Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Trosa, Mpitrosa

Trosa, Mpitrosa

Vola tsy maintsy aloa na adidy tsy maintsy efaina ny trosa. Olana ara-bola no tena nahatonga ny olona hitrosa, tany Israely fahiny. Voa mafy izay Israelita nisambo-bola, satria toy ny hoe mpanompon’ilay mpampisambotra izy. (Oh 22:7) Tokony hahalala-tanana àry izay nanampy Israelita sahirana, ka tsy ho tia tena na hanararaotra ny fahavoazany na hitaky zanabola. (Ek 22:25; De 15:7, 8; Sl 37:26; 112:5) Azo nitakiana zanabola kosa ny hafa firenena (De 23:20), raha nisambo-bola hanaovana varotra, fa tsy hoe sahirana, hoy ny Jiosy mpivaofy teny. Nandalo fotsiny mantsy ny hafa firenena, izay matetika no mpivarotra, ka tokony handoa zanabola. Mety ho nampanjana-bola koa izy.

Nisy olon-kafa indraindray niantoka an’ilay nitrosa. Averimberin’ny bokin’ny Ohabolana (6:1-3; 11:15; 17:18; 22:26) anefa hoe hahita loza izay manao izany, satria ho voa mafy raha tsy mahaloa trosa ilay nisambo-bola.

Izao no toro lalana momba ny trosa narahin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Aoka tsy hisy trosan’olona any aminareo, afa-tsy ny fifankatiavanareo.”​—Ro 13:8.

Narovan’ny Lalàna ny tompon-trosa sy ny mpitrosa. Tsy maintsy nandoa onitra noho ny ratsy vitany ny mpangalatra. Namidy ho andevo izy raha tsy nahaloa. (Ek 22:1, 3) Nahazo onitra foana àry ny tompon’ny zavatra nangalarina.

Fantatry ny Israelita tsy nivadika fa notakin’Andriamanitra ny handoavany trosa. (Sl 37:21) Natoky àry ilay mpampisambotra fa hiverina ny volany. Mety ho nivarotra ny tenany na ny zanany ho andevo izay sahirana sy tsy nahaloa trosa.​—Ek 21:7; Le 25:39; ampit. 2Mp 4:1-7.

Narovan’ny Lalàna koa ilay nisambo-bola. Tsy nahazo niditra tao an-tranony ilay mpampisambotra fa niandry ny homena antoka teo ivelany. (De 24:10, 11) Tsy azo nalaina ho antoka ny akanjon’ny mpitondratena na izay nilain’ny olona andavanandro, toy ny vato fikosoham-bary na ny vato amboniny. (De 24:6, 17) Tsy maintsy naverina tamin’ny mahantra ny akanjony ivelany na ny lamba fitafiny nalaina ho antoka, rehefa nilentika ny masoandro. Iny ihany mantsy ny azy, ary iny no nentiny natory.​—Ek 22:26, 27; De 24:12, 13.

Toa tsy nahazo nanery Israelita handoa trosa ny mpampisambotra, rehefa taona sabata (isaky ny fito taona). (De 15:1-3) Tsy nisy vokatra niakatra mantsy ny sahan’ny Israelita nitandrina ny Sabata. Ny hafa firenena kosa tsy mpamboly ka nanana fidiram-bola ihany. Azo nitakiana trosa àry izy rehefa taona sabata. Nisy Israelita niahotra hampindram-bola an’izay sahirana rehefa akaiky ny taona sabata, satria fantany fa tsy azony natao ny nitaky trosa tamin’io. Fitiavan-tena anefa izany, raha araka ny Lalàna.​—De 15:9.

Nafahana ny mpanompo hebreo rehefa taon-jobily (isaky ny 50 taona). Niverina tamin’ny tompony koa ny lova rehetra, afa-tsy ny trano tao amin’ny tanàna nimanda tsy an’ny Levita. Tsy nisy àry fianakaviana lasa bokan’ny trosa na nahantra faraidiny. Na izay tsy nahay nitantana ny fananany aza mbola afaka namela lova ho an’ny fianakaviany.​—Le 25:10-41.

