Tsy Fivadihana
Ampiasain’ny Soratra Hebreo mba hilazana “olona tsy mivadika” na olona maneho hatsaram-panahy feno fitiavana ny hoe hasid. (Sl 18:25) Iray tarika ny anarana hoe hesed sy ny mpamari-toetra hoe hasid. Misy ifandraisany amin’ny hatsaram-panahy kosa ny hoe hesed, saingy tsy fiahiana na hatsaram-panahy vokatry ny fitiavana fotsiny, fa hatsaram-panahy mahatonga olona iray ho tia sy hifikitra amin’ny olona iray hatramin’ny farany. Io ilay hatsaram-panahy asehon’Andriamanitra amin’ny mpanompony, ary asehon’izy ireo amin’Andriamanitra. Tonga hatramin’ny hoe tsy fivadihana (hesed) àry ny hevitr’izy io, izany hoe tsy fivadihana masina sy marina ary mitaky fahafoizan-tena. Adika hoe “hatsaram-panahy feno fitiavana” ny hesed indraindray, na koa ‘fitiavana tsy miovaova.’—Ge 20:13; 21:23; jereo HATSARAM-PANAHY.
Ao amin’ny Soratra Grika, dia ilay anarana hoe hôsiôtes sy ilay mpamari-toetra hoe hôsiôs no midika hoe fahamasinana, fahamarinana, fanajana lalina; tia fivavahana, mpivavaka be; famitana an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra tokony hatao amin’Andriamanitra. Tafiditra amin’izany ny fananana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra.
Toa tsy misy teny malagasy mahalaza tsara ny hevitr’ireo teny hebreo sy grika ireo. Manakaiky an’ilay tena heviny anefa ny hoe “tsy fivadihana.” Rehefa ampiasaina amin’Andriamanitra sy amin’ny fanompoana azy mantsy ny hoe “tsy fivadihana”, dia midika koa hoe fahafoizan-tena sy fanajana ny teny nomena. Ny fandinihana ny fampiasan’ny Baiboly an’ireo teny hebreo sy grika ireo no fomba tsara indrindra hahalalana ny tena heviny.
Tsy mivadika i Jehovah. Manao ny rariny foana i Jehovah Andriamanitra, ilay Masina Indrindra, ary maneho hatsaram-panahy feno fitiavana foana amin’ireo manompo azy. Tena azo ianteherana koa izy, ary manao izay mahitsy sy marina na dia amin’ny fahavalony aza. Izao no voalaza momba azy: “Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay. Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao, satria ianao irery ihany no tsy mivadika?” (Ap 15:3, 4) Tsy mivadika amin’ny fanaovana ny rariny sy ny hitsiny mihitsy i Jehovah sady tia ny vahoakany, ka tsy maintsy mampihatra didim-pitsarana rehefa ilaina izany. Izany no nahatonga ny anjely iray hilaza hoe: “Manao ny rariny ianao, ry ilay ankehitriny sy taloha, ilay Tsy Mivadika, satria namoaka izany didim-pitsarana izany.”—Ap 16:5; ampit. Sl 145:17.
Tsy mivadika amin’ireo fifanekena nataony i Jehovah. (De 7:9) Efa nanao fifanekena tamin’i Abrahama namany izy, ka nahari-po sy namindra fo tamin’ny firenen’Israely nandritra ny taonjato maro. (2Mp 13:23) Naniraka an’i Jeremia mpaminaniny izy mba hiangavy ny Israely toy izao: “‘Miverena ry Israely mpikomy ô’, hoy i Jehovah. ‘Fa tsy ho vinitra aminareo aho, satria tsy mivadika aho.’” (Je 3:12) Afaka miantehitra tanteraka aminy ny olona tsy mivadika aminy. Nangataka ny fanampian’Andriamanitra i Davida, ary hoy koa izy: “Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao, ary ny olo-mahery tsy manan-tsiny no hoentinao amin’ny fomba tsy misy tsiny.” (2Sa 22:26) Niangavian’i Davida ny vahoaka mba hiala amin’ny ratsy ka hanao ny tsara, satria “tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy. Ho voaro mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.”—Sl 37:27, 28.
Afaka matoky tanteraka ireo tsy mivadika amin’i Jehovah fa ho akaiky azy ireo foana izy ary hanampy azy ireo hatramin’ny farany, noho izy ireo tsy mivadika aminy. Nahoana? Satria fantatr’izy ireo fa tsy hanadino azy ireo izy na inona na inona mitranga. Miaro ny lalan’izy ireo izy (Oh 2:8), ary miaro ny ain’izy ireo.—Sl 97:10.
