Tsipoy
[Heb.: kôreʼ].
Vorona hoatran’ny akoholahinala saingy kely kokoa. Botabota izy, mahery mihazakazaka sy mahay midify haingana, mahalana vao manidina ary mora reraka rehefa manao izany. Misy karazany roa any Palestina: Ny tsipoim-pasika (Ammoperdix heyi) monina any an-tany efitra sy eny amin’ny tehezan-kavoana be vato, ary ny tsipoin’ny harambato (Alectoris graeca) izay hita indrindra eny amin’ny havoana misy kirihitra.
“Mpiantso” no dikan’ny hoe kôreʼ (heb.). Mikarantsana tokoa ny antso na feon’ny tsipoy, nefa misy indray milaza fa nampitovina tamin’ny hoe “krrr-ik” izay feo fanaony rehefa tairina ka mitsoaka, ny fanononana an’io teny io.
Nohazaina hatry ny ela ny tsipoy satria tsara ny henany. Notorahan’ny mpihaza tamin’ny tsorakazo izy io matetika, rehefa nitsoaka avy tao amin’ny fiafenany. Mihazakazaka sy midify ambadiky ny harambato na zavatra hafa izy io rehefa mandositra, ary mitady fiafenana eny an-tsefatsefaky ny harambato na toeran-kafa. Nampitaha ny tenany tamin’ny “tsipoy eny an-tendrombohitra” àry i Davida, rehefa nifindrafindra toeram-piafenana mba tsy ho tratran’i Saoly Mpanjaka.—1Sa 26:20; ampit. Ft 3:52.
Niadian-kevitra be ny Jeremia 17:11, izay milaza fa toy “ny tsipoy manangona [na angamba mikotrika] atody tsy azy” ny olona manangon-karena tsy ara-drariny. Nisy mpanoratra fahiny nilaza fa nangalatra sy nikotrika atodim-borona hafa ny tsipoy. Milaza kosa ankehitriny ny mpandinika zavaboary fa tsy misy tsipoy manao toy izany. Nahita “[tsipoy] vavy 2 samy nandatsaka atody 11 avy, tao amin’ny akany iray ihany” anefa i Israel Aharoni (1882-1946), manam-pahaizana jiosy momba ny biby, izay nanoratra boky momba ny biby any Palestina. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i L. Koehler sy W. Baumgartner, Leyde, 1958, p. 851) Hoy àry ny Rakipahalalana Judaica (1973, Boky Faha-13, tsang. 156): “Misy [tsipoy] vavy roa indraindray manatody ao amin’ny akany iray ihany. Resin’ny iray ilay iray, ka noroahiny. Kely anefa ny vatany ka tsy vitany ny manafana ny atody rehetra. Lasa lamòkany àry ny sasany. Izany no tian’ilay ohabolana [Jeremia 17:11] horesahina, rehefa milaza izy io fa misy olona mangalatra ny fananan’ny hafa nefa tsy hahasoa azy akory izany.”
Hoy ny Jeremia 17:11 ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques: “Toy ny tsipoy mikotrika atody nefa tsy misy foy ireny, dia toy izany izay mahazo harena amin’ny tsy rariny. Handao azy eo antenatenan’ny androny izany, ka ho adala izy amin’ny farany.” Manohana an’io hevitra io i John Sawyer, ka hoy izy: “Ny asongadina eo dia hoe mora tafihina ny akanin’ny tsipoy, satria mora hitan’ny mpiremby isan-karazany. Toy izany koa fa mora voafitaka izay adala mitoky amin’ny harena azo tamin’ny tsy rariny.” Marina ilay ohabolana ao amin’ny Jeremia 17:11, hoy izy, tsy hoe satria “namitaka ilay tsipoy mikotrika” fa satria “mora tafihina izy io. Toy izany koa fa mihevitra ilay adala hoe tsy hampaninona azy ny faniriana hanan-karena tsy ara-drariny, ... nefa tsy takany fa hahita loza izy ary tsy hisy haharo azy rehefa tonga tokoa izany.”—Testamenta Taloha (latinina), Leyde, 1978, p. 324, 328, 329.