Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsato-kazo Masina

Tsato-kazo Masina

Ilazana 1) tsato-kazo masina izay sarin’i Aseraha andriamanibavin’ny fahavokarana nivavahan’ny Kananita (Mpts 6:25, 26), na 2) Aseraha andriamanibavy (2Mp 13:6, Prot.) ny teny hebreo hoe ʼasherah (mr.: ʼasherim). Tsy mora foana ny mamantatra hoe ilay tsato-kazo masina sa ilay andriamanibavy no tian’ny andininy iray horesahina. Baiboly maoderina maromaro anefa no nandika an’ilay teny hebreo hoe “tsato-kazo masina” na “tsatokazon-tsampy”, ary hoe “Aserà” rehefa ilay andriamanibavy no toa tiana horesahina. (DIEM) Misy indray nanao foana hoe “Aseraha” (Prot.), na hoe “tsato-kazo masina.” (TV) Ny Baiboly anglisy tranainy sasany kosa nanao hoe “ala kely.” (KJ, Le) Tsy mitombina anefa izany satria hafahafa ny hoe nanompo “ala kely” (Mpts 3:7, KJ) sy hoe namoaka “ala kely” (2Mp 23:6, KJ) avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema.

Ireo tsato-kazo masina. Toa hazo natsangana izy ireny, na nisy ampahany hazo, matoa nasaina nokapain’ny Israelita sy nodorany. (Ek 34:13; De 12:3) Mety ho tsato-kazo tsy natao sokitra koa izy ireny, na hazo tsotra fotsiny, matoa Andriamanitra nandidy hoe: “Aza mamboly hazo, na inona na inona, mba hatao tsato-kazo masina.”​—De 16:21.

Tsy niraharaha ny didin’Andriamanitra anefa ny Israely sy Joda, fa nanangana tsangambato masina sy tsato-kazo masina teny amin’ny “havoana avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra”, teo anilan’ny alitara fanaovana sorona. Misy mihevitra fa sarina fivaviana ny tsato-kazo, fa sarina filahiana kosa ny tsangambato. Nanaram-po tamin’ny firaisana ireo nivavaka tamin’ireny, matoa efa nisy lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly tamin’ny andron’i Rehoboama Mpanjaka. (1Mp 14:22-24; 2Mp 17:10) Vitsy ihany ireo mpanjaka (toa an’i Hezekia sy Josia), izay niezaka ‘nanala ny toerana avo sy namotipotika ny tsangambato masina ary nikapa ny tsato-kazo masina.’​—2Mp 18:4; 2Ta 34:7.

Aseraha. Resahin’ny soratra Ras Shamra fa vadin’i El andriamanitra, “Mpamorona ny Zavaboary”, io andriamanibavy io, ary antsoiny hoe “Aseraha Andriambavin’ny Ranomasina” sy “Razamben’ireo Andriamanitra”, izany hoe renin’i Bala koa. Toa mitovy anefa ny toerana tanan’ireo andriamanibavy lehibe telo (Anata, Aseraha, ary Astarta) notompoin’ny mpivavaka tamin’i Bala, rehefa jerena ny Baiboly sy ny asa soratra hafa. Toa vadin’i Bala mantsy i Astarta, nefa toa vadiny koa i Aseraha.

“Lasa nanompo an’ireo Bala sy ireo tsato-kazo masina” ny Israelita nivadi-pinoana, tamin’ny andron’ny Mpitsara. (Mpts 3:7; ampit. 2:13.) Mety ho samy nanana an’izay Bala sy Aseraha nivavahany ny tanàna tsirairay, matoa nolazaina hoe “ireo Bala sy ireo tsato-kazo masina.” (Mpts 6:25) Nisy mpaminanin’i Bala 450 sy mpaminanin’ny tsato-kazo masina (na Aseraha) 400 nihinana teo an-databatr’i Jezebela, vehivavy sidonianina vadin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely.​—1Mp 18:19.

Napetrak’i Manase Mpanjaka tao amin’ny tempolin’i Jehovah ny tsato-kazo masina natao sokitra, izay angamba sarin’i Aseraha andriamanibavy. (2Mp 21:7) Lasa nisy nivavaka tamin’i Aseraha àry tao. Nofaizina i Manase ka lasa babo tany Babylona. Nahasoa azy izany satria nodioviny ny tranon’i Jehovah ka nesoriny ireo sampy tao, rehefa tafaverina tany Jerosalema izy. Namerina ny fivavahana tamin’i Bala sy Aseraha indray anefa i Amona zanany, ary lasa nisy mpivaro-tenan’ny tempoly indray tany Joda. (2Ta 33:11-13, 15, 21-23) Voatery ‘nandrava ny tranon’ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly, tao an-tranon’i Jehovah’ àry i Josia, mpanjaka tsara, izay nandimby an’i Amona. “Tao amin’ireny trano ireny ireo vehivavy no nanenona tranolay masina fitoeran’ny tsato-kazo masina.”​—2Mp 23:4-7.