Jesosy Kristy. Tena nampahery an’i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany ny nahalala fa efa nampilaza mialoha Andriamanitra hoe tsy havela hijanona ao amin’ny Fasana ilay mpanompony lehibe indrindra sy “tsy mivadika.” (Sl 16:10) Nampiharin’ny apostoly Petera tamin’i Jesosy io faminaniana io, tamin’ny Pentekosta taona 33. Hoy izy: “Efa hitan’i Davida mialoha ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary efa niresaka momba izany izy, dia ny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana i Jesosy sady tsy lo ny nofony. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izany Jesosy izany, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” (As 2:25-28, 31, 32; ampit. As 13:32-37.) Manazava ny Asan’ny Apostoly 2:27 ny boky iray ka milaza fa “tsy ny olona tia an’Andriamanitra sy mpivavaka be fotsiny no tiana holazaina” amin’ilay teny hebreo hoe hasid (ao amin’ny Sl 16:10), “fa ny olona anehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana koa.”—Ny Fanazavana ny Testamenta Grika, nataon’i W. Nicoll, 1967, Boky II.
Mitaky tsy fivadihana Andriamanitra. Takin’i Jehovah ny tsy hivadihan’ny mpanompony, ka tokony tsy hivadika toa azy izy ireo. (Ef 5:1) Nilaza tamin’ny Kristianina ny apostoly Paoly “mba hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.” (Ef 4:24) Nampirisika ny hivavahana teo anivon’ny fiangonana izy, ka nilaza hoe: “Koa iriko hanandra-tanana hivavaka foana ny lehilahy tsy mivadika, na aiza na aiza misy azy, nefa tsy amin’ny fahatezerana na fifandirana.” (1Ti 2:8) Tena ilain’ny lehilahy ny tsy mivadika, raha tiany ny hahafeno fepetra ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonan’Andriamanitra.—Tit 1:8.
Ny olona tsy mivadika dia manana fitondran-tena tsy misy hokianina. Tsy misy tsininy sy tsy manan-tsiny koa izy.
Misy ifandraisany amin’ny hoe tsy fivadihana ny teny hebreo hafa hoe tôm, tommah, tam, ary tamim. Midika hoe “feno” na “manontolo” ny fototenin’izy ireo. (Ampit. Oh 1:12.) Ampiasaina imbetsaka ny hoe tamim mba hilazana zavatra feno na tsy misy kilema, ary tsy misy tsininy, ohatra hoe biby atao sorona. (Ek 12:5; 29:1; Le 3:6) Matetika anefa ireo teny ireo no ampiasaina hilazana fitondran-tena tsy misy hokianina na tsy misy tsininy.
Mety tsara ny nandikana ny tamim hoe “tonga lafatra” na “tapitr’ohatra” mba hilazana izay ataon’i Jehovah, ny asany, ny fahalalany, ary ny lalàny. (De 32:4; Jb 36:4; 37:16; Sl 18:30; 19:7) Azo lazaina hoe feno tanteraka sy tsy misy hokianina mihitsy ireo rehetra ireo, sady tena tsy manan-tsahala ka tonga dia fantatra hoe izy no ilay hany tena Andriamanitra.—Ro 1:20; jereo LAVORARY, TONGA LAFATRA.
Ny tsy fivadihana sy ny zon’Andriamanitra hitondra. Midika fotsiny hoe te hanao zavatra amin’ny fo madio sy amim-pahatsorana ny hoe tôm, indraindray. (Ampit. Ge 20:5, 6; 2Sa 15:11.) Mifikitra amin’ny fahitsiana anefa no tena dikan’izy io sy ny teny iray tarika aminy. Mifikitra mafy amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’ny sitrapony ary ny fikasany kosa no hevitr’ireo teny hebreo ireo ao amin’ny Baiboly, ary aseho ao fa tena zava-dehibe ny fanaovana an’izany.
Ilay adihevitra lehibe sy ny tsy fivadihana. Norarana tsy hihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy tao Edena ilay mpivady voalohany, mba hahafahany hampiseho fa tsy nivadika tamin’ny Mpamorona azy izy ireo ary nifikitra taminy. Tsy nankatò anefa izy ireo rehefa notaomin’ilay Fahavalon’Andriamanitra sy nampirisihiny ho tia tena. Nanjary menatra àry izy ireo, tsy sahy nifanatrika tamin’ilay Mpamorona azy, ary natahotahotra rehefa nanontaniana. Hita amin’izany fa nivadika izy ireo. (Ampit. Sl 119:1, 80.) Efa nivadika talohan’izy ireo anefa ilay anjely nitarika azy ireo hikomy.—Ge 3:1-19; ampitahao izay nataon’izy io sy ny nataon’ny mpanjakan’i Tyro, ao amin’ilay hira fisaonana voalazan’ny Ezk 28:12-15; jereo SATANA.
