Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Trompetra

Trompetra

Zavamaneno lavalava vita amin’ny metaly, miendrika lantonoara ary misy fitsofana.

Nasain’i Jehovah nanao ‘trompetra volafotsy roa, hotefena amin’ny marotoa’ i Mosesy tany an-tany efitra, raha vao sambany hifindra toby ny Israelita. (No 10:2) Tsy noresahina intsony ny mombamomba azy ireny tatỳ aoriana. Rehefa jerena anefa ireo vola madinika tamin’ny andron’ny Makabeo sy ny sary mivohitra eo amin’ny Andohalambon’i Titus, dia 45 ka hatramin’ny 90 sm eo ho eo ny halavan’ny trompetra mahitsy lavalava izay miendrika lakolosy ny tendrony. Hoy i Josèphe momba ny trompetra nataon’i Mosesy: “Lava mahia izy io, somary matevina noho ny sodina, misy fitsofana antonona tsara ny vava, ary miendrika lakolosy ny tendrony.” (Rakitry ny Ela Jiosy, III, 291 [xii, 6]) Trompetra 120 no notsofina rehefa notokanana ny tempolin’i Solomona.​—2Ta 5:12.

Nisy fiantsoana karazany telo tany Israely, ka roa samy hafa ny fomba fitsofana ny trompetra roa: 1) Niara-notsofina izy roa rehefa ny vahoaka manontolo no novorina ho eo amin’ny tranolay fihaonana; 2) ny iray ihany no notsofina rehefa ny mpiadidy na mpifehy arivo no nantsoina; ary 3) notsofina hamoaka feo miovaova izy ireo rehefa hiainga ny toby.​—No 10:3-7.

Nasain’i Jehovah notsofina koa ny trompetra rehefa nisy “fanairana ho amin’ny ady” (No 10:9), ka ny mpisorona nanaraka ny tafika no nanao izany. (No 31:6) Niezaka nisakana an’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely tsy hiady taminy i Abia mpanjakan’ny Joda, ka nilaza fa ireo “trompetra fanairana izay hotsofina rehefa hamely” no antoka fa hampian’Andriamanitra handresy ny Joda. Mbola nisisika hiady taminy ihany anefa ry Jeroboama, ka resin’ny tafik’i Joda izay nampaherezin’ireo mpisorona “nitsoka mafy ny trompetra.”​—2Ta 13:12-15.

Anisan’ny zavamaneno nampiasaina tao amin’ny tempoly ny trompetra (2Ta 5:11-13), ka ny mpisorona zanakalahin’i Arona no mpitsoka azy. (No 10:8; 2Ta 29:26; Ezr 3:10; Ne 12:40, 41) Tsy maintsy nanatrika an’ireo fankalazana lehibe nataon’ny firenena ny mpisorona, ka ampoizina hoe izy ireo no nitsoka trompetra, na dia tsy miresaka an’izany aza ireo fitantarana misy resaka trompetra (heb.: hatsôtserah). (2Ta 15:14; 20:28; 23:13; ampitahao 1Ta 15:24 sy and. 28.) Toa isan-karazany anefa ny trompetra, ka mety ho tsy an’ny mpisorona ny sasany.

‘Nitsoka trompetra’ (gr.: salpizô, iray tarika amin’ny hoe salpigks [“trompetra”]) mba hisarihana ny sain’ny olona ny mpihatsaravelatsihy. Tsy tokony hanao toy izany anefa ireo miantra ny mahantra. (Mt 6:2) An’ohatra ilay fitsofana trompetra eo, ary midika hoe tia sehoseho.