Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsilo

Tsilo

1. Zavamaniry maro misy toy ny fanjaitra. Voalaza fa misy karazany 70 mahery ny tsilo maniry any Palestina, anisan’izany ny kapra misy tsilony sy ny karazana forombitika. Nilaina ihany ny tsilo, na dia nanahirana ny olona aza. Natao fefy, ohatra, izy io (Ho 2:6), natao kitay (Mpto 7:6), ary sakafon’ny ampondra sy rameva ary osy. Mbola ataon’olona fefy ny tsilo tato ho ato, indrindra fa ny karazana forombitika, ary ataony kitay rehefa mampiasa lafaoro fandoroana vatosokay izy.​—Is 33:12.

Tena sahirana ny taranak’i Adama satria naniry tsilo sy ahidratsy ny tany rehefa voaozona. (Ge 3:17, 18) Nilaza àry i Lameka rain’i Noa fa ‘nisasatra mafy izy ireo noho ny nanozonan’i Jehovah ny tany.’ (Ge 5:29) Nitso-drano an’i Noa sy ny zanany i Jehovah taorian’ny Safodrano, ary nilaza taminy mba hameno ny tany. (Ge 9:1) Toa tsy nanan-kery intsony àry ilay fanozonany ny tany. (Ge 13:10) Tsy nilaza tamin-dry Noa mianakavy mba ‘hanjaka amin’ny tany’ anefa Izy, toy ny nataony tamin’i Adama lavorary. (Ampitahao Ge 1:28 sy Ge 8:21–9:2.) Toa tsy ho vitan’ny olona tsy lavorary mihitsy àry ny hanjaka amin’ny tany araka ny nikasan’Andriamanitra azy, raha tsy mahazo ny tari-dalany izy ireo. Mbola hanahirana azy ireo foana ny hiasa tany sy ny hiady amin’ny tsilo. Manampy trotraka an’izany ny tsy fahaizany mikarakara ny Tany.

Mora rakotra tsilo sy ahidratsy ny tany lava volo sy aolo (Is 5:6; 7:23-25; 34:13), ka tsy maintsy niasa mafy ny Israelita mba tsy hanirian’ireny tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ilay “tany tondra-dronono sy tantely.” (Ek 3:8) Lasa tsy nankatò an’i Jehovah ilay firenena ‘lovan’Andriamanitra’, ka tsy nankasitrahany intsony. Very maina àry ny asa mafin’izy ireo, ka tanteraka amin’ny heviny ara-bakiteny sy an’ohatra ilay hoe varimbazaha no nafafiny nefa tsilo no nojinjainy.​—Je 12:7, 13.

Mangeja voly ny tsilo, araka ny fanoharan’i Jesosy momba ny mpamafy. (Mt 13:7; Lk 8:7) Nodorana àry aloha ny saha iray mba hanesorana ny tsilo sy ahidratsy, vao novolena. (He 6:8) Mety ho mora mirehitra koa ny tsilo, indrindra rehefa fotoam-pijinjana, satria samy efa maina izy io sy ny vokatra eny an-tsaha. Mety ho kila ny saha manontolo raha mitatra avy eo amin’ny tsilo mankany amin’ny vokatra ilay afo.​—Ek 22:6.

Nandrandrana fehiloha tsilo sy nametraka izany teo an-dohan’i Jesosy ny miaramila romanina nanaraby azy. (Mr 15:17; Jn 19:2) Tsy tena fantatra hoe inona ilay tsilo, na dia maro aza no milaza fa Paliurus spina-christi, hazo madinika mirefy 6 m sy misy sampany malefaka sy tsilo henjana, izy io.

Heviny an’ohatra. Manana heviny an’ohatra ny “tsilo” matetika. Nifaningotra toy ny tsilo, ohatra, ny Asyrianina nefa ho levona toy ny vodivary maina be. (Na 1:10) Toy ny tsilo ny vahoaka sy ny mpitondra manao ratsy ka homelohina. (2Mp 14:9, 10; Is 9:18, 19; 10:17-19) Novonoina toy ny afon-tsilo ny ratsy fanahy nanohitra ny mpanompon’i Jehovah. (Sl 118:10, 12) Niresaka tsilo koa i Jesosy Kristy rehefa nilaza fa fantatra amin’ny voa vokariny ny olona.​—Mt 7:16.

Toy ny fefy tsilo (heb: hedek) ny lalan’ny kamo, hoy ny Ohabolana 15:19, angamba satria mamorona olana be dia be ao an-tsainy izy isaky ny hanao zavatra, ka mitady fialan-tsiny mba tsy hanaovana na inona na inona. Ilazana olona sy zavatra mety handratra na hiteraka olana koa ny tsilo. (No 33:55; Oh 22:5; Ezk 28:24) Ilay ‘tsilo tao amin’ny nofon’i’ Paoly (2Ko 12:7) kosa mety ho areti-maso na aretina hafa tamin’ny vatany (jereo As 23:1-5; Ga 4:15; 6:11), na mety ho ny apostoly sandoka sy ireo nanohitra ny asany sy ny maha apostoly azy. (Jereo 2Ko 11:5, 6, 12-15; Ga 1:6-9; 5:12; 6:17.) Ny fon’ny taranak’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema indray noharin’i Jehovah tamin’ny tany rakotra tsilo, izany hoe feno tsy fahamarinana sy tsy rariny. (Je 4:1-4; ampit. Ho 10:12, 13.) Midika ho fahazoana sitraka indray amin’Andriamanitra kosa ny hoe hosoloana hazo ny tsilo.​—Is 55:13; jereo AHIDRATSY; KIRIHITRA; LAMOTY; VOAROINTSILO.