Nahatonga adihevitra lehibe ilay fikomian’i Satana izay hita niharihary voalohany tao Edena. Nanjary niadian-kevitra àry ny hoe: Mahay mitondra ny zavaboariny rehetra ve Andriamanitra? Manan-jo hitaky ny hankatoavana azy tanteraka ve izy? Tsy ny heriny no niadian-kevitra fa ny zony. Tsy fampiasan-kery àry no nilaina mba hamaliana ilay adihevitra, izany hoe tsy ny handringanan’Andriamanitra an’i Satana sy Adama ary Eva teo no ho eo no vahaolana. Manampy antsika izany hahatakatra hoe nahoana no navela hisy hatramin’izay ela be izay ny faharatsiana sy i Satana ilay nampisy azy io. (Jereo FAHARATSIANA.) Ny olona no voalohany notaomin’ilay Fahavalon’Andriamanitra hikomy (taloha kelin’ny Safodrano no voaresaka voalohany hoe nisy anjely niandany tamin’i Satana; Ge 6:1-5; ampit. 2Pe 2:4, 5). Ny tsy fivadihan’ny olona amin’Andriamanitra àry no tena niadian-kevitra (na dia tsy miankina amin’ny tsy fivadihan’ny zavaboariny aza ny maha Mpanjakan’izao rehetra izao azy). Manaporofo izany ny nanjo an’i Joba.
Joba. Azo inoana fa velona teo anelanelan’ny fotoana nahaveloman’i Josefa sy Mosesy i Joba. “Lehilahy tsy nanan-tsiny [heb.: tam] izy, sady marina sy natahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.” (Jb 1:1; jereo JOBA.) Nanontany momba an’i Joba i Jehovah, rehefa tonga nanatrika ny fivoriamben’ireo anjely tany an-danitra i Satana Fahavalony. Hita amin’izany fa anisan’ny niadian-kevitra teo amin’i Jehovah Andriamanitra sy Satana ny tsy fivadihan’ny olona. Nilaza i Satana fa fitiavan-tena no antony nanompoan’i Joba an’Andriamanitra, fa tsy hoe tena tia an’Andriamanitra sy nifikitra taminy izy. Te hilaza àry i Satana fa tsy azo antoka hoe tsy hivadika i Joba. Tsy nahavita nitarika an’i Joba hivadika anefa izy, na dia navela handripaka ny harem-ben’i Joba mbamin’ny zanany mihitsy aza. (Jb 1:6–2:3) Nilaza indray i Satana fa tia tena i Joba ka tsy nampaninona azy ny namoy ny fananany sy ny zanany raha mbola afaka niaro ny ainy izy. (Jb 2:4, 5) Nokikisan’ny aretina nampijaly àry i Joba, ary niaritra ny fanakivian’ny vadiny sy ny fanakianana nankarary fo nataon’ireo namany izay nanolana ny fitsipika sy ny fikasan’Andriamanitra. (Jb 2:6-13; 22:1, 5-11) Tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy anefa i Joba. Hoy izy: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko. Hazoniko mafy ny fahamarinako, ka tsy havotsotro. Tsy hanome tsiny ahy na oviana na oviana ny foko.” (Jb 27:5, 6) Tsy nivadika tokoa izy ka hita amin’izany fa mpandainga ilay Fahavalon’Andriamanitra.
Hita amin’ny tenin’i Satana tamin’izy nanakiana an’i Joba fa izao no tiany holazaina: Azo esorina hiala amin’Andriamanitra ny olona rehetra, ary noho ny fitiavan-tena fotsiny no anompoan’izy ireo an’Andriamanitra. Rehefa tsy mivadika àry ny olombelona sy ny anjely, dia manamarina fa manana zo hitondra i Jehovah, ary voninahitra lehibe ho azy ireo izany! Manamasina ny anaran’Andriamanitra koa izy ireo amin’izany. “Mahafinaritra” an’i Jehovah ny olona “mandeha tsy misy tsiny.”—Oh 11:20; ampifanohero amin’ny hevi-dison’i Elifaza ao amin’ny Joba 22:1-3.
