Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsininy

Tsininy

Takaitra ara-batana na fitondran-tena tsy mety; tsy fahalavorariana; zavatra ratsy.​—De 17:1.

Mom no teny hebreo ilazana ny ‘takaitra’ ara-batana na “zava-dratsy” natao. (Le 21:17; Jb 31:7) Midika hoe ‘tsininy’ ny teny grika hoe mômôs, fa ‘tsy misy tsininy’ kosa ny hoe amômôs. (2Pe 2:13; Ef 1:4) Samy iray tarika amin’ny fototeny hoe mômaômai, midika hoe ‘manome tsiny’, izy roa ireo.​—2Ko 6:3; 8:20.

“Tonga lafatra [na tsy misy tsininy]” izay ataon’i Jehovah. (De 32:4) Tsy mba toy izany kosa no nataon’ny Israely. Hoy Andriamanitra momba azy ireo: “Izy ireo no nanao ratsy. Tsy zanany ireny, ary avy amin’ireny ihany ny kilemany.”​—De 32:4, 5.

Nanompo teo anatrehan’ilay Andriamanitra lavorary ny mpisorona taranak’i Levy ka tsy tokony hisy tsininy, ohatra hoe jamba, malemy tongotra, misy rimbona ny orony, na misy kilema hafa toy ny hoe lava loatra ny tanany, na tapaka ny taolan-tanany na ny taolan-tongony, na vokoka izy, na mahia kaozatra, na misy areti-maso na aretin-koditra, na torotoro ny vihiny. (Le 21:18-20) Tsy misy tsininy toy izany koa ny mpisoronabe teo amin’ny Israely. Mety tsara izany satria i Jesosy Kristy no mifanitsy aminy, ary Mpisoronabe Ambony “tso-po” sy “tsy misy loto” i Jesosy.​—He 7:26.

Tsy tokony hisy kilema na tsininy ny biby natao sorona, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Ek 12:5; Le 4:3, 28; De 15:21) Toy izany koa ny biby voalaza hoe natao sorona tao amin’ilay tempoly an’ohatra hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana. (Ezk 43:22, 23) “Zanak’ondry tsy misy tsiny sy tsy misy pentina” koa i Kristy, ary “nanolotra ny tenany tsy misy tsiny tamin’Andriamanitra” izy.​—1Pe 1:19; He 9:14.

Anisan’ireo olona tsara tarehy sy voalaza hoe tena “tsy nisy tsininy” i Absaloma, sy ilay ankizivavy solemita, ary ny Israelita sasany tany Babylona. (2Sa 14:25; To 4:7; Da 1:4) Nampirisihin’ny Lalàna ny Israelita mba hifampiahy sy hifampiaro, sao hanjary hisy tsininy. “Raha misy mampitondra takaitra ny namany, dia ho araka izay nataony tamin’ilay namany no hatao aminy koa: Tapaka ho solon’ny tapaka, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify. Izay takaitra nampitondrainy an’ilay olona no hatao aminy koa.” (Le 24:19, 20) Nilaza ny apostoly Paoly fa te hiaro ny fiangonana kristianina mba tsy hisy tsininy eo amin’ny ara-panahy izy.​—Ef 1:4; 5:27; Kl 1:22; jereo koa Jd 24.