2. [Heb.: dardar; gr.: tribôlôs]. Zavamaniry isan-karazany misy raviny mikinifinify maranitra, mafy ny tahony, ary misy voninkazo malefaka sy malama izay volomparasy, mavo, na fotsy ny tendrony boribory na boribory lavalava. Voaozona ny tany ka naniry tsilo. Tsy mora tamin’i Adama sy ny taranany tatỳ aoriana àry ny namboly. (Ge 3:17, 18) Entin’ny rivotra ny voan’ny tsilo ka mora maniry amin’ny tany lava volo sy aolo. (Jereo Ho 10:8.) Niresaka tsilo i Jesosy Kristy rehefa nilaza fa toy ny zavamaniry ny olona ka fantatra amin’ny voa vokariny. (Mt 7:16) Atambolimbolin’ny rivotra ny tsilo hoatran’ny kintana rehefa faramparan’ny taona any Palestina. Miresaka izany an-kolaka ny Salamo 83:13 sy Isaia 17:13.

3. [Heb.: ʼatad]. Tsilo na karazana voaroy Rhamnus ny hoe ʼatad (heb.). (Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy, nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 31) Hazo madinika mahatratra 1 ka hatramin’ny 2 m eo ho eo ny haavon’ny voaroy palestinianina (Rhamnus palaestina), misavoritaka ny sampany, ary misy tsilo maranitra sy mafy ny tahony. Ny faritra iva mafana kokoa no betsaka azy, nefa misy koa ny faritra be tendrombohitra, toa an’i Jerosalema. Karazana forombitika (Lycium europaeum) ny ʼatad, hoy i Walter Baumgartner. Hazo madinika be tsilo 1 na 2 m eo ho eo izy io, ary misy voninkazony kely volomparasy sy voany mena boribory kely azo hanina.​—Hebräisches und Aramäisches Lexikon zum Alten Testament, Leyde, 1967, p. 36.

Ny Mpitsara 9:8-15 no tena miresaka ny tsilo. Iva izy io fa tsy toy ny hazo oliva, aviavy, na voaloboka, izay zavamaniry mahasoa ilazana olona mendrika, toa an’ireo 70 lahy zanak’i Gideona tsy nitady hanjaka tamin’ny Israelita. I Abimeleka izay lasa mpanjaka rehefa avy namono an’izy 70 lahy rahalahiny (afa-tsy ny iray monja) kosa ilay tsilo fanao kitay fotsiny. (Mpts 9:1-6, 16-20) Nasain’i Jotama nialoka teo ambanin’ny tsilo ny hazo hafa. Naneso izy nilaza izany satria iva ny tsilo ka tsy afaka manaloka hazo, indrindra fa ny sedera mijoalajoala.

Nampitandrina i Jotama fa mety hisy afo hivoaka avy amin’ny tsilo ka “handevona ny sederan’i Libanona.” Mora mirehitra ny tsilo maina tsy misy raviny rehefa vanin-taona mafana, ka izany no toa noresahiny an-kolaka. Natao kitay koa ny tsilo.​—Sl 58:9.

Anaran-toerana ny hoe ʼatad, ao amin’ny Genesisy 50:10.​—Jereo VOAROINTSILO.

4. Antsoina hoe tsilo koa ny zavamaniry isan-karazany misy ravina minifintsofa, izay rakotra lay matsilotsilo misy ranoka mampanaintaina. Tapaka ny tendron’ireo lay rehefa voakasika, ka tafiditra anaty hoditra izy io sy ilay ranoka. Misy karazana tsilo efatra, fara fahakeliny, any Palestina fa ny amiana romanina (Urtica pilulifera) no tena betsaka any. Mety hirefy 1,8 m izy io, ary eny amin’ny toerana rava no tena aniriany.

Harol (heb.; Oh 24:31; Ze 2:9) sy kimmôhs (heb.; Is 34:13; Ho 9:6) no iantsoana an’ireo zavamaniry mirobona eny amin’ny tany lava volo sy toerana rava. Zavamaniry avoavo ilay harol, rehefa jerena ny Joba 30:7. Sirpad (heb.; “sampivato”, Prot.; “amiana”, DIEM; “tsilo”, TV) kosa ilay ampifanoherina amin’ny mirta.​—Is 55:13.

Mifanitsy amin’ny hoe harol, hono, ny endriny iray amin’ny hoe kimmôhs (heb.; “amiana”, Prot; “tsilo”, Kat.; “ahidratsy”, TV) ao amin’ny Ohabolana 24:31. Ahidratsy àry ny kimmôhs, hoy ny manam-pahaizana sasany. Anarana iombonan’ny kirihitra kosa ny harol, hoy ny hafa. Diso koa, hono, ny nandikana ny harol hoe “zavamaniry be tsilotsilony” ao amin’ny Joba 30:7, satria tsy hisy olona te hialokaloka eny ambany tsilo mihitsy. Mety hisy hanao izany ihany anefa any amin’ny tany karakaina raha avo ilay tsilo, na mety hisy olona mosarena hanangona azy io mba hohaniny. Marina àry ilay dikan-teny.