Ny tsy fivadihana no itsaran’Andriamanitra antsika. Hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny olona raha tsy mivadika. (Sl 18:23-25) Hoy i Davida Mpanjaka: “Hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin’ireo firenena i Jehovah. Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsy fivadihako aminao. Aoka re hifarana hatreo ny faharatsian’ny ratsy fanahy e! Ary aoka ianao hampaharitra ny olo-marina.” (Sl 7:8, 9; ampit. Oh 2:21, 22.) Natoky i Joba tamin’izy nijaly fa “holanjain’Andriamanitra amin’ny mizana marina” izy, ka “ho fantany fa tsy mivadika.” (Jb 31:6) Nitanisa zavatra maromaro mpitranga eo amin’ny fiainana izy avy eo, ary nanazava fa ho nivadika izy raha nanao izany.—Jb 31:7-40.
Inona no atao hoe tsy fivadihana raha olona tsy lavorary no lazaina hoe tsy mivadika?
Tsy midika hoe lavorary amin’izay atao na lazaina ny hoe tsy mivadika, satria tsy lavorary ny olona rehetra ka tsy afaka mankatò tanteraka ny fitsipik’Andriamanitra. Asehon’ny Soratra Masina kosa fa midika hoe mifikitra amin’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ny hoe tsy mivadika. Tsy lavorary, ohatra, i Davida ka nanao fahotana lehibe maromaro. Nanompo an’Andriamanitra ‘tamin’ny fo manontolo’ anefa izy (1Mp 9:4), satria nanaiky anatra ary nanitsy ny diany. Noporofoiny àry fa mbola tena tia an’i Jehovah Andriamanitra izy. (Sl 26:1-3, 6, 8, 11) Hoy izy tatỳ aoriana tamin’i Solomona zanany: “Fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy. Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah, ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.” “Tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny” anefa ny fon’i Solomona, “tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy.”—1Ta 28:9; 1Mp 11:4; ny hoe “manontolo” sy “tanteraka” voalaza eo dia avy amin’ny teny hebreo hoe shalem, toy ny ao amin’ny 1Mp 15:14.
Tsy lafiny iray monja amin’ny fitondran-tena àry no voakasika amin’ny tsy fivadihana. Tsy eo amin’ny resaka “fivavahana” fotsiny koa no ampiharana azy io. Fomba fiainan’ny mpanompon’Andriamanitra mihitsy izy io, ary toy ny lalana ‘andehanany’ foana, ka miezaka foana izy hamantatra ny sitrapon’i Jehovah. (Sl 119:1-3) Mpiandry ho an’ny firenen’Israely i Davida, ary nanao izany “araka ny fahitsian’ny fony” izy, na teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah izany na teo amin’ny fomba nitondrany. Tiany koa raha tsy mivadika sy “mandeha tsy misy tsiny” ireo olona nanodidina azy sy ny mpanompony. (Sl 78:72; 101:2-7) Rehefa mandeha ny fotoana vao tena ho hita hoe ‘tsy manan-tsiny’ eo anatrehan’Andriamanitra ny olona iray, toy ny nataon’i Noa sy Abrahama ary ny hafa.—Ge 6:9; 17:1; 2Sa 22:24.
Raha tsy te hivadika ny olona, dia tsy maintsy manohitra an’izay mety hanimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra izy, ary miezaka mafy hanao ny marina na amin’ny mora na amin’ny sarotra, ary na rahoviana na rahoviana. Nasongadin’ny mpanao salamo fa izay tsy mivadika ihany, ka “milaza ny marina ao am-pony”, no ankasitrahan’i Jehovah. Nanazava ilay mpanao salamo, avy eo, fa “tsy mivadika amin’ny fianianany” ny olona toy izany, “na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany.” Tsy hiova hevitra izy, na dia ho voa mafy amin’izany aza. (Sl 15:1-5; ampifan. Ro 1:31; 1Ti 1:10.) Rehefa misy fitsapana na fanerena hiala amin’ny lala-mahitsy vao tena ho hita raha tsy mivadika ny olona iray. Tsy maintsy miezaka ny ‘tsy hivadika’ toa an’i Joba izy, na inona na inona mitranga, na dia ataon’ny mpanohitra ho fihomehezana aza (Jb 12:4; ampit. Je 20:7), na anaovany teny mandratra (Sl 64:3, 4), na halany na iharan’ny fanenjehana mafy (Oh 29:10; Am 5:10), na marary na iharam-boina.—Jb 2:3.
