Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsangambato Masina

Tsangambato Masina

Ilazana zavatra natsangana na najoro ny teny hebreo niavian’io teny io. Sarina filahiana famantarana an’i Bala na an’ireo andriamani-kafa izy io. (Ek 23:24; 2Mp 3:2; 10:27) Nahitana tsangambato tany Israely sy ny firenena manodidina azy, nefa tsy fantatra hoe nampiasaina tamin’inona izy ireny. Mety ho tsangambato masina izy ireny, matoa hita niaraka tamin’ny asa tanana nampiasaina tamin’ny fivavahana. Misy mbola tsy voapaika, ary mirefy 1,8 m na mahery ny haavony.

Norarana tsy hanao tsangambato masina ny Israelita rehefa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nasaina narodany sy notorotoroiny koa ny tsangambato masina efa tao. (Ek 34:13; Le 26:1; De 12:3; 16:22) Nisy nodorana koa anefa izy ireny, ka angamba vita tamin’ny hazo. (2Mp 10:26) Mety ho tsato-kazo masina, na Aseraha, àry ireny nodorana ireny.​—Jereo TSATO-KAZO MASINA.

Tsy noraharahain’ny Israely ny fampitandreman’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, ka lasa feno tsangambato masina tao amin’ny fanjakan’ny Joda sy ny an’ny foko folo. (1Mp 14:22, 23; 2Mp 17:10) Nopotipotehin’i Asa sy Hezekia ary Josia, mpanjakan’ny Joda tsy nivadika, anefa ireo tsangambato masina. (2Mp 18:4; 23:14; 2Ta 14:3) Noravan’i Jeho koa ny tsangambato masin’i Bala, tamin’izy namongotra ny fivavahana tamin’i Bala tany amin’ny fanjakan’ny foko folo.​—2Mp 10:27, 28.