Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsena

Tsena

Toerana an-kalamanjana fandehanan’ny olona hividy sy hivarotra, ary toeram-pivorian’ny vahoaka tany Israely sy ny manodidina, ary tany amin’ireo faritra nofehezin’i Roma. Voahodidina tsangambato sy tranom-panjakana ary trano fivavahana ny tsena tany amin’ny tanàna grika sy romanina. Toa notsaraina teny an-tsena ny raharaha sasany. (Ampit. As 16:19-21.) Nandrenesana vaovao (avy teo an-toerana sy avy tany ivelany) koa teny, satria teny ny olona no nivorivory sy nifampita vaovao farany.​—Ampit. As 17:17-21.

Nisy ankizy nilalao teny an-tsena tany Palestina. (Mt 11:16; Lk 7:32) Mety ho nijorojoro teny koa ireo tsy an’asa sy nitady karama isan’andro. (Ampit. Mt 20:3, 4.) Te ho hitan’ny olona sy hoarahabaina teny an-tsena ny mpanora-dalàna sy Fariseo niavonavona, noho izy ireo nihevi-tena ho ambony. (Mt 23:2, 6, 7; Mr 12:38; Lk 11:43; 20:46) Rehefa avy tany an-tsena ny Fariseo sy ny Jiosy nitana mafy ny fomban-drazana, dia tsy nihinana raha tsy efa nidio tamin’ny rano afafy.​—Mr 7:3, 4.

Nanasitrana marary teny an-tsena i Kristy Jesosy tetỳ an-tany. (Mr 6:56) Ny apostoly Paoly kosa niezaka nandresy lahatra isan’andro an’izay “sendra hitany teny an-tsena”, tany Atena.​—As 17:16, 17; jereo APIO, TSENAN’I.