niditra tao i Mosesy ary niresaka taminy tao i Jehovah. Natao hoe “tranolay fihaonana” izy io satria tsy maintsy nankeo ny olona rehefa te hanontany an’i Jehovah, ka toy ny hoe nihaona taminy teo izy ireo. (Ek 33:7-11) Izany koa angamba no antony niantsoana ny tranolay masina hoe “tranolay fihaonana.”​—Jereo TRANOLAY MASINA.