Tsy ho niovaova be ny toe-karena na ho voatery nitrosa ilay firenena na ho bokan’ny trosa ny Israelita tsirairay, raha narahina tsara ny lalàn’Andriamanitra. Nomena toky izy ireo hoe: “Hitahy anao tokoa i Jehovah Andriamanitrao, araka izay nampanantenainy anao. Koa hampisambotra ny firenena maro ianao sady haka antoka, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.”​—De 15:6.

Fanararaotana. Anisan’ireo nijaly izay voatery nitrosa, rehefa nivadika ny firenen’Israely tatỳ aoriana. Mety ho nampahorin’ny mpampisambotra ireo nananany trosa, matoa lasa nanaraka an’i Davida tamin’izy natao fahavalom-pirenena. (1Sa 22:2) Toa fanaon’ny mpampisambotra ny nitaky zanabola tamin’ny Israelita. (Is 24:2) Nomelohin’i Jehovah ireo nivarotra “olo-mahantra izay nataony nitovy vidy tamin’ny kapa.” (Am 2:6) Nomelohiny koa ireo nitaky zanabola tamin’ny namany sy nanambaka azy ireo.​—Ezk 22:12.

Ratsy ny nataon’ny Jiosy taorian’ny sesitany tany Babylona. Tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra izy ireo fa nitaky zanabola tamin’ny Jiosy sahirana. Maro àry no voatery nanao ho antoka ny tranony, ny sahany, ary na ny zanany lahy sy vavy mihitsy aza, tamin’ny andron’i Nehemia. Nanaiky hamerina ny fananan’ireo nisambo-bola sy tsy hitaky zanabola intsony anefa ireo mpampisambotra, noho ny fampirisihan’i Nehemia.​—Ne 5:1-13.

Fanoharan’i Jesosy. Fantatry ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany ny fanaon’izay nisambo-bola sy nampisambotra, ka nataon’i Jesosy fanoharana izany indraindray. Ilay fanoharany momba ny mpanompo ratsy fanahy iray no nanasongadina hoe ilaina ny mamela heloka. Nampiditra am-ponja an’ilay namany nananany denaria 100 (70 dolara eo ho eo) izy io, nefa efa tsy notakina taminy ny trosany 60 000 000 denaria (40 000 000 dolara eo ho eo). (Mt 18:23-33) Izao toro lalana izao kosa no nasongadin’ilay fanoharana momba ny lehilahy roa nitrosa: “Izay voavela tamin’ny kely, dia kely fitiavana.” Nitrosa denaria 500 (350 dolara eo ho eo) ny iray, ary denaria 50 (35 dolara eo ho eo) ny iray, nefa samy tsy nampandoavina trosa izy ireo. (Lk 7:41-47) Asehon’ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy marina fa ho lasa naman’Andriamanitra izay mampiasa tsara ny harenany “tsy marina.” Rehefa horoahina io mpanompo io, dia nahenany ny trosan’ireo nitrosa tamin’ny tompony ka lasa naman’izy ireo izy.​—Lk 16:1-9.

Trosa hafa. Tsy ny vola nosamborina ihany no lazain’ny Baiboly hoe “trosa” fa ny adidy koa. “Trosa” tokony haloa amin’ny mpiasa ny karamany. (Ro 4:4) “Nitrosa” ireo nanota tamin’ny hafa, ka tokony hanatona an’ilay olona ary hangata-pamelana. Tsy avelan’Andriamanitra ny ‘trosan’ny’ olona iray raha tsy namela an’ireo “nitrosa” taminy izy. (Mt 6:12, 14, 15, f.a.p.; Lk 13:4, f.a.p.) Nanana adidy hitory ny “vaovao tsara” ny apostoly Paoly, ka ‘nananan’ny olona rehetra trosa.’ (Ro 1:14, 15) Toy ny hoe ‘nitrosa’ tamin’ny Kristianina jiosy tao Jerosalema kosa ny Kristianina hafa firenena, satria nampian’izy ireo ho lasa mpino. Tokony hanampy an’ireo rahalahiny jiosy nahantra àry izy ireny.​—Ro 15:26, 27.