Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsangambato

Tsangambato

Vato, takelaka, trano, na zavatra ajoro ho fahatsiarovana olona na zava-nitranga niavaka. Resahin’ny Baiboly ny zavatra vitsivitsy natao toy izany, saingy tsy antsoiny hoe tsangambato izy rehetra.

Nanao tsangambato masina (azo inoana fa sarina filahiana) ny firenena sasany mpanompo sampy fahiny tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Nasaina namotika azy ireny ny Israelita rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ary norarana tsy hanao tsangambato toy ireny. (De 7:5; 16:22) Nanompo sampy anefa izy ireo indraindray, ka nanao tsangambato masina koa.​—1Mp 14:23; 2Mp 3:2; jereo TSANGAMBATO MASINA.

Ankoatra an’ireo tsangambato halan’Andriamanitra, dia nisy koa natao ho fahatsiarovana zava-nitranga teo amin’ny tantara, araka ny Soratra Hebreo. Tsy nivavahana na natao sarina fitaovam-pananahana izy ireny. Niseho tamin’i Jakoba tao amin’ny fahitana tamin’ny alina i Jehovah, indray mandeha, ary nanamafy an’ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama (1781 T.K.). Nalain’i Jakoba àry ilay vato niondanany ka nataony tsangambato ary nohosorany menaka. Nantsoiny hoe Betela ilay toerana avy eo. (Ge 28:10-19, 22) Nanorina tsangambato iray hafa tao Betela koa izy, tatỳ aoriana. (Ge 31:13; 35:14, 15) Nanao an’ireo izy ho fahatsiarovana ny zavatra niavaka nolazain’i Jehovah taminy tao. Nanangana tsangambato sy antontam-bato i Jakoba sy Labana 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana, ho fampahatsiahivana ny fifanekem-pihavanana nataony teo amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada. (Ge 31:25, 44-52) Nanorina tsangambato teo ambonin’ny fasan’i Rahely koa i Jakoba, ary mbola teo izy io tamin’ny andron’i Mosesy. (Ge 35:19, 20) Nanao alitara sy “tsangambato roa ambin’ny folo mba hoenti-manondro ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely” i Mosesy, rehefa nanaiky hankatò ny lalàn’Andriamanitra izy ireo. (Ek 24:4) Nasain’i Josoa nametraka vato 12 (araka ny isan’ireo foko) teo afovoan’i Jordana, ary 12 teny amin’ny morony andrefana tao Gilgala koa ny Israelita, rehefa nita ny Reniranon’i Jordana sy hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina (1473 T.K.). Ho famantarana sy fahatsiarovana an’ilay fiampitana tamin’ny fomba mahagaga izy ireo, na dia tsy nantsoina hoe tsangambato aza. Rehefa hanontany ny dikan’izy ireo koa ny ankizy any aoriana, dia tokony hotantarain-drainy izay nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany.​—Js 4:1-9, 20-24.

Nisy nanangana tsangambato rehefa nanao fifanekena na nahazo fandresena. (Ge 31:44-53; Js 24:26; 1Sa 7:10-12) Nanorina ‘tsangambato [heb.: yad] hahatsiarovana ny tenany tao Karmela’ i Saoly Mpanjaka rehefa resiny ny Amalekita. (1Sa 15:12) Adika matetika hoe “tanana” ny teny hebreo hoe yad, nefa mety hidika koa hoe “tsangambato.” Misarika ny maso sy ny saina mantsy ny tanana atsangana, ary misarika ny saina ho amin-javatra sasany koa ny tsangambato. Nadika koa hoe “tsangambato” ilay teny hebreo ao amin’ny 2 Samoela 18:18 (“Tsangambaton’i Absaloma”, TV, DIEM). Nanao an’ilay tsangambato àry i Saoly ho fahatsiarovana ny fandreseny.​—Ampit. Is 56:5.

Toy ny tsangambato mahazatra ilay Tsangambaton’i (heb.: yad) Absaloma. Najorony teo amin’ny Lemaka Ivan’ny Mpanjaka tsy lavitra an’i Jerosalema izy io, noho izy ‘tsy nanan-janakalahy hamelo-maso ny anarany.’ (2Sa 18:18) Tsy fantatra ankehitriny izay momba azy io na izay misy azy, ankoatra izay resahin’ny Baiboly. Tsy io anefa ilay lazain’ny mpitondra fivavahana hoe fasan’i Absaloma ao amin’ny Lohasahan’i Kidrona, satria natao tamin’ny andron’ny Grika sy Romanina ilay fasana.​—Jereo ABSALOMA.

Hoatran’i Absaloma ireo lehilahy novosirina satria tsy manan-taranaka hamelo-maso ny anarany. Raha tsy mivadika anefa izy ireo (tsy hoatran’i Absaloma), dia homen’i Jehovah zavatra “tsara kokoa noho ny zanakalahy sy zanakavavy”, satria ‘homeny tsangambato [heb.: yad] sy anarana ao an-tranony sy ao anatin’ny mandany. Anarana maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra no homeny azy, dia anarana tsy hofoanana mihitsy.’​—Is 56:4, 5; ampit. Oh 22:1.

Nisy tsangambatom-pasana natao ho fahatsiarovana koa, toy ilay teo amin’ny “fasan’ilay lehilahin’Andriamanitra” izay nanambara ny hataon’i Josia amin’ilay alitara tao Betela.​—2Mp 23:16-18; 1Mp 13:1, 2.

Mety ho natao ho fahatsiarovana ilay tsangambato resahin’ny Isaia 19:19. Mitantara izay hitranga aorian’ny fandravana an’i Jerosalema (607 T.K.) io faminaniana nosoratana tamin’ny taonjato fahavalo T.K. io. Nandositra nankany Ejipta ny Jiosy sasany navelan’ny Babylonianina tao Joda, ka nanorim-ponenana tany araka ny Isaia 19:18. (Je 43:4-7; 44:1) Ilay hoe hisy “tsangambato ho an’i Jehovah” eo akaikin’ny sisin-tanin’i Ejipta àry dia midika hoe hisy hahatsiaro Azy any Ejipta, na nisy tsangambato tany na tsia, hoy ny ankamaroan’ny mpivaofy teny.​—Ampit. Is 19:20-22.