Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Trondro

Trondro

Tamin’ny andro fahadimy Andriamanitra no namorona ny trondro sy ny hazandrano hafa. (Ge 1:20-23) Noforonina mba hanaiky ny olona ny trondro, ary taorian’ny Safodrano izy ireny vao azon’ny olona nohanina. (Ge 1:28; 9:2, 3) Nanjary “poakaty” anefa ny fomba fisainan’ny olona sasany, ka izy ireo indray no nivavaka tamin’ny biby fa tsy nifehy azy ireny. (Ro 1:20-23) Ny sarin’i Ea, andriamanitry ny rano nivavahana tany Babylona, ohatra, dia ilany lehilahy ary ilany trondro. Andriamanibavy trondro nivavahan’ny Syrianina kosa i Atargatis. Nisy trondro nankamasinina koa tany Ejipta, ka notehirizina tsy ho lo ny fatiny. Ny Israely kosa noraran’Andriamanitra tsy hivavaka tamin’ny trondro.​—De 4:15-18.

Nomena fahefana tamin’ny zavaboary rehetra, anisan’izany ny trondro, i Jesosy Kristy, na ny “Zanak’olona.” (Mt 17:22) Indroa, ohatra, izy no nampiasa ny fahefany ka nataony feno trondro tamin’ny fomba mahagaga ny haraton’ireo apostoliny. (Sl 8:4-8; He 2:5-9; Lk 5:4-7; Jn 21:6) Nampiasa ny fahefany koa izy rehefa nasaina nandoa ny hetran’ny tempoly. Hoy izy tamin’i Petera: “Mankanesa any an-dranomasina ary manipaza lelam-pintana, ka raiso izay trondro azonao voalohany. Ary rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita statera iray ianao. Alao izany ka omeo azy, ho avy amiko sy avy aminao.”​—Mt 17:24-27.

Atao sakafo. Be otrikaina sy mora levonina ny trondro. Nihinan-trondro matetika ny Ejipsianina sy ny Hebreo nandevoziny, matoa nanembona ny trondro tany Ejipta ireo olona samihafa firenena sy ny zanak’Israely tany an-tany efitra. (No 11:5) Fatiantoka be ho an’ny toe-karenan’i Ejipta àry ny nahafatesan’ireo trondro, rehefa novan’i Jehovah ho ra ny ranon’i Neily.​—Ek 7:20, 21.

Mbola nihinan-trondro ny Israelita rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina. “Vavahadin-trondro” no anaran’ny iray tamin’ireo vavahadin’i Jerosalema. Nisy mpivaro-trondro angamba tao amin’ilay vavahady na teo akaikiny. (2Ta 33:14) Nivarotra trondro tao Jerosalema ny olona avy any Tyro, na dia tamin’ny Sabata aza, tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 13:16.

Natono na nasiana sira sy nohamainina ny trondro, ary matetika no nohanina niaraka tamin’ny mofo. Azo inoana fa trondro maina nasiana sira ilay nampitomboin’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga, ka nomeny ho an’ny lehilahy 5000 sy lehilahy 4000 hafa tatỳ aoriana, ankoatra ny zaza amam-behivavy. (Mt 14:17-21; 15:34-38) Nihinana trondro natono i Jesosy rehefa nitsangana tamin’ny maty, mba hanaporofoana tamin’ny apostoly fa tsy anjely no niseho tamin’izy ireo. Mofo sy trondro natono teo ambony afon-tsaribao koa ny sakafo maraina nokarakarainy, indray mandeha.​—Lk 24:36-43; Jn 21:9-12.

Any Israely. Be trondro ireo farihy sy renirano any Palestina, fa ao amin’ny Ranomasina Maty ihany no tsy misy. Hita any, ohatra, ny karpa sy ny trondro Chromis simonis, izay mitondra ny zanany ao anaty vavany. Ataon’ny lahiny ao anaty vavany ny atody 200 eo ho eo, ary foy ao. Mijanona ao herinandro maromaro ireo zanany avy eo.

Misy trondro velona ihany ao amin’ny loharano masira tsy lavitra ny Ranomasina Maty, saingy tsy ela izy ireny dia maty raha vao afindra ao amin’ny rano nalaina tao amin’ilay ranomasina. Be klaoriorana manezioma mantsy izy io. Mikoriana mafy ny Reniranon’i Jordana, indrindra rehefa tondraka, ka trondro maro no entin’ilay renirano mankao amin’ny Ranomasina Maty. Torana ireo trondro ka lasa sakafon’ny vorona mpiremby na atsipin’ilay ranomasina eny amorony ny fatiny ka hanin’ny vorona. Tsy mba toy izany kosa ilay rano nivoaka avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana. Sitrana ny ranon’ny Ranomasina Maty nolalovany, ka lasa nisy trondro sy mpanjono maro be.​—Ezk 47:1, 8-10.

Madio sy maloto. Niresaka momba ny zavamaniry sy biby, anisan’izany ny trondro, i Solomona mpanjaka hendry. (1Mp 4:33) Tsy misy anaran-trondro anefa ao amin’ny Baiboly. Navahan’ny Lalàna tsara kosa ny hazandrano madio sy maloto. Izay misy vombony sy kirany ihany no madio ka azo nohanina. Tsy anisan’izany ny trondro misy volombava, amalona isan-karazany, fay, antsantsa, patsa sy orana ary foza isan-karazany. Loto sy zavatra lo mantsy no sakafon’izy ireny, ary matetika izy ireny no feno bakteria miteraka aretina toy ny tefoedra. (Le 11:9-12) Tsy maintsy navahan’ny Israelita mpanarato àry ny trondro tsara sy ny trondro tsy azo nohanina. Nanasongadina izany ny fanoharan’i Jesosy momba ny harato tarihina.​—Mt 13:47, 48.

Ilay nitelina an’i Jona. Noporofoin’ny Zanak’Andriamanitra fa tantara marina ny hoe natelin’ny “trondro goavana” iray i Jona. (Mt 12:40) Io tantara io anefa matetika no lazain’ny mpitsikera fa manaporofo hoe tsy azo itokisana ny Baiboly. Marina fa milaza fotsiny ny Baiboly hoe “nandefa trondro ngezabe iray i Jehovah hitelina an’i Jona”, fa tsy lazainy ny anaran’ilay trondro. (Jo 1:17) Misy anefa hazan-dranomasina afaka mitelina olona, anisan’izany ny antsantsa fotsy sy ny trozona lava loha.​—Jereo Biby Mampinono Eran-tany nataon’i Walker, nohavaozin’i R. Nowak sy J. Paradiso, 1983, Boky II, p. 901; Boky Momba Ireo Biby any Aostralia, Ireo Trondron’i Aostralia, nataon’i G. Whitley, Sydney, 1940, Fizarana 1​—Ny Antsantsa, p. 125.

Heviny an’ohatra. Oharin’ny Soratra Masina amin’ny trondro ny olona indraindray. Nilaza, ohatra, ilay mpamory vahoaka fa toy ny trondro azon’ny harato ny olona “voafandrika rehefa tonga tampoka aminy ny fotoana ahitan-doza.” (Mpto 9:12) Nampiofanin’i Jesosy Kristy ho mpanarato olona ny mpianany. Nilaza izy fa toy ny trondro tsara ny olo-marina, fa toy ny trondro ratsy tokony hariana kosa ny ratsy fanahy.​—Mr 1:17; Mt 13:47-50; jereo FIHAZANA SY FANARATOANA.