Tsade
[צ; ץ raha litera farany] (tsadè).
Litera faha-18 amin’ny abidy hebreo, ary iray amin’ireo litera hebreo dimy miova endrika rehefa faran’ny teny iray. Misioka mafy rehefa manonona azy, hoatran’ny fanononana ny hoe “ts.” Samy manomboka amin’izy io ireo andininy valo ao amin’ny Salamo 119:137-144, amin’ny teny hebreo.