Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tratra

Tratra

Nilaza fanoharana momba ny mpangataka atao hoe Lazarosy i Jesosy. Voalaza fa nentina “ho any an-tratran’i Abrahama” izy io rehefa maty. Fanoharana koa no nilazan’i Jaona an’i Jesosy hoe “eo an-tratran’ny Ray.” (Lk 16:22, 23; Jn 1:18) Ilay hoe ‘eo an-tratra’ dia mampahatsiahy ilay fanaon’ny Jiosy hoe mandry ilika eo anoloan’ny olona iray, eo ambony fandriana iray ihany, rehefa misakafo.

Nandry ilika ny vahiny ka nitehina teo amin’ny ondana ny kihony ankavia, ary afaka nihetsika tsara ny tanany ankavanana. Olona telo mazàna no teo amin’ny fandriana iray, nefa na olona dimy aza nety ho antonona teo ihany. Ny lohan’ny tsirairay àry dia teo an-tratran’ilay olona tao andamosiny, na teo akaikin’ny tratran’izy io. Izay tsy nanana olona tao andamosiny no noheverina fa manamboninahitra indrindra, ary ilay teo anilany no manamboninahitra nanarakaraka. Fanao ny nampifanakaiky ny mpinamana, mba ho mora amin’izy ireo ny nanao resaka tsiambaratelo, raha tiany. Midika hoe nahazo sitraka tamin’ny olona iray ny hoe afaka nandry ilika teo anilan’io olona io tany amin’ny fanasambe. Izany no nahatonga ny apostoly Jaona ‘handry ilika teo akaikin’ny tratran’i Jesosy.’ “Niankina teo an-tratran’i Jesosy” io apostoly tena tiany io, ary nanontany azy nitokana tamin’ilay Paska farany niarahany tamin’izy ireo.​—Jn 13:23, 25; 21:20.

Noho ireo antony ireo no nilazan’i Jaona hoe ‘eo an-tratran’i’ Jehovah Rainy i Jesosy. Te hilaza izy hoe nanana toerana niavaka i Jesosy satria nankasitrahan’i Jehovah. Izany koa no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe nentina ho any an-tratran’i Abrahama i Lazarosy. Te hilaza izy hoe nanjary nahazo sitraka tamin’olona iray ambony noho izy i Lazarosy.​—Jereo FISAKAFOANA.