Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsoka

Tsoka

Zavatra malemilemy sy matavitavy ao anatin’ny ankamaroan’ny taolana, ary misy lalan-dra madinika. Misy tsoka mavo ary misy tsoka mena. Tsy miasa ny tsoka mavo ary tavy no tena betsaka ao aminy. Feno azy io ny taolana lava sy boribory (toy ny taolan-dranjo) ao amin’ny olon-dehibe. Miasa kosa ny tsoka mena ary ahitana azy io ao amin’ireo taolana fisaka toy ny karandoha, taolan-tehezana, taolan-tratra, ary ny maoja, ao amin’ny olon-dehibe. Ao amin’ny tsoka mena no miforona ireo selan’ny ra: Ny liomena mpitondra oksizenina, sy ny plakety mampandry ra, ary ireo liofotsy be dia be miady amin’ny mikraoba. Noho izany, dia misy vokany mivantana eo amin’ny fahasalamana sy ny tanjaka ny tsoka. Tsy mahagaga raha nilaza i Joba fa manana ‘tsoka mando tsara’ ny olona ampy sakafo sy salama.​—Jb 21:24.

Toa nihinana ny tsoka tao amin’ny taolam-biby ny Israelita. (Ampit. Mi 3:2, 3.) Tena be otrikaina izy io satria be proteinina sy menaka ary vy. Mety tsara àry raha nolazaina an’ohatra hoe hanao fanasambe “misy hanim-pito loha sady feno tsoka” i Jehovah ho an’ny firenena rehetra.​—Is 25:6.

Milaza ny Hebreo 4:12 fa toy ny fitaovam-piadiana maranitra noho ny sabatra roa lela “ny tenin’Andriamanitra.” Toy ny hoe manindrona hatrany amin’ny tsoka, izay any anatiny indrindra amin’ny taolana, izy io satria afaka mamantatra ny eritreritra sy ny antony mahatonga ny olona hanao na hilaza zavatra.