Azo atao ny tsy mivadika mihitsy. Tsy hahavita izany amin’ny heriny fotsiny anefa ny olona, fa tsy maintsy manana finoana matanjaka sy matoky tanteraka an’i Jehovah sy ny heriny. (Sl 25:21) Mampanantena Andriamanitra fa ho ‘ampinga’ sy ho “fiarovana mafy” izy, ka hiaro ny lalan’izay tsy mivadika. (Oh 2:6-8; 10:29; Sl 41:12) Handeha tsara ny fiainan’ny olona toy izany, satria ny hahazo sitraka amin’i Jehovah foana no katsahiny. Toy ny hoe manaraka lalana mahitsy izy ka ho tratrany ny tanjony. (Sl 26:1-3; Oh 11:5; 28:18) Kivy i Joba nahita fa mety hijaly sy ho ringana miaraka amin’ny ratsy fanahy ny tsy manan-tsiny, rehefa ny ratsy fanahy no mitondra. Manome toky anefa i Jehovah hoe fantany ny fiainan’ny tsy manan-tsiny. Manome antoka koa izy fa haharitra ny lovan’ny olona toy izany, ary fiadanana no miandry azy amin’ny hoavy ka hahazo zava-tsoa izy. (Jb 9:20-22; Sl 37:18, 19, 37; 84:11; Oh 28:10) Hita tamin’ny fiainan’i Joba fa tsy ny harena no mahatonga ny olona ho tena mendri-kaja, fa ny tsy fivadihany. (Oh 19:1; 28:6) Sambatra ny zanaky ny olona tsy mivadika. (Oh 20:7) Modely tsara ho azy ny rainy, ary mandray soa koa izy satria tsara laza ny rainy sady hajain’ny olona.
Misy olona maro hafa tsy nivadika koa voaresaka ao amin’ny Soratra Hebreo, ankoatra an’i Joba sy Davida. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy, ohatra, i Abrahama ka vonona hanao sorona an’i Isaka zanany. (Ge 22:1-12) Modely miavaka koa i Daniela sy ny namany telo lahy satria tsy nivadika mihitsy rehefa notsapaina, na tamin’izy ireo mbola ankizy na efa lehibe. (Da 1:8-17; 3:13-23; 6:4-23) Nisy olona maro koa fahiny nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo toko 11 hoe nanam-pinoana ka tsy nivadika na inona na inona zava-tsarotra natrehiny.—Mariho ny and. 33-38.
Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tsy ahitana teny grika tena mifanitsy tsara amin’ny hoe “tsy fivadihana” (heb.: tôm, tommah) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na dia voaresaka imbetsaka ao ihany aza ny momba io toetra io. Tena tsy nivadika mihitsy, ohatra, i Jesosy Kristy ary natoky tanteraka fa mahery ilay Rainy any an-danitra sady miahy azy. Modely tsara indrindra amin’ny tsy fivadihana àry izy, ka “natao lavorary” mba ho Mpisoronabe sy ho Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra, izay lehibe kokoa noho ny fanjakan’i Davida. (He 5:7-9; 4:15; 7:26-28; As 2:34, 35) Ilana tsy fivadihana koa ny fankatoavana an’ilay didy lehibe indrindra nasongadin’i Jesosy, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fo sy saina sy hery ary tena manontolo. (Mt 22:36-38) Ankoatra izany, dia tokony hifikitra tanteraka amin’ny fahitsiana ny Kristianina, ary nanasongadina izany ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy maintsy lavorary ianareo, tahaka ny Rainareo any an-danitra izay lavorary.” (Mt 5:48) (Misy teny grika maromaro nadika hoe lavorary ary manana heviny hoe ‘vitaina tanteraka’ izy ireo, ka mitovitovy amin’ny dikan’ireo teny hebreo voaresaka etsy aloha.)
Nampianatra i Jesosy fa tokony hadio am-po, sy hifantoka amin’ny zava-kendrena sy tanjona tokana, ary tsy hihatsaravelatsihy ny Kristianina. Toetra mampiavaka ny olona tsy mivadika daholo ireo. (Mt 5:8; 6:1-6, 16-18, 22, 23; Lk 11:34-36) Niezaka ny tsy hanan-tsiny ny apostoly Paoly, toy ny nataon’i Davida sy ny mpanompon’Andriamanitra fahiny. Tsy azo nampangaina hoe nanao ny tsy marina na fetsifetsy izy, rehefa nanompo na nifandray tamin’ny hafa.—2Ko 4:1, 2; 6:3-10; 8:20, 21; 1Te 1:3-6.
Izao koa no manaporofo fa tsy nivadika i Paoly sy ny Kristianina hafa: Nanao ny asan’Andriamanitra foana izy ireo na dia nisy nanohitra aza, nihafy izy ireo na dia tao anatin’ny tsy fisiana aza, niaritra na dia nenjehina aza, ary nijaly satria nahafoy tena ho an’Andriamanitra.—As 5:27-41; 2Ko 11:23-27.