Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tselatra

Tselatra

Fahazavana mamirapiratra miserana vetivety eny amin’ny habakabaka, vokatry ny herinaratra miampita avy amin’ny rahona iray mankamin’ny rahona iray, na avy eny amin’ny rahona manketỳ an-tany. Matetika no misy tselatra arahin’oram-baratra any Israely, amin’ny fotoanan’ny oran-dohataona sy oram-pararano, ary indrindra fa amin’ireo volana mangatsiaka (Novambra na Desambra).

I Jehovah no mpamorona an’ireo zavatra miteraka tselatra. Izy àry no nampisy ny tselatra. (Jb 37:3, 11) Hainy koa ny mibaiko azy io, ary azo inoana fa efa nampiasa tselatra sy zavatra toy izany izy mba hanafahana ny mpanompony tamin’ny fahavalon’izy ireo sy mba hanatanterahana ny didim-pitsarany. (2Sa 22:1, 15; Sl 18:14; 77:16-20; Za 9:14; ampit. Jb 36:32; Sl 97:4; 144:6.) Mety tsara àry ny ilazana hoe nisy tselatra nivoaka avy teo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra (Ap 4:5; ampit. Ap 11:19), sy hoe nandefa tselatra izy mba hanehoana ny fahatezerany. (Ap 8:5; 16:18) Voalaza koa fa toy ny hoe manao tatitra ny tselatra ka milaza ny asa vitany. (Jb 38:35) Nisy tselatra sy zava-mahagaga hafa niseho tao amin’ny Tendrombohitra Sinay ho porofo fa nanatrika teo Andriamanitra.​—Ek 19:16; 20:18

Ampiasaina an’ohatra ny tselatra (heb.: barak) mba hilazana ny fanjelanjelatry ny metaly nokosehina hangilatra. (De 32:41; Ezk 21:10; Na 3:3; Ha 3:11) Voalaza fa “toy ny tselatra” ny kalesin’adin’ireo fahavalo rehefa nitsoriaka teny amin’ny arabe tany Ninive. Mety ho ny fanjelanjelatry ny kalesin’ady no tiana holazaina eo, nefa mety ho ny hafainganam-pandehany koa. (Na 2:4) Mamirapiratra koa no fahitana an’ireo anjely, na ny tarehiny, ka lazaina fa toy ny tselatra.​—Da 10:5, 6; Mt 28:2, 3; jereo koa Ezk 1:14.

Nanazava i Kristy Jesosy fa tsy ho azo afenina ny fanatrehany, toy ny tsy azo anafenana “ny tselatra avy any atsinanana ka mazava hatrany andrefana.” (Mt 24:23-27; Lk 17:20-24) Naniraka mpianatra 70 lahy izy talohan’izay, ary hoy ireo rehefa niverina: “Manaiky anay hatramin’ny demonia noho ny fampiasanay ny anaranao.” Hoy ny navalin’i Jesosy: “Hitako fa efa nazera toy ny tselatra avy any an-danitra i Satana.” Ny handroahany an’i Satana avy any an-danitra amin’ny hoavy no noresahiny tamin’izany ary te hilaza izy fa azo antoka izany.​—Lk 10:1, 17, 18.

Astrape no teny grika nadika hoe tselatra. Midika hoe hazavan’ny jiro izy io, ao amin’ny Lioka 11:36.