Tryfena
(Tryfèna) [avy amin’ny fototeny gr. midika hoe “manana fiainana mirenty”].
Vehivavy kristianina tao Roma nataon’i Paoly mampamangy, sy noderainy fa niasa mafy. (Ro 16:12) Mety ho iray tam-po aminy i Tryfosa, miara-voatonona aminy, satria fahita ny hoe fototeny iray ihany no niavian’ny anaran’ny mpianakavy, toy ny hita eto. Betsaka ny vehivavy anisan’ny ankohonan’i Kaisara nanana anarana hoe Tryfena na Tryfosa, kanefa tsy voalaza raha anisan’izy io izy roa vavy na tsia.—Fi 4:22.