Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsato-kazo Famantarana

Tsato-kazo Famantarana

Toa ilazana tsato-kazo amin’ny toerana avo ny teny hebreo hoe nes, izay manana heviny ara-bakiteny sy an’ohatra. Teny hebreo hafa no ilazana ny “setroka famantarana” (Mpts 20:38, 40) sy “afo famantarana” (Je 6:1) natao hampitana hafatra. Novorina teo anoloan’ny tsato-kazo famantarana ny vahoaka sy ny tafika. (Is 5:26; 13:2; 18:3; 30:17; 31:9; Je 4:6, 21; 50:2; 51:12, 27) Nosazin’i Jehovah ny Israelita, indray mandeha, fa nitaraina momba ny mana sy ny tsy fisian-drano, ka nandefasany bibilava misy poizina. Nibebaka anefa izy ireo, ka nasain’i Jehovah nanamboatra sarina bibilava i Mosesy mba hapetraka teo amin’ny tsato-kazo famantarana (nes). “Avy hatrany dia nanamboatra bibilava varahina i Mosesy, ka nataony teo amin’ny tsato-kazo famantarana ilay izy. Koa raha nisy olona voakaikitra ka nijery an’ilay bibilava varahina, dia tsy maty.” (No 21:5-9) Azo inoana fa natao tamin’ny toerana iray avo ilay tsato-kazo, mba ho hitan’ireo Israelita nokaikerin’ny bibilava.

Lasa tsato-kazo famantarana i Jerosalema tamin’ny 537 T.K., satria tamin’izay ny Jiosy sisa niely tany an-tany hafa no tokony hody mba hanorina indray an’ilay tanàna sy ny tempoly, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Is 11:11, 12; ampit. Is 49:22; 62:10, 11.) Mbola ho tanteraka amin’ny hoavy koa anefa ilay faminaniana. Hoy ny Isaia 11:10: “Amin’izany andro izany dia hisy fakan’i Jese hitsangana ho toy ny tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena.” Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’i Kristy Jesosy izay hitondra ny hafa firenena ireo teny ireo. (Ro 15:8, 12) Nilaza koa i Jesosy fa izy ilay ‘fakan’i Davida’ zanak’i Jese. (Ap 22:16) I Kristy Jesosy, ilay Mpanjaka hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra, àry ilay tsato-kazo famantarana.​—Ampit. He 12:22; Ap